Voina nahafatesana olona nandritra ny lanonam-panokafan'ny Lalaon'ny Nosy teto Madagasikara

Fango ofisialin'ny lalaon'ny nosy 2023. Lemur catta mpitondra fanambinana, biby mampiavaka an'i Madagasikara.

Tranga tsy nampoizina nahafatesana olona no nanamarika ny fanombohan’ny lalaon’ny Nosy 2023 teto Madagasikara ary hilatsaka hofidiana indray ny Filoham-pirenena ankehitriny amin’ny fifidianana hatao amin’ny Novambra 2023.

Raikitra ny fifanosehana tamin’ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny Nosin'ny Ranomasimbe Indianina (JIOI) teto Madagasikara, izay nahafatesana olona 13 farafahakeliny ary naharatrana 80 teo amin’ny vavahadin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina teto Antananarivo renivohitra ny 25 aogositra lasa teo.

Mba hahalalànao bebe kokoa momba ny Lalaon'ny Nosy 2023, vakio: Handray ny lalaon'ny nosy 2023 aty amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara [mg]

Mahazaka olona mipetraka 40 260 ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ary hita fa efa ho 50.000 ny olona afaka niditra tao anatin’ny kianja tamin'ny 25 aogositra teo. Tetsy an-danin’izay dia mbola nisy vahoaka marobe niandry teo ivelan’ny kianja nanantena ny hiditra.

Indrisy anefa fa rehefa niezaka mafy niditra ity farany dia raikitra ny fifanosehana ka nahafatesana olona maro, tao ireo ankizy sy vehivavy bevohoka iray.

Mampiseho ny fisehoan'ny fifanosehana ity lahatsary niparitaka be amin'ny tambajotra sosialy ity. Olom-pirenena iray tsy mitonona anarana mipetraka akaikin'ny kianja no naka ny lahatsary.

Na dia teo aza izany voina izany, dia nitohy ny lanonana. Nangataka fahanginana segondra vitsy tamin’ny vahoaka anefa ny filoha malagasy Andry Rajoelina ho fanomezam-boninahitra ireo tra-boina alohan’ny nanaovany kabary fanokafana.

Tsy mbola fantatra mazava ny niandohan’ny fifanosehana ary efa eo am-panaovana fanadihadiana lalina ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao hamantarana ny anton’izao voina izao sy ny tsy fahatomombanana amin’ny fepetram-piarovana nampiharina.

Ny takarivan’ny tranga, tonga teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra malagasy, Ntsay Christian, tsaboina ireo naratra. Noraisin'ny Fanjakana an-tanana manontolo ny saram-pitsaboana ireo naratra  ary nahazo fanampiana sy fanohanana avy amin’ny fanjakana ihany koa ny fianakavian’ireo niharam-boina.

Taorian’iny voina iny, naneho ny alahelony amin’ny tambajotra sosialy ny Malagasy. Noho izany, nanoratra ao amin'ny pejiny Facebook ny mpisera aterineto iray, Jolla ofisialy :

C'est trop dur
Même une femmes enceinte est morte 🥹🥹🥹 des blessés 😭😢
J'ai mal au cœur 😭😭😭😢😢🥺🥺💔💔💔 https://www.facebook.com/

Tena mafy loatra
Na dia vehivavy bevohoka aza dia maty 🥹🥹🥹 ary maro ny naratra 😭😢
Marary ny foko 😭😭😭😢😢🥺🥺💔💔💔

Fakàna vahana politika amin'ny fanehoan-kevitra anjotra

Miomana amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara amin'ny 9 novambra (fihodinana voalohany) sy ny 20 desambra (fihodinana faharoa) 2023. Fifidianana izay ahitana an’i Andry Rajoelina, filoha amin'izao fotoana, sy ireo filoha teo aloha toa an’i Marc Ravalomanana (tamin’ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2009), Hery Rajaonarimampianina (tamin’ny taona 2014 ka hatramin’ny taona 2018) sy Siteny Randrianasoloniaiko, depiote ao amin'ny parlemanta malagasy sady filohan’ny federasiona malagasin’ny judo.

Amin'izao toe-draharaha alohan'ny fifidianana izao dia nandray dika politika ny fifanosehana. Araka izany, namoaka tao amin'ny pejy Facebook-ny Hetsika Pro-Ravalomanana, pejy Facebook manohana ny Filohan'ny Repoblika teo aloha Marc Ravalomanana :

Ny hafa indray manome tsiny ny vahoaka ho be kiry sy tsy mankatò ny toromarika avy amin’ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana. Toy izany ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitra ao amin’ny pejy Facebook Serasera Mada, pejy iray manohana ny filoha ankehitriny, Andry Nirina Rajoelina.

 

Tsy fitandremana miverimberina mandritra ny lanonam-bahoaka lehibe

Tsy vao izao no nisy fifanosehana nahafaty tahaka izao tetsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ao Antananarivo. Efa nisy fifanosehana nahafaty tamin’ny 9 septambra 2018 nandritra ny lalaon’i Madagasikara sy Sénégal tao amin'ity kianja ity, ka nahafatesana olona iray ary naratra manodidina ny telopolo.

Tamin'ny 26 jona 2019, nitrangan’ny loza indray teo amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina nandritra ny seho maimaimpoana nandritra ny fankalazana ny faha-59 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ka 15 no maty ary 75 no naratra.

Etsy andanin'izany, voamarika ny tsy fahalavorariana mandritra ny lalao, ary niatrika olana fampiantranoana, fahazoana sakafo, fitaovana tsizarizary, ary fikorontanan'ny fitaterana ny atleta sasany.

Ankoatra ireo lesoka tamin’ny fandaminana sy ny fepetram-piarovana dia nahitana taratra ny fahantrana eto Madagasikara ihany koa iny trangan-javatra nahatsiravina iny. Araka ny nambaran’i Jerison Razafimanantsoa, ​​sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny asa, ny asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy malagasy, tamin’ny volana mey 2022 dia 80% ny tahan’ny tsy fananan’asa raha toa ka tamin'ny taona 2021 no avo indrindra ny tahan'ny fahantrana eto amin’ny firenena izay tombanana ho eo amin’ny 81% eo ho eo.

Ity lahatsary avy amin'ny Agence-France-Presse (AFP) ity no mampiseho ny halalin'ny fahantrana ao amin'ny firenena.

“Raha tsy maintsy hifidy aho dia hifidy ny dabam-pako, ireo no mamahana anay”, hoy i Claudine. Toa azy, maro ny Malagasy tsy hifidy amin'ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara, tratran'ny fahantrana lalina

Naniry ny hanararaotra ity lalao ity ny Malagasy, izay efa leon'ny fahantrana sy ny fidangan’ny vidim-piainana, ahafahan’ny rehetra mianoka lanonam-pankalazana maimaim-poana, hanalana alahelo sy hanadino vetivety ny fahasahiranana amin’ny fiainana andavanandro.

Sehatra isehon'ny atleta malagasy

Na dia teo aza izany voina izany, nifarana tamim-pahombiazana ny lalao tamin'ny 3 septambra. Marihina fa ny COJI (Komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy) no nandray fanapahan-kevitra hangina iray minitra isaky ny fanombohan’ny fifaninanana ho fanomezam-boninahitra ireo niharan’ny fifanosehana nandritra ny lanonam-panokafana.

Ho an’ity andian-dalao ity, nanjaka ireo atleta malagasy, araka ny porofoin’ity fafana ity :

Saripikan'ny fafan'ny meday ao amin'ny tranonkalan'ny JIOI

Show drone mampiseho ny fangon'ny lalaon'ny nosin'ny ranomasimbe indiana nandritra ny lanonampanokafana. Saripika nahazoana alalana

Medaly 272 tokoa no azon-dry zareo, volamena 121, arahin’i Maorisy. Raha te hahita ny filaharana amin'ny antsipiriany momba ny medaly dia tsidiho fotsiny ny tranonkala ofisialin'ny lalaon'ny Nosy Indianina.

Raha naharitra efa ho 3 ora ny lanonam-panokafana ary nahitana mpandray anjara mihoatra ny 4000 niakatra an-tsehatra niaraka tamin'ny sarimihetsika vidéo, dihy nentim-paharazana sy maoderina, effets spéciaux (seho ara-maso), taratra laser ary indrindra ny fampisehoana drone malaza sy ny afomanga, nihena be kosa ny mpijery nandritra ny lanonam-pamaranana.

Hotanterahina any Nosy Kômôro afaka efa-taona ny lalao JIOI andiany faha-12, amin’ny taona 2027, .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.