Ogandey roa solombavam-bahoaka mpanohitra, navotsotra taorian'ny 17 volana nitazonana azy ireo

Pikantsary avy amina lahatsary Youtube misy an'ireo solombavam-bahoaka, Allan Ssewanyana (ankavia) sy Muhammad Ssegirinya (ankavanana) niseho tamin'ny alàlan'ny ‘vidéoconférence’ avy any am-ponjan'i Kigo nandritra ny fotoam-pitsaràna ho valin'ny fangatahan-dry zareo fanafahana arahana onitra.

Solombavam-bahoaka ogandey roa, Allan Ssewanyana sy Muhammad Ssegirinya avy amin'ny antoko mpanohitra, National Unity Platform tarihan'ilay kintan'ny zavakanto ary lasa pôlitisiàna Bobi Wine, no navotsotra rehefa nandoa onitra, taorian'ny 17 volana nitazonana azy ireo noho ny fiampangana azy ho namono olona tao amin'ny distrikan'i  Masaka. Navotsotra rehefa avy nandoa onitra tamin'ny 21 Septambra 2021, i Ssewanyana sy Ssegirinya, izay nosamborina tamin'ny  7 Septambra 2021, volana efatra monja taorian'ny nidiran'izy ireo nandray ny asany, ary nosamborina indray raha iny teo am-pivoahana ny faritry ny fonja iny indrindra. Hatramin'ny 13 Febroary 2021, fotoana nankatoavana ny hamotsorana an-dry zareo tamin'ny farany, dia nandamoaka ny fikasan-dry zareo hahazo fanafahana amin'ny alàlan'ny fandoavana onitra. Notakiana tamin-dry zareo ny handoavany 5.400 dôlara isan'olona sy hanolotra ny pasipaorony ho an'ny fitsaràna mba hahazoana antoka fa hiverina hiatrika fitsarana ry zareo amin'ny fotoana ilàna azy.

Tamin'ny 2021, olona 17 no voalaza fa namoy ny ainy tao amin'ny distrika afovoany tao Masaka, Ogandà. Isan'ireo olona noahiahiana sy nosamborina ireto solombavam-bahoaka roa ireto ary notazonina am-bolana marobe tsy nisy fitsaràna. Tsy azo antoka ny maha-isan'ny tomponandraikitra azy ireo, na raha toa fihetsika feno herisetra fotsiny ihany ny fisamborana an-dry zareo, toy ny tany aloha niampangàna an'ireo mpitarika pôlitika, toa an'i Bobi Wine sy Kizza Besigye,  ho mpamadika tanindrazana, mpanolana, nanao famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana, ankoatra ireo fiampangana hafa, izay tsy nahazoana mihitsy fanapahankevitra hentitra teny anoloan'ny fitsaràna.

Efa lasa zavatra mahazatra ny hoe samborina sy tazonina mandritra ny fotoana maharitra ireo mpitarika avy amin'ny fanoherana sy ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra, kanefa tsy asiana fitsaràna, nefa mandritra izany misy onjam-pamoretana vaovao indray mianjady amin'ilay firenena eo ambany fitarihan'ny filoha Yoweri Museveni, efa eo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1986.  Im-betsaka ireo mpitarika ny antoko mpanohitra, Bobi Wine sy Dr Kizza Besigye, no efa nosamborina. Nisy ihany koa ny tatitra fisiana trangam-pampijaliana ireo nosamborina sy nofonjaina tsy ara-dalàna, toy ny tranga tsy ela akory izay nanjo an'i Mwesigwa Eric, mpikatroka sy mpomba an'i Bobi Wine, izay nipoitra niaraka tamina fahamaizana natao tamina vy mahamay teo amin'ny tratrany.

Atrehantsika izao ny zavatra nataon'ireo tànan-kavanan'ny jeneraly Museveni tamin'ny namanay Mwesigwa Eric, izay efa tapabolana no nikarohanay azy. Nalain-dry zareo an-kery izy & nampijaliany hanontaniana izay zavatra kasain'i Bobi Wine sy ny NUP hatao mba « hanonganana ny governemanta». Vondron'olona mpanao heloka bevava tsy misy fo antra na kely aza!!! pic.twitter.com/DeWhQK9vOH

— BOBI WINE (@HEBobiwine) 13 Febroary 2023

Tamin'ny toejavatra sasany, ny governemanta dia nampiasa ny tribonaly miaramila hanandramana hitsaràna sy hanagadràna sivily mandritra ny fotoana maharitra, tsy misy fitsaràna.

Ny gazety ogandey Daily Monitor no nitatitra fa mba hiverenan'ny fahalalahan'ireo solombavam-bahoaka roa, ny mpitarika ny fanoherana ao anivon'ny antenimiera, Mathias Mpuuga, dia tsy maintsy nikarakara fivoriana niarahana tamin'ireo mpitarika ambony avy ao amin'ny governemanta:

Loharanom-baovao ambony toerana no nilaza fa tamin'ny volana lasa teo,  niafara tamin'ny fihaonana antampon'ireo solombavam-bahoaka nampangaina sy ny avy amin'ny governemanta ireo fifampiraharahàna naharitra. Nilaza ireo akaiky an'ilay raharaha fa ananan'ny fanjakana ny vaovao manenjika ireo solombavam-bahoaka, Ssewanyana sy Ssegirinya, momba ny fifandraisan-dry zareo amin'ilay lazaina fa mpitsabo fo, manam-piaviana ogandey, teraka tany ivelany, izay toa hoe mpamatsy vola azy ireo.

Nandritra ny nihazonana azy ireo, niharatsy ny toe-pahasalaman‘ireto solombavam-bahoaka roa ireto, ary nangatahan-dry zareo hatrany ny hahazo famotsorana sandaina onitra mba hahafahany mahazo fitsaboana manokana. Nandritra ny fotoam-pitsaràna vonjimaika, hita tao anatin'ilay lahatsary “visioconférence” avy any am-ponjan'i Kigo fa tsy salama i Ssewanyana. Tsy mitsahatra izy ny manankina ny lohany eo an-tsorok'i Ssegirinya, ilay namany.

Fifampiraharahàna ho fanafahana

Ao anatin'ilay tatitra ihany, tanisain'ny Daily Monitor ny mpitondra tenin'ny antenimiera nilaza fa ny filoha sy ny lefitra dia nirotsaka tamin'ireo fifampiraharahana izay nitondra nankamin'ny fiverenan'ny fahafahan'ireo roalahy mpanao lalàna:

Nanambara i Chris Obore, talen'ny fifandraisana sy ny raharaham-bahoaka ao amin'ny antenimiera, fa na tsy nahafantatra momba ireo fivoriana voalaza aza izy, “hatrany am-piandohana, ny filoha sy ny lefiny dia nifampiresaka tamin'ny governemanta momba ny olan'ireo solombavam-bahoaka roalahy (Ssewanyana sy Ssegirinya) ».

« Naleon'ny filoha sy ny lefiny niditra tamin'ny fifampiraharahàna, toy izay hiforitra amin'ny fanehoankevitry ny daholobe fotsiny », hoy izy, nampiany hoe : « nananan'ny fanjakàna olana ireto solombavam-bahoaka roa ireto, ary nambaran'ny filoha sy ny lefiny fa ara-drariny izany olana izany, saingy tsy fomba fitondra manome tombony ho fampielezankevitry ny mpanohitra no tokony hitantànana azy ireny. »

Tao anaty lahatsary iray nozaraina tao amin'ny Twitter, avy amin'ny mpanao gazety Bahati Remmy, ny minisitry ny fitsaràna sady efa lehiben'ny Antoko Demaokraty avy amin'ny mpanohitra, Norbert Mao,  dia manamafy fa ny asany sy ny ezaka nataony dia niafara tamin'ny fanafahana ireo solombavam-bahoaka. Nohamasifiny fa nihaona tamin'ireo solombavam-bahoaka tany am-ponja, sy tamin'ny fianakavian'izy ireo izy.

Toy ny efa mahazatra dia nambara an-gazety ny tantaran'ireo solombavam-bahoaka nafahana rehefa nandoa onitra. Na izany aza, toy ny very tany anaty fifanjevonjevoana tany ihany ity fivoaran-draharaha ity.

Hon. @norbertmao, minisitry ny fitsaràna, dia tsy maintsy «nirotsaka» tamina fomba hafa mba hampiharana ny rariny, tamin'ny fanamafisana hoe … https://t.co/R7fJrqjRQS pic.twitter.com/K8HGM3FiOK

— Remmy Bahati (@BahatiRemmy) 15 Febroary 2023

Taorian'ny namotsoran'ny tribonaly azy roalahy dia tonga tany am-ponja ny sekretera jeneralin'ny National Unity Platform ary niresaka tamin'ny mpanao gazety teo ivelan'ny fonjan'i Kigo ny alin'ny 13 Febroary 2023, nanamafy fa tsy nanana antoka mihitsy izy ny hosamborina indray rehefa nafahana.

JEREO: Milasy manoloana ny fonja ao Kigo ireo mpitarika sy mpomba ny antoko @NUP_Ug   miandry ny famotsorana ireo solombavam-bahoakany, Ssegirinya sy Ssewanyana, izay navotsotra rehefa avy nampandoavina vola ny tolakandro teo, tao  Masaka. @HEBobiwine pic.twitter.com/tTul0Xpf8d

— News 24/7 (@News247Ug) 15 Febroary 2023

Taorian'ireo fanontanina momba ny fahanginany tany aloha, ny 16 Febroary ny filohan'ny antoko, Robert Kyagulanyi, fantatra amin'ny anarana hoe Bobi Wine, dia nanao fanambaràna, nanehoany ny fisaorany tamin'ny famotsorana ireo solombavam-bahoaka roa, ary ireo rehetra nitaky ny famotsorana an-dry zareo. Nilaza izy fa tsy niresaka tamin'izy ireo ary tsy nahafantatra, na kely aza,  momba ilay fifampiraharahàna. « Ny ijoroanay dia ny hoe tsy tokony hiangavy ny jeneraly Museveni isika vao hisitraka ny zo nomen'Andriamanitra antsika», hoy ny nosoratan'i Wine tao anatin'ilay fanambaràna. « Tsy hoe fotsiny mahamenatra, fa koa  mampihomehy ny sosokevitra hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'i Museveni mba hahazoana fahafahana notakalozana fandoavana onitra, izay tokony ho dingana manontolo ara-pitsaràna », hoy izy nanohy.

Raha niseho tao amin'ny NBS Télévision,  Kiwanda Ssuubi minisitra ogandey fahiny, dia nanambara fa tsy nino izy hoe nisy fifanarahana nifanaovan'ny governemanta sy ireo mpitarika avy amin'ny fanoherana mba hamotsorana ireo mpanao lalàna.

.@ssuubikiwanda: Tsy mino aho hoe nisy fifanarahana vita mba hamotsorana ireo rahalahiko, Allan Ssewanyana sy Muhammad Ssegirinya. Mino aho fa nizotra tamin'ny làlany ny lalàna.#NBSBarometer #NBSUpdates pic.twitter.com/OMGBSZzMrl

— NBS Télévision (@nbstv) 14 Febroary 2023

Tsy mbola nisy fanambaràna ôfisialy, na ny lahatsary, na ny  saripikan'ireo roalahy mpanao lalàna nafahana, satria tsy ampahibemaso no nanolorana an-dry zareo tamin'ny antokony sy ny fianakaviany, fa toa nentina namonjy izay tranon-kavany akaiky indrindra fotsiny. Voalaza fa toa naiditra hôpitaly i Ssewanyana, saingy amin'izao ora anoratana izao, tsy mbola misy fanazavana fanampiny momba izay misy an'i Ssegirinya .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.