Fiangaviana hiaro ny voromanidin'i Jamaika

lay Kingbird volombatolalaka, fantatra any Jamaica ho Petchary. Saripikan'i  Wendy Lee, nahazoana alalana.

Milaza ny Lalàna miaro ny biby mpirenireny any Jamaika fa “arovana ny vorona teratany rehetra”. Anisan'izany ny boloky [mg] sarivazo boloky, vorondolo, voron-dranomasina ary vorondrano amoron-dranomasina. Na dia ireo vorona mpifindra monina izay mipetraka ao anatin'ny fotoana fohy aza dia voaaron'ny lalàna, na dia tsy tafiditra aza ny vorona fiompiana toy ny akoho.

Ny voromaherim-paty tiorka (Cathartes aura) — antsoina matetika hoe “John Crows” — no karazana Jamaikana voalohany voaaro, araka ny lalàna, tamin'ny taona 1687. Na dia lehibe aza ireo vorona ireo, dia noheverina ho “tsy mampidi-doza”, tsy lazaina intsony ny mahasoa entiny amin'ny fanjifany faty. Ny lamandy, GBP 5 (mihoatra ny 6 dolara amerikana), 436 taona lasa izay, dia omena ny olona izay nitatitra ny fandikan-dalàna ny antsasany. Ny sandan'izany vola izany anefa dia mitovy amin'ny $ 500 ankehitriny.

Raha mitanisa ny fanaony fahazaza amin'ny fitifirana vorona amin'ny antsamotady, dia nilaza i Emma Lewis, mpankafy vorona sady mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, Emma Lewis fa nanana “fifandraisana somary saro-po tamin'ny voromanidina” ny Jamaikana, na dia niaiky aza izy fa noho ny fahatongavan'ny teknolojia, mihamaty ny lazan'ny dina :

Young [boys] have adopted a sedentary lifestyle, which perhaps gives the birds a little break.

Nanana fomba fiaina tsy tia mifindrafindra ny [ankizilahy] tanora, izay mety hanome aina kely ny vorona.

Na izany aza, nizara horonantsary roa tao amin'ny media sosialy izay lazain‘i Lewis fa “nanafintohina” azy hatrany amin'ny ati-fony i Damion Whyte, manam-pahaizana momba ny biôlôjia :

In one, a young man was boasting that he could catch a bird “with his bare hands.” The bird in question was a juvenile Northern potoo [Nyctibius jamaicensis], sitting quietly on a tree branch and resting. It panicked when it suddenly realised it was in danger. The young man grabbed it and probably hurt the bird. I don’t know whether it survived. Under the Act, you are not only not allowed to kill or injure native birds – you are supposed to leave them alone.

Tao amin’ny iray, dia nirehareha ny tovolahy iray fa afaka nisambotra vorona “tamin’ny tanany”. Ilay vorona resahina dia potoo Tavaratra tanora [Nyctibius jamaicensis], mipetraka mangina eo amin'ny sampan-kazo ary miala sasatra. Nikoropaka izy io rehefa tonga saina tampoka fa tandindonin-doza. Norombasan’ilay tovolahy ilay izy ary azo inoana fa naharatra ilay vorona izany. Tsy haiko na velona na tsia. Araka ny Lalàna, tsy vitan'ny hoe tsy mahazo mamono na mandratra ny vorona teratany ianao – tokony hamela azy irery ianao.

Satria mpisidina alina ny Patoos, mandany ny andro amin'ny “maso mihidy, tsy mihetsika mihitsy sady mitsangana, amin'ny karazana fieritreretana mihovitrovitra”. Na dia afangaro matetika amin'ny vorondolo aza ny anarany, dia karazana hafa tanteraka izy io. Ny vorona tokana indray ihany no manatody mandritra ny androm-piainany, ka izay indrindra no mahamaika amin'ny fiarovana ity karazana ity.

Ny horonan-tsary faharoa kosa mampiseho lehilahy iray nampiseho am-pireharehana Grey Kingbird (Tyrannus dominicensis)  maty tamin'ny tady. Fantatra ao Jamaika amin'ny anarana hoe Petchary, izay, mifanitsy amin'ny anaran'ny bilaogin'i Lewis, vorona mpifindramonina amin'ny fahavaratra izay manidina avy any Amerika Atsimo mankany Karaiba mba hifahana. Fandrihana amin'ny sampan-kazo “dity” — fanao tsy ara-dalàna — mba hahazoam-borona rehefa hipetraka amin'ny rantsankazo. Miraikitra eo, “miady mafy sy mijafajafa mandra-pialan'ny ainy na angonin’ny olombelona”.

Miahiahy ireo mpanenjika vorona ireo amin'ny vanim-potoana fihazana i Lewis, na dia karazana voromailala efatra ihany aza no avela hotifirina mandritra io fotoana io, ary noferana ny isany. Nisokatra tamin'ny 19 Aogositrany vanim-potoanam-pitifirana any Jamaika, izay nantsoin'i Lewis hoe “fiverenana mankany amin'ny vanim-potoana fanjanahana vaovao andehanan'ny saranga ambony anglisy mitifi-borona”, ary hifarana amin'ny 24 Septambra izany. Noferan‘ny Sampan-draharaham-Pirenena misahana ny Tontolo Iainana sy ny Drafitrasa (NEPA) mafy izany ary efa nanononany mpihaza telo farafahakeliny tsy nankatoa ny fitsipika, anisan'izany ny fitifirana ivelan'ny ora voatondro amin'ny andro sy ny fitifirana akaiky trano fonenana.

Mifanohitra amin'izany kosa, miroborobo ny vorona any amin'ny faritra izay tsy ahian'ny vorona hahalevona azy. Vao nampiantrano karazana mpifindra monina roa, ohatra, vao haingana ny zaridaina sakaizan'ny vorona an'i Lewis : American Redstart (Setophaga ruticilla) sy ny Prairie Warbler (Setophaga discolor), izay samy manao akany ao amin'ny fefy hazo mihoa-paniry nomeny anarana hoe “The Warbler Hotel”. Heveriny fa hijanona eo hatramin'ny marsa na aprily 2024 ireo vorona ireo, avy eo hianavaratra kely, mankany Texas na Louisiana, raha hamahan-tena.

Tamin'ny fanononana voahangim-pahendrena avy amin'i Roger Tory Peterson, Amerikana mpandinika voromanidina sady natioralista, nomarihan'i Lewis ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny vorona:

All native birds are protected under the Wildlife Protection Act. End of story.

Our birds are in trouble. Let’s protect them.

Arovan'ny Lalàna miaro ny biby mpirenireny ny vorona teratany rehetra. Tapitra ny tantara.

Sahirana ny vorontsika. Andao hiaro azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.