
Boloky mavo vava, Jamaika. Sary an'i Simon Shields, nahazoana alàlana.
Isantaona rehefa 31 Mey, ankalazain'ny fianakaviambe erantany ny andro iray ho an'ireo akama manana volo tena miavaka. Noforonin'ny World Parrot Trust tamin'ny 2004, lasa mpivoy iray entina manaitra ny saina momba ny antony ilàna miaro ireo andiana boloky miaina anaty ala ny Andro Erantany ho an'ny Boloky.
Manerana ny tany, raha kely indrindra dia ny ampahatelon'ny boloky no tandindonin'ny fahasimban'ny toerana onenany, ny famandrihana azy mba hamatsiana ireo tsena fivarotana biby fiompy sy ireo loza hafa ateraky ny ataon'olombelona, ary dia manana mihitsy ny anjarany amin'ireo boloky tena miavaka sy faran'izay tena tandindonin-doza i Karaiba. Ao amin'ny faritra, ny fisamborana sy famarotana boloky ho an'ny tsena tsy ara-dalàna dia loza goavana mananontanona, arahan'ny fahaverezan'ny toerana fonenany noho ny fandripahana ala ho an'ny asa fanorenana trano, sy ny fampiroboroboana ny fambolena.

Boloky mainty vava, Jamaika, tafiditra anaty lisitry ny tandindonin-doza. Sary an'i Wendy Lee, nahazoana alàlana
Rehefa nanao voady hanaitra ny sain'ny olona momba ny manjo ireo boloky, ary hanohana ny fanaovana lalàna manampy amin'ny fiantohana ny fahaveloman'izy ireny, izay maro amin'izy ireny no voatanisa ho isan'ny marefo noho ny fihenan'ny isany vokatry ny fihazàna sy famandrihana azy, dia nizara lahatsoratra mahavariana momba azy ireny ireo mpampiasa media sôsialy manerana ny faritra
It's #WorldParrotDay !! Yellow-billed Parrot is one of our Jamaican beauties. 🇯🇲When it flies you see that flash of beautiful blue in its wings. Listed as VULNERABLE (population decreasing). It is ILLEGAL to buy or imprison these WILD birds in cages! @nepajamaica @birdlifejamaica https://t.co/5Xz9Kuz8CD
— Emma Lewis (@Petchary) May 31, 2023
#AndroErantanyHoAnBoloky !! Iray amin'ireo zavatra tsara tarehy eto Jamaika ny Boloky mavo vava . 🇯🇲 Rehefa manidina izy dia mahita tselatra manga mahafinaritra izay ianao eo amin'ny elany. Natao anaty lisitr'ireo MAREFO (mihena ny isany). TSY ARA-DALANA ny fividianana na fanagadrana anaty makarakara ireny vorona DIA ireny! @nepajamaica @birdlifejamaica https://t.co/5Xz9Kuz8CD
— Emma Lewis (@Petchary 31 May 2023
Nandritra ny taona maro, ny Birds Caribbean, tambajotra iray misy ireo mpitia vorona, dia nanolo-tena hiaro azy ireny, nisolo vava ireo karazana boloky marobe manerana ny faritra, isan'ireny ny Boloky St. Vincent, izay niatrika fanamby maro taorian'ny 2021 nipoahan'ny volkano La Soufrière , sy ireo ezak'i Dominica mba hatanjaka kokoa ao anatin'ny fiarovany ireo boloky tsy fahita afa-tsy ao aminy, dia ny boloky Sisserou sy ny Jaco izay antom-pisian'ny varotra any ivelany miteraka resabe.

Boloky St. Vincent eny am-panidinana. Sary an'i Nandani Bridglal, nahazoana alàlana.
Nanaovan'ilay vondrona tatitra ihany koa ny zavatra rehetra, ny famotsorankeloka ho an'ireo tompona boloky ao amin'ireo Cayman Islands (Nosy Mamba) (izay tsy maintsy anaovana filazàna ny momba ireo boloky ompiana an-trano), ka hatramin'ireo lahatsoratry ny mpankafy manome voninahitra ny hakanton'ireny vorona ireny ao anatin'ilay faritra.
The key message of #WorldParrotDay is that parrots are among the most threatened of all bird families. Many species are on track to disappear within our lifetimes if we (collectively, as humans) don't act. Please support parrot conservation locally and globally. @ParrotTrust pic.twitter.com/bCnw3HZrOZ
— ParrotOfTheDay (also on Instagram – same handle) (@ParrotOfTheDay) May 31, 2022
Ny hafatra mafonjan'ny #AndroErantanyHoAnBoloky dia ny hoe ampahany amain'ny fianakaviamben'ireo vorona tandindonin-doza ny boloky. Marobe ireo karazany an-dalam-panjavonana mandritra izao andro iainantsika izao raha toa tsy mihetsika isika (tsy miaraka amin'ny maha-olona antsika) . Miangavy, tohano ny fitahirizana ny boloky, eo an-toerana sy erantany. @ParrotTrust pic.twitter.com/bCnw3HZrOZ
— ParrotOfTheDay (ao amin'ny Instagram ihany koa – toy io ihany ny solonanarana) (@ParrotOfTheDay) 31 Mey 2022
Lahatsoratra iray tamin'ny 2017 tao amin'ny bilaogy Parrots of the Caribbean (Ireo Bolokin'i Karaiba) no nanamarika tamim-pifaliana ” ny hamaroan-karazan'ny boloky ao Karaiba”:
Mampiantrano karazana “psittacines” (psittacidés ) marobe tsy fahita raha tsy ao aminy ny faritra Karaiba: velona, lany tamingana, sy…tsy hita ho antenaina. […] Toerana mafàna amin'ny resaka hamaroam-piainana ny faritra Karaiba, [kanefa] toerana ihany koa itoeran'ny faharingànana.
Ireo nosy efatra ao anatin'ny Antilles Lehibe – Kiobà, Jamaika, Hispaniola, sy Porto Rico – dia samy ahitàna ireo boloky tsy fahita raha tsy ao amin'ny faritra. Tandindonin-doza daholo ny karazany tsirairay noho ny fitomboan'ny tsindry avy amin'ny fitomboana tsy mitsahatry ny isan'ny olombelona, sy ny tanjaka ary ny fahatetehan'ny tafiotra mahery. […]
Ireo Nosy Bahamas sy Cayman dia samy mampiantrano karazany iray miavaka amin'ny amazôna kiobàna.
Telo amin'ireo nosy Antilles Kely no mampiantrano ireo boloky amazôna tsy fahita raha tsy any: ny St. Lucia (karazany iray be voninahitra), ny St. Vincent (iray, vatosoa tsy mitovy amin'ny hafa), sy ny Dominica (karazany roa tsy manam-paharoa!) Samy atahorana ho lany tamingana ireo.
Vao mainka manampy trotraka an'ilay fanamby ny olan'ny fiovàn'ny toetrandro, satria marobe ireo firenena ao Karaiba sy ny fiainana an'ala ao aminy no nijaly mafy vokatr'ireo rivodoza mandravarava mandritra ny vanimpotoanan'ny rivodoza mamakivaky an'i Atlantika isantaona.
Notsipihan'ilay lahatsoratra am-bilaogy ihany koa ny hoe mety tsy ho lavitra araka ny noeritreretina akory ny faharinganana:
Raha marobe amin'izao fotoana ireo ireo boloky ao Karaiba no tandindonin'ny fanadinoana, marobe ireo hafa izay niaina fahiny nanerana ny Antilles no efa nanjavona, izay ny maro taminy dia ny “amazôna” sy ny “macaws” izay tsy ananantsika singa tahiry akory any anaty mozea, araka izany dia tsy misy porofo ampirika (empirical). Any anaty fitantaràna nataon'ireo mpitsidika voalohany sisa no misy ireny karazana ireny, mahatonga ireny zava-tsarobidin'ny nosy fahiny ireny, indrisy, tsy ho hita antenaina. Taonjato marobe tany aloha tany, lavitry ny tena zavamisy iainan'ireny biby ireny, tsy ho ananantsika velively ny vintana hahafantatra marina hoe toy ny inona no endriny, eny fa hatramin'ny loko fototra nananan'izy ireny aza.
Zavatra tokana no hany azoko sainina, ratsy lavitra noho ny faharinganana — dia ny famafàna azy tanteraka. […] Tsy nitsitsy mihitsy an'ireo boloky tao Karaiba ny olona. Notifirintsika izy ireny, nohanina, namidy, nogadraina anaty karakara vy. Nangalarintsika ny nosin-dry zareo, ary nofafàntsika tsy ho hita ety ambonin'ny tany ry zareo, tamin'ny famelàna ireo sisa tavela ho toy ny hazo amoron-tevana, mamikotra amin'ireo tongtra zygodactyl ananany.
Amin'izao fotoana izao, ny kazarany akaiky indrindran'ny faharinganana amin'ireo boloky ao amin'ny faritra dia ny “amazôna imperialy” na Siserou, vorona nasiônalin'i Dominica. Tato anatin'ny taona vitsy, nisy ny ezaka hanavotana ireo karazana tsy fahita afa-tsy ao amin'ny faritra, saingy mbola tavela foana ao anaty lisitra Critically Endangered IUCN Red List. Araka ny nambaran'ny BirdsCaribbean, 40-60 eo sisa no isan'ireo tavela ao Dominica, ary ireo koa aza mbola mihena.
Ny hisorohana izany vokatra tsy takatry ny saina izany no antom-pisian'ny Andro Erantany ho any Boloky.
1 hevitra
Dear Candy:
Thank you so much for translating my article! It is appreciated!
Best wishes,
Emma