Fantaro i Gabriela Mesones Rojo: Mpitarika vaovao ato amin'ny ekipa media sosialin'ny GV

A picture of Gabriela in a colourful top in front of a backdrop full of plants.

Mpitarika ny ekipa Global Voices vaovao eo amin'ny sehatra media sosialy Gabriela Mesones Rojo.

Am-pientanentana sy am-panetren-tena no anararaotako mampahafantatra anao ny tenako ho mpitarika vaovao amin'ny Ekipa Media Sosialin'ny Global Voices. Gabriela no anarako ary niara-niasa tamin'ny Global Voices aho nanomboka tamin'ny taona 2018, amin'ny maha mpanoratra ahy mitatitra momba ny lahy sy vavy, ny fifindra-monina, ny zon'olombelona ary ny zo ankihy avy any Venezoelà, Shily ary Meksika. Tamin'ny taona 2020, nanana hirika aho koa niasa tao amin'ny Civic Media Observatory an'ny Global Voices hamantatra sy hanjohy ireo lohahevitra fototra sy zorom-pitantarana manodidina ny hetsika, fironana ary toe-javatra hafa mitranga amin'ny media nomerika, media sosialy ary media ivelan-jotra.

Nanomboka ny asa fanaovan-gazety aho tamin'ny taona 2017, taorian'ny nahavoa mafy an'i Venezoela eo amin'ny sehatra mahaolona ary niteraka krizy fifindra-monina lehibe indrindra tao amin'ny faritra noho ny fahasarotan'ny tontolo politika sy sosialy tao amin'ny firenena. Talohan'io taona io dia ny tononkalo sy ny zavakanto ara-maso ary ny teathra no niasako. Ny krizy Venezoeliana no nahatonga ahy hanapa-kevitra hanomboka hanoratra momba ireo vondrom-piarahamonina manodidina ahy. Matetika aho no milaza fa nanavotra ny fiainako ny asa fanaovan-gazety, satria nanampy ahy ho tafavoaka velona tamin'ny fotoan-tsarotra nandalovako sy ny olona maro manodidina ahy izany, ary nanampy ahy hahatsapa hanampy sy hifandray amin'ireo vondrom-piarahamonina tsy voasolontena manodidina ahy.

Nanomboka teo aho no nifantoka tamin'ny fanoratana sy fanadihadiana ny fiantraikan'ny hamehana vonjy taitra maha-olona, ny fifindra-monina ary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona amin'ny fomba fijery lahy sy vavy. Nitatitra avy any Venezoela, Kolombia, Shily, Meksika ary Espaina aho.

Amin'ny alàlan'ny anjara asako vaovao ato amin'ny GV, dia manantena ny hikaroka fomba hamelomana aina ny sehatra media sosialy misy antsika aho sady manao fanandramana, manavao ary mitady fomba vaovao hampiroboroboana sy hizarana ireo votoaty famoahan-dahatsoratra mahavariana ato amin'ny GV. Ny vondrom-piarahamonina GV no fo, fanahy ary ivon'ity dingana ity, izay midika fa tsy manana fomba fiasa an-tanantohatra sy mijadona ity asa ity, fa fiaraha-miasa izay ahafahan'ny fandraisana anjara, fanehoan-kevitra, hevitra, aingam-panahy, ary ny fahaiza-mamorona avy amin'ny rehetra mamolavola ny fijoroan'ny media sosialintsika.

Sehatra fototra hifandraisana amin'ny mpamaky sy mpihaino antsika ihany koa ny sehatsika amin'ny media sosialy, noho izany hohararaotiko ny hanely resaka bevolombava sy adihevitra manan-danja mba hananganana tetezana (fampifandraisana) sy hankalazàna ny fahalalàn'ny mpamaky antsika marokolontsaina, marofiteny, marotaranja. Tiako ho lasa toerana hanandratana ny vondrom-piarahamonintsika mahatalanjona sy ireo votoaty manainga fanahy koa ny sehatra media sosialy. Koa aza misalasala miresaka amiko amin'ny alàlan'ny mailaka na Slack raha misy fandraisana anjara, fanehoan-kevitra, na soso-kevitra hanatsarana ny asantsika.

Manantena aho ny hiara-hiasa amin'ny vondrom-piarahamonina GV mahatalanjona ity!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.