Tatatsim-baovaon'ny RV : ‘Fampitohizan-dàlana vondrom-piarahamonina’ — fitetezana izao tontolo izao momba ny fifandraisan'ny vondrom-piarahamonina

#3 Wiki Katat: ny indizeny voalohany mpanome tolotra ao Meksika (CC BY 4.0)

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana nomerika, toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana nomerika, ary ireo fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handraisana anjara feno amin'ny aterineto. Vakio eto ny fanontàna teo aloha amin'ity gazety ity.

Eh, Jolay izao! Manana zavatra mahaliana hozaraina ve ianao, ry mpamaky malala? Izahay manana, ary tsapanay fa hahaliana be ny sasany aminareo izany.

Tamin'ny Jona, nisy rakipeo “podcast” iray vaovao nalefa, nitondra lohateny hoe “Fampitohizan-dàlana Vondrom-piarahamonina.” Ezaka iombonana niarahan'ny Fikambanana ho an'ny Fifandraisana Liampiovoarana sy ny Rhizomatica izy io, itondràna ho anareo tantaram-piainana, avy amin'izao tontolo izao, an'ireo izay nahita safidy hafa hifandraisana amin'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo sy ny tenany mba hisian'ny fampiatiana nomerika.

Raha tianao ny ho tafiditra amin'ilay fitetezan-dry zareo ho fananganana tambajotram-bondrom-piarahamonina, efa azo raisina hatramin'ny fotoana nivoahany ireo andiany vaovao ao amin'ny Spotify sy Apple Podcasts. Azonao atao koa ny misoratra amin'ny fantsona Telegram an-dry zareo raha tianao ny haharay fanavaozam-baovao momba izany.

MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Liana amin'ny fianarana mivantana mikasika ny anjara asan'ny Aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana aina vao indray ireo fiteny zanatany, vitsy an'isa, tandindonin-doza na tsy ampy fitaovana ve ianareo ? Ny Rising Voices sy ny mpiara-miasa aminy ankehitriny dia mitondra fihodinana vaovao ho anareo amin'ilay fifandimbiasam-panentanana Twitter ho an'ny taona 2023, ahitana isan-kerinandro ireo mpikatroka nomerika maneran-tany ho an'ny fiteny. Andao hiaraka anay ary henoy izay ho zarain'izy ireo

@ActLenguas (Amerika Latina)

  • Luis Alvarado [es]: mpampianatra momba ny siansan'ny solosaina, miezaka ny hitondra votoaty noemrika amin'ny fiteny Tseltal ho an'ireo vondrom-piarahamonina izay tsy nanana fahafahana niditra aterineto hatramin'ny 2009
  • Edy Benjamín López Castillo [es]:  Popti’ Mayan iray mpampianatra mipetraka ao Goatemalà, miezaka manao izay hahazoana ny fiteniny sy ny kolontsainy ho azo raisina ety anaty aterineto.
  • Izaira López [es]: mapmpiasa ny fiteny Tu'un Savi sady mpikatroka ho an'ny fiteny, izay manokan-tena hamorona votoaty nomerika amin'ny fiteniny ho ampitaina amin'ireo andian-taranaka ho avy

@DigiAfricanLang (Afrika)

  • Alhassan Mohammed Awal momba ny asany manodidina ny fikatrohana ho an'ny fiteny ho an'ny Dagbani sy ireo fiteny hafa ety anaty habaka nomerika
  • Oratile Olivia Gabaphethe: mpanoratra tantara matianina, mafàna fo amin'ny fampidirana ny fiteny Setswana ho ao anatin'ny asa ataony mba ho azo ankafizin'ireo andian-taranaka ho avy.
  • Faisal Ali (aka DaSupremo) momba ireo ezaka nataony mba hahaterahan'ny Pidgin Ganeàna ao amin'ny Wikipedia

Amin'io lafiny io, tianay ny hizara aminareo ny tantaran'i Faisal Ali momba ny nanombohana ny Pidgin Ganeàna ao amin'ny Wikipedia, izay ankehitriny efa manana lahatsoratra 600, ary mbola mitohy miampy ny isa. Ny mendrika ho ankalazaina ihany koa dia ny faha 21 taona nahaterahan'ny Punjabi Wikipedia sy ireo mpiaramiasa feno fandavantena ao an-damosiny, izay nanaporofo fa olona vitsivtsy feno fanolorantena dia afaka ny hitondra fahasamihafàna goavana.

Mandritra izany fotoana izany, ireo tanora avy amin'ny faritra Gran Chaco ao Bôlivia dia miresaka momba ireo vondrom-piarahamonina vazimba teratany tsy misy mpisolo / zara fa voasolo tena, ny fanimbazimbàna ny fomba amam-panaony sy ny fiteniny, ary hatramin'ireo olana goavana sedrain'ny tontolo iainana ao amin'ilay faritra ary tokony horesahana misimisy kokoa eny anaty fampahalalam-baovao, toy ny famokarana solika, ny haintany miverimberina, ny doro ala sy ny fambolena hazo.

TOHANA ARA-BOLA

Anatina fikambanana tsy miankina sy tsy mikatsaka tombontsoa ara-bola ve ianao, izay miasa mba hampandroso ny zo nomerikan'ireo vondrom-piarahamonina natao anjorom-bala amin'ny lafiny lalàna sy pôlitika? Ny  CYRILLA Collaborative dia manao tolotra efatra ho an'ireo tetikasa mitodika amin'ny fanaovana adisisika; azo jerena eto ny torohay momba ireo fepetra takiana sy y antsipirihan'ny fisoratana anarana. Fara-fisoratana: 31 Jola 2023

Fanofànana

Fantatrao ve fa mety ho fitaovana matanjaka hanatsaràna ny fahasalamàna ny WhatsApp? Ny Chat for Impact Accelerator dia fandaharanasa virtoaly mandritra ny 6 herinandro hanazava izany aminao. Raha toa ny fikambananareo ka liana amun'ny fampiasàna fandefasana hafatra manokana syvoatefy manokana amin'io, mety ho ilaina ny mahafantatra mismisy kokoa momba azy ato . Fara-fisoratana: 31 Jolay 2023 misasakalina (GMT)

VALISOA

Miantso firotsahana / fanendrena izao ny All Digital Awards 2023! Raha toa ianao mahafantatra olona na fikambanana manerana an'i Eorôpa miezaka ny hampahaleo tena ny hafa amin'ny alàlan'ny teknôlôjia sy ny aterineto, inona no tsy hankalazàna ny fandavantenan-dry zareo ireny amin'ny alàlan'ny fandrotsahana azy ireny hahazo ilay valisoa? Ato ny andinindininy mismisy kokoa. Fara-fisoratana: 14 Jolay 2023

Mikarakara ny mba hisiana aterineto misokatra ve ianao, izay misy etika kokoa no sady tompon'andraikitra? Ho fanomezana voninahitra ny faha-25 taonany, ho an'ny loka Rise 25 avy aminy dia  mandray fanendrena izao ny Mozilla mba hankalazàna ireo izay nitondra fiovàna tamin'ny fandrafetana ny hoavin'ny aterineto. Ireo voatendry dia mety ho mpamolavola pôlitika, mpanao gazety, na mety ho ny tenanao mihitsy! Torohay bebe kokoa momba izany, azona jerena ato. Fara-fanendrena: 17 Jolay 2023

FITAOVANA & LOHARANO

Te-hianatra fiteny afrikàna iray ve ianao nefa tsy mahafatantra hoe aiza ho aiza no hanombohana azy? Ny Ituĩka dia nametraka ny African Languages Teachers Database, izay natao mba hampifandrohy ireo mpianatra amin'ireo mpampianatra. Raha maniry ny ho tafiditra ao anaty lisitra ianao, amin'ny maha-mpampianatra, ho ao anatin'io angondrakitra io, azonao atao ny mifandray aminay araka ny torolalana ato .

HAMAKY, HIJERY, HIHAINO BEBE KOKOA

 

Misorata anarana hahazo ny taratasim-baovaon'ny Rising Voices

 

 

Isaorana i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisana anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.