Fiarahana mitantana an'i Belize, lasitra iray amin'ny fiarovana iombonan'ny vondrompiarahamonina

Ny Grand Trou Bleu ao Belize ; sary tao amin'ny Canva Pro.

Tao amin'ny Cari-Bois Environmental News Network no navoaka voalohany ity lahatsoratra ity. Dika nasiana fanovàna no averina avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.

Avy amin'i Carolee Chanona

Ary raha miaraka miasa ireo fikambanana tsy miankina (ONG), ireo mpitarika vondrom-piarahamonina, ireo orinasa sy ny governemanta ao amin'ny firenena iray mba hitahiry ireo faritra arovana? Ao Belize, tsy nijanona ho faniriana feno fanantenana fotsiny izany. Hatramin'ny 1984, araka ny fifanarahana manokana fantatra amin'ny fomba fiantso hoe ‘fiaraha-mitantana’, niaraka niasa ireo mpiara-mitantsoroka ao Belize mba hikajiana ny tontolo iainana natoraly. Tsy ela akory izay, nampahafantarin'ny governemanta ao Belize ho ôfisialy ny ezaka nataon-dry zareo, ao anatin'ny fenitra iray vaovao fiarahana mitantana ireo faritra arovana (Protected Areas Co-management Framework).

Amin'ny fanaovana izany, io dia marika iray vaovao amin'ny fidiran'i Belize amin'ireo fifanarahana fanjakana / tsy miankina izay mandray anjara amin'ny fiantohana ny fahamarinan-toerana ara-tontolo iainana sy ny faharetana lovainjafin'ny tontolo iainana natoraly ao amin'ny firenena. Ny 16 Martsa tamin'ity taona ity, 16 tamin'ireo fifanarahana miisa 36 no voasonia ary tantanina mifanaraka amin'ilay fenitra vaovao.

Hatreto, manakaiky ny 40% amin'ny zaratanin'i Belize no voaaro amin'ny fomba isankarazany, ary ireo mpiara-mitantsoroka ao anatin'ny fiaraha-mitantana no lohalaharana amin'ireny ezaka ireny.

Na mitovitovy habe amin'ilay fanjakana amerikàna ao New Jersey aza i Belize, dia manana 103 faritra arovana ao anatin'ny rafitra nasiônaly midadasika misy ireo faritra arovany (National Protected Areas System – NPAS). Ireo dia ahitàna tahirin'ala maro, tahiry voajanahary, valan-javaboaharim-pirenena, tahiry an-dranomasina, tahiry tantanin'olona tsotra, toerana masina mitahiry fiainana an'ala, tsangambato natoraly, toerana masina mitahiry ireo vorona, toeram-pivondronana fanatodizana ary tahiry arkeôlôjika.

Nicole Solano, tale jeneralin'ny ministeran'ny fizahantany ao Belize, nanambara fa mihoatra ny 60% amin'ireo mpitsidika no tonga mijery, farafahakeliny, iray amin'ireo faritra arovana, mandritra ny fivahinianan-dry zareo ao Belize.

Fanalalahana ny Zahavoahary (ecotourism) ho famatsiana vola ny fampandrosoana

Raha loharanom-pireharehana aza ny harena voajanaharin'i Belize, dia miantoka ihany koa ampahany goavana sy manandanja ao anatin'ny toekaren'ny firenena.

Vinavinaina ho hatramin'ny 45 % amin'ny harinkarena faobe (PIB) ao amin'ny firenena no entin'ny fizahantany, raha 15,2 % eo ny salanisan'ny PIB manerana an'i Karaiba, ary ampiasaina izy io hamatsiana ny fitantanana mivantana an'ireo vala, indrindra fa amin'ny alàlan'ireo saram-pitsidihana, sns…

Rehefa mandao an'i Belize izy, ny mpitsidika tsirairay dia tsy maintsy mandoa hetra 20 USD ho an'ny fiarovana, izay tafiditra ho isan'ny hetra fialàna ny ao amin'ilay firenena. Ny vola voaangona amin'ireny hetra ireny dia mandray anjara mivantana amin'ny tahirimbolan'ny Protected Areas Conservation Trust (PACT), sy mandrafitra ny tena famatsiambola fototra ho azy. Tsy latsaky ny dimy isanjato amin'ireo vola rehetra miditra ho an'ny PACT no apetraka anaty tahirimbola iray natao handraisana ireo fanomezana.

Rehefa mandeha ny fotoana, ny PACT, izay rafitra iray famatsiambola amin'ny alàlan'ny fanohanana ara-bola, dia lasa sampan-draharaha nasiônaly (national implementing entity – NIE) nankatoavin'i Belize ho an'ny Tahirimbola Fampifanarahana. Ny PACT no sampan-draharaha nasiônaly faharoa ahafahana mahazo mivantana ny fampindramambola avy amin'ny Tahiry Maitso ho an'ny Toetrandro ao Karaiba, ary ny voalohany ao Belize.

Manamafy ny fahaizamanao, maka ny fon'ireo vondrom-piarahamonina ary manitatra ny fiarovana

Ny boloky mena miaina ao Belize ; sary avy ao amin'ny Canva Pro.

Miaraka ny fivoaran'ny fikajiana sy ny an'ireo mpiara-mitantana ary ny andraikitr'izy ireo. Rehefa jerena ny filàna mitazona ny fahamarinan-toeran'ireo faritra arovana, mitodika mankany amin'ny fomba fitantanana malefadefaka kokoa ireo mpiara-mitantana, toy ny fandaminana endri-pitantanana sy fampiharana fitantanana mifanaraka amin'izany.

Ankoatra ny fampiharana ireo fitsipika, misy idiran'ny fiarahana mitantana ny fiahiana ireo vondrom-piarahamonina, ny fikarohana momba ny hamaroan-javamananaina ary ny fampiasàna maharitra ireo loharanon-karena. Ohatra, ireo sampandraharaha mpanome tohana ho an'ny fikajiana, toy ny Belize Audubon Society (BAS) dia mandeha lavidavitra kokoa ao anatin'ireo fifanarahana fiarahana mitantana. Napetraky ny BAS ny fandaharanasa iray fanarahana maso ny karazan-javamananaina any amin'ireo toerana sasantsasany manankarena indrindra amin'ny karazan-javamananaina ao Belize.

Ireo vondrona hafa, toy ny Sakaizan'ny Fikajiana sy ny Fampandrosoana (Friends for Conservation and Development), dia miambina akaiky ireo fiainana an'ala ao amin'ny valanjavaboahary nasiônaly ao Chiquibul manoloana ireo mpihaza boloky mena.

Tamin'ny Septambra 2022 (fiafaràn'ny vanim-potoana fanatodizan'ireo boloky mena), noho ny asan'ireo 13 mpiasa an-tsitrapo avy ao amin'ny sampam-pikarohan'ny FCD izay nandray anjara nanao asa mafy sy fanarahana maso biôlôjika, dia 24 ireo boloky mena naverina hiaina anivon'ny natiora.

Ny fahombiazan'ilay fiarahana mitantana dia azo ambara ho avy amin'ny fahafahany mampiditra ny fahaiza-mitarika eo an-toerana ho ao anatin'ireo hetsika ataon'ny governemanta, toy ny fampiharana ny lalàna, ny fanarahana maso ny toeram-ponenana, ny fanabeazana, ny fanentanana ary ny fandraisana anjaran'ny vondrom-piarahamonina.

Na izany aza, mba hahazoana vokatra faran'izay be indrindra, dia tsy mitovy ny fomba itantanana ireo faritra arovana isankarazany ao Belize. Ny governemanta no mitantana ireo faritra arovana an-dranomasina, amin'ny alàlan'ny Ministeran'ny Jono, raha iarahana mitantana kosa ireo vala nasiônaly sy ireo toerana masina ho an'ny fiainana an'ala. Ankoatra izay, manana ny didy amam-pitsipika mifehy azy ny faritra tsirairay, izay napetraky ny mpitantana ilay faritra arovana.

Ny fiofoan'i Belize ho lasa ilay Goavamben'ny Fikajiana

Mampirehareha an'i Belize ny fananany ny toerana masina lehibe indrindra ahitàna jagoara eto an-tany. Sary tao amin'ny Canva Pro.

Ny 1 Desambra 2022, ny Ministeran'ny Fampandrosoana maharitra, ny fiovàn'ny toetrandro ary ny fitantanana ny loza voajanahary dia nanao sonia tamin'ny fomba ôfisialy ny fifanaraham-piarahamiasa fanjakana/tsy miankina niaraka tamin'ireo mpiara-mitan-tsoroka amin'ny fikajiana, toy ny BAS. Io no fikambanana tsy miankina tranainy indrindra amin'ny resaka fikajiana ao Belize. Toerana fito no arovany, isan'ireny ilay toerana masina lehibe indrindra misy ny jagoara sy ilay Grand Trou Bleu malaza be.

Ny FCD dia nahavita fifanaraham-piarahamiasa ôfisialy ihany koa. Faritra ala trôpikaly mirefy 1.700 km2 no iarahan'ilay vondrona mitantana ao amin'ny valan-javaboahary nasiônaly ao Chiquibul.

Tombanana ho in-efatra amin'ny haben'i Barbade, ilay vala no faritra lehibe indrindra amin'ireo arovana ao Belize, ary ahitàna ny tambajotran-johy lava indrindra any Amerika Afovoany.

Vao haingana, ny The Nature Conservancy (TNC) sy ireo mpifanome tànana aminy dia nanao fifanarahana iray mitentina 76,5 tapitrisa dôlara mba hiarovana ala trôpikaly mirefy 950 km2 ao avaratr'i Belize, fantatra amin'ny anarana hoe ala Maya ao Belize.

Miaraka amin'ilay faritra fitahirizana sy ny fitantanana ao Rio Bravo eo akaikiny eo, izay nandraisan'ny TNC anjara ny fananganana azy tamin'ny 1989, ilay ala dia hanome ny tambajotrana tany hirefy 45.000 km2  amin'ireo tany arovana. Hatramin'ny 1969, miasa miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina ao anaty ala Maya ny BAS.

Na ny fiompiana tantelin'ny Maya Mountain Honey Group na ny fitarihan-dàlana ireo vorona any anatin'ireo faritra manandanja ho an'ny fikajiana ny vorona – Global Important Bird Areas (IBAs), ny ezaka dia nafantoka ho amin'ny fanamafisana ny fahaizamanaon'ireo vondrona eny an-toerana. Amin'izany dia antenaina ny hahafahan-dry zareo manohy mitantana maharitra ny loharanon-karena natoraly eo amin'izy ireo sy hampihenàny ireo tsindry ara-tsôsialy sy ara-toekarena, amin'ny alàlan'ireo fomba fivelomana hafa azo raisina.

Hoy i Amanda Burgos-Acosta, tale jeneralin'ny Belize Audubon Society : «tianay ny hanome tantsoroka ho an'ireo olona izay miaina ao sy manodidina ny toerana ary handray ny andraikitr'izy ireo maha-mpitantana tomponandraikitra azy. Ny firotsahan-dry zareo dia singa iray manandanja ho amin'izay fifandanjàna izay».

Noho ireo pôlitika miaro ny harena natoraly sarobidy ao amin'ny fireneny, efapolo taona mahery taorian'ny fanondroana ny faritra voalohany arovana ao aminy, araka ny lalàna momba ireo valan-javaboahary nasiônaly (National Park Systems Act) tamin'ny 1982, mitohy mahita fahombiazana goavana hatrany i Belize eo amin'ny sehatry ny fikajiana ny tontolo iainana.

Tsy resaka fifanarahan'olondehibe fotsiny ilay fenitra fiarahana mitantana, fa fankatoavana ny asan'ireo mpiara-mitan-tsoroka avy ao anatiny sy ivelan'ireo valan-javoaboahary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.