Wikipedia Punjabi 21 taona: Fankalazana ny lahatsoratra 50.000 ary miatrika ny hoavy

Punjabi Wikimedians at WikiConference India 2023. Photo by Sailesh Patnaik. Used with permission.

Wikimediana Punjabi tao amin'ny WikiConference India 2023. Saripikan'i Sailesh Patnaik. Nahazoana alalana.

Lahatsoratra navoaka voalohany tao amin'ny Wikimedia Diff, bilaogy avy amin'i sy ho an'ny vondrom-piarahamonina volanteran'i Wikimedia. Misy dika mitovy navoaka araka ny CC BY-SA 3.0 eto ambany.

Iraika amby roapolo taona lasa izay, tamin'ny 3 Jona 2002, natomboka ho sehatra iray ny Wikipedia Punjabi amin'ny endritsoratra Gurmukhi, saingy tany amin'ny manodidina ny janoary 2005 tany ho any vao nanampy lahatsoratra voalohany. Tany am-piandohan'ny taompolo 2010 vao nanomboka niforona ny vondrom-piarahamonina nifanakona tamin'ny tetikasa. Tamin'ny Jona 2012, tsy nisy afa-tsy 2.000 teo ho eo ny lahatsoratra momba ilay tetikasa, saingy tamin'ny taona 2014, izy no teny indika haingam-pitombo indrindra tao amin'ny Wikipedia ary nisy lahatsoratra 8.000 nampiana tao anatin'ny herintaona.

Nilaza i Charan Gill, mpandray anjara mavitrika indrindra ao amin'ny Wikipedia Punjabi, izay namoaka ny 23 isanjaton'ny lahatsoratra ao amin'ny tetikasa hoe:

Punjabi language is divided among two scripts and two Wikipedias but we still see a collaboration among the communities. New content created in Gurmukhi is quickly transliterated in Shahmukhi and sometimes vice versa. We need to foster this collaboration further.

Punjabi Wikipedia. Mission 50,000 Logo. used with permission

Punjabi Wikipedia. Mission 50,000 Logo. Nahazoana alalana.

Misaraka amin'ny endritsoratra roa ny fiteny punjabi sy mizara ho Wikipedia roa saingy mbola mahita fiaraha-miasa eo amin'ireo vondrom-piarahamonina ireo ihany izahay. Voavadika haingana ho amin'ny litera Shahmukhi ny votoaty vaovao noforonina ao Gurmukhi ary indraindray ny mifamadika amin'izany. Mila fampiroboroboana bebe kokoa ity fiaraha-miasa ity izahay.

Taorian'ny vanim-potoana fihisarana nandritra ny valan'aretina, dia nifarimbona ny vondrom-piarahamonina manontolo hanatontosa Iraka 50.000, antso hihetsehana hanatratra lahatsoratra 50.000, ho fankalazana ny faha-21 taonan'ny Wikipedia Punjabi. Ny lahatsoratra faha-50.000 noforonina tao amin'ilay tetikasa dia momba ny “vovo-tsavony” vita amin'ny akata fampiasa hanadiovana akanjo amin'ny fiteny Punjab, izay tsy misy mitovy na adikana azy amin'ny fiteny hafa. Ity lahatsoratra ity dia noforonin'ny mpisera Harry sidhuz 16 taona, izay nanatevin-daharana ny tetikasa taona vitsivitsy lasa izay.

Zavabita

Nitombo in-32 avo heny ny jeripejy Wikipedia Punjabi niainga avy amin'ny salanisa 100.000 isam-bolana tamin'ny taona 2008 nankany ka hatramin'ny 3,3 tapitrisa isam-bolana tamin'ny 2023.

Etsy ankilany, nifandamina ny vondrom-piarahamonina Punjabi ary lasa Vondrom-pisera voalohany tao India tamin'ny taona 2015 ary nitarika ny fikarakarana tao an-toerana ny WikiConference India 2016. Mpikambana maro ao amin'ny vondrom-piarahamonina no nandray anjara sy nirotsaka tamin'ny fikarakarana ny WikiConference India 2023 vao haingana, izay nitarihan'i Nitesh Gill, mpandray anjara ao amin'ny Wikimedia Punjabi ny fihaonambe.

Nanamarika i Gill, ilay hany vehivavy ao amin'ny Wikipedia Punjabi, hoe:

We are a small community but our contributions and acitivities show that even a small number of committed individuals can make a big difference.

Vondrom-piarahamonina kely izahay saingy ny fandraisanay anjara sy ny hetsika ataonay no mampiseho fa na dia vitsy aza ny olona manolo-tena dia afaka mitondra fiovana lehibe.

Noho ny ezaky ny Wikimediana toa azy, ny Wikipedia Punjabi no iray amin'ireo Wikipedia tsy fahita firy amin'izao fotoana izao satria amin'ireo tantaram-piainan'olona amin'ny tetikasa rehetra, ny 52,8 isanjaton'izany dira miresaka vehivavy, raha oharina amin'ny 18,5 isanjaton'ny tantaram-piainan'ny vehivavy ao amin'ny Wikipedia anglisy.

Fananganana lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia Punjabi niainga ny Janoary 2005 ka hatramin'ny May 2023. Kisarisary tao amin'ny  Wikistats. CC BY_SA 3.0.

Fanamby

Miatrika fanamby ara-teknika maro ny vondrom-piarahamonina, indrindra amin'ny maodely (template) sy fitaovana. Mitady fanampiana momba ireo fanamby toy izany ao amin'ny chat Wikimedia General ao amin'ny Telegram ny mpikambana.

Nanoratra tao amin'ny vondrona Telegram ny mpandray anjara Amir Aharoni:

I really love how the people from the Punjabi Wikipedia keep asking technical questions here. That’s the right thing to do. I wish more people from more languages did it.

Tena tiako ny fomba fametrahan'ny olona ao amin'ny Wikipedia Punjabi ny fanontaniana ara-teknika eto. Izany no tokony hatao. Maniry aho mba ho betsaka kokoa ny olona avy amin'ny fiteny hafa maro hanao izany.

Ankilan'ny fanamby ara-teknika, mbola sahirana ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina amin'ny famoronana fitsipika manodidina ny votoaty sy ny fandraisana anjara. Ohatra, fitsipika (politika) momba izay mety mandrafitra ny lahatsoratra tsara amin'ny odidina eo amintsika na fitsipika ara-dalàna momba ny votoaty tsy maimaim-poana ao amin'ny tranonkala.

Mijery ny ho avy

Nanoratra tao amin'ny vondrona WhatsApp Wiki Punjabi i Mulkh Singh, mpandray anjara menavazana ao amin'ny Wikimedia:

We should reflect and create a future plan. If possible, during an offline event. A few things we should discuss are; the quality of the articles, creating a platform for the skill development of newbies, and collaboration among different Wikimedia projects. We should also think about bringing new volunteers from different cities of Punjab.

Tokony handinika sy hamorona drafitra ho avy isika. Raha azo atao, mandritra ny hetsika ivelanjotra. Ny zavatra vitsivitsy tokony hodinihintsika dia; ny kalitaon'ny lahatsoratra, ny fananganana sehatra ho amin'ny fampivoarana ny fahaiza-manaon'ireo zazavao, sy ny fiaraha-miasa amin'ireo tetikasa Wikimedia isankarazany. Tokony hieritreritra ny hitondra volantera vaovao avy amin'ny tanàna samihafa ao Punjab ihany koa isika.

Nanampy i Kuldeep Singh, 24 taona, izay vao haingana no lasa admin tao amin'ny Wikipedia Punjabi rehefa avy nandray anjara mavitrika tamin'ny votoaty sy ny endrika ara-teknika tamin'ilay tetikasa hatramin'ny Septambra 2022, hoe:

I think we need some advanced tools and bots to help with clean-up and possible copyright violations.

Heveriko fa mila fitaovana sy bots efa mandroso izahay hanampy amin'ny fanadiovana sy ny mety ho fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona.

Mampahery ny mahita fa misy vondron'olona vaovao mazoto nanatevin-daharana ny tetikasa tato anatin'ny taona vitsivitsy. Nanomboka nandray anjara tamin'ny Wikipedia ny sasany tamin'ireo mpandray anjara ireo rehefa avy nandany taona vitsivitsy nandika lahatsoratra tao amin'ny Wikisource Punjabi. Nanatevin-daharana ny Wikisource Punjabi tamin'ny 2018 fony izy vao 13 taona ny mpandray anjara iray tahaka izany, Tamanpreet Kaur. Taorian'ny fandrindrana an'arivony tao amin'ny Wikisource, dia nanomboka navitrika tao amin'ny Wikipedia Punjabi izy tamin'ny Marsa 2022. Ankehitriny, izy no mpamorona lahatsoratra fahefatra betsaka indrindra amin'ny tetikasa, nahavita lahatsoratra 2400 eo ho eo.

Azo jerena ao amin'ny wikiscan ny lisitry ny mpandray anjara feno miaraka amin'ny antsipiriany fanampiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.