Fitoriana teny amin'ny fitsarana vao nahazoana torohay vidim-pehezantsakafo ho an'ny mahantra mihoa-pampana

Ny solombavambahoaka Fidesz Béla Mihálffy mizara fonosan-tsakafo avy amin'ny Vondrona Eoropeana tamin'ny Oktobra 2021. Loharano: Sary fampiroboroboana avy amin'ny pejiny Facebook. Fampiasana ara-drariny.

Ity tantara ity dia navoakan'ny fikambanan'ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana Hongroà tsy mitady tombontsoa, Atlatszo. Navoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fiarahamiasa amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panovana.

Nanambara ny antontan-taratasy navoaka nandritra ny fitorian'ny Fahalalahan'ny Fampahalalam-baovao (FOI) fa ny governemanta Hongroà no meloka tamin'ny fampitomboam-bidy tafahoatra ny fonosana novatsian'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny mahantra, natao 516 HUF (1,49 dolara) ny litatry ny ronono, avo telo heny noho ny vidin'ny eny an-tsena 159 HUF (0,49 dolara)

Notorian'ireo mpanao gazety avy ao amin'ny FTMF Kiadin'ny Fahalalahana miorina any Budapest sy ny foiben'ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana Atlatszo ny Fitantanana Ankapobeny misahana ny Raharaha Sosialy sy ny Fiarovana ny Ankizy Hongroà (SZGYF) ka nandresy: tsy maintsy nanambara mazava tsara izay ao anatin'ny tovana mirakitra ny fifanarahana momba ny fonosan-tsakafo ho an'ny mahantra nozaraina tamin'ny volan'ny Vondrona Eoropeana ny andrim-panjakana. Tamin’ny taona 2017, ireny no nametraka ny vidiny natolotr’ireo nahazo ny tsena amin’ireo sakafo apetraka amin’ireo entana natokana ho an’ireo tena sahirana. Mampiseho fampitomboam-bidy tafahoatra ny tarehimarika.

Nizara ny volan'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny olona sahirana ny governemanta Hongroà, amin'ny alàlan'ny SZGYF. Araka ny filazan'ny Birao Foiben'ny Antontanisan'i Hongria, ny ronono iray litatra dia mitentina HUF 205 (0,59 dolara amerikana) tamin'ny taona 2017, saingy azo atao ny nividy azy tamin'ny vidiny mora kokoa, araka ny maodelin'ny tolotra manokana. Fa tsy ho an'izay sahirana.

“Mikendry ny hanamaivanana ny tsy fahampian’ny sakafo sahaza sy ny kojakoja fototra ho an’ny mpanjifa ny fandaharanasa mba hampihenana ny fahantrana, ary tanterahina miaraka amin’ny fepetra hafa fanampiny. Mandritra izany fotoana izany, mikendry ny hahatratra vokatra amin'ny vavahadin'asa roa izany: amin'ny vavahadin'asa iray ho an'ny tena sahirana ary amin'ny vavahadin'asa iray hafa ho an'ny fahatezana” – avy amin'ny tranokalan'ny governemanta ny teny nalaina.

Natomboka tamin'ny taona 2018 ny fandaharan'asa, nokarakarain'ny SZGYF, ary nanoratra tantara maromaro momba izany ny Atlatszo. Nandritra ny volana maromaro, tsy nilazalaza mazava izay zavatra napetraka tao anatin'ireo fonosan-tsakafo mihalafo ho an'ny olona sahirana ny Fitantanana Ankapobeny.

Nolavin'ny governemanta ny hamoaka ny fifanarahana ho an'ny Atlatszo, izay singa tsy maintsy atao ao amin'ny fifanarahana lasitrasa RSZTOP-4.1.1, izay nametrahan'ireo orinasa telo nahazo ny tsena tamin'ny antsipiriany ny entana nanaovany tolo-bidy sy ny vidiny. Nandresy tamin'ny fitoriana FOI i Atlatszo tamin'ny dingana voalohany tamin'ny faran'ny taona 2021 sy tamin'ny dingana faharoa tamin'ny volana Mey 2022, ka nahazo ny taratasy nangatahana ihany ilay mpanao gazety tsy ela taorian'izay.

Fitoriana momba ny votoatin'ny fonosan-tsakafo

Talohan'izay, nahatsikaritra ny Atlatszo hoe inona marina ireo tao anatin'ny fonosana sy ny vidin'izy ireo raha oharina amin'ny vidin'ny eny an-tsena – farafaharatsiny araka ny kajikajy nataonay. Ny fonosana voalohany, nafarana tamin'ny taona 2018, dia nahitana 1,5 isanjaton'ny ronono, lafarinina, siramamy, siramamy nampagatsiahana, tantely, vary, paty, mofo atody (tarhonya), tsaramaso maitso am-bifotsy, tsaramaso maina am-bifotsy, menaka fanendasana, rano fisotro kakaô vovony, kaonfitiora, lakiremy hena (goulache), voaloboka, ronono mandry, voatabia amin'ny boaty, hena antoandro am-bifotsy, iray avy.

Amin'ny fampiasana ny vidiny tamin'ny taona 2020, nasehon'ny Atlatszo fa ny tolotra ambongadiny mora indrindra dia 33 isanjato ambany noho ny tolotra ankapobeny, saingy ny fonosana lafo vidy indrindra koa dia 24 isanjato mora kokoa noho ny fonosan'ny mpandresy.

Nanondro ny lasitrasa fifanarahana ao amin'ny fandaharanasa ny tranokalan'ny SZGYF — fa efa nesorina izany.

Ao anatin'ny rafitry ny fifanarahana 9,5 lavitrisa HUF, “ny vidin'ny singa ho an'ny vokatra tsirairay dia tafiditra ao anatin'ny tolotra ataon'ny mpivarotra, miampy ny fafana misy ireo vidiny natao tovana amin'ity fifanarahana ity.” Tsy izany no tian’ny SZGYF havoaka, fa izay no nodidian’ny fitsarana hatao.

2023 prices in 2017 Ny vidin'ny 2023 tamin'ny taona 2017

Nahazo takelaka telo izay nametraka ny vidiny tamin'ny taona 2017, taona nanasoniavana ny fifanarahana, ny Atlatszo. Orinasa telo no nanolotra tolo-bidy tao anatin'ny rafi-pifanarahana, Natur-Rost Kft., Enger Kft. ary Káta-Mill Plus Bt.

Araka ny tovana nalefan'ny SZGYF, dia toy izao ny kajy tamin'ny vidin'ny vokatra tsirairay. Nosoniavina tamin'ny taona 2018 ny rafitry ny fifanarahana, saingy tamin'ny taona 2017 ny fividianana, ka nomanin'ny ekipan'i Atlatszo ity fafana manaraka miampy vidin'ny taona 2017 avy amin'ny Birao Foiben'ny Antontanisa Hongroà ity ho fampitahana.

Ny vidiny nifanekena tamin'ny entana fonosan-tsakafo sasany sy ny vidiny voarakitra ao amin'ny Birao Foiben'ny Antontanisa Hongroà tamin'ny taona 2017 nataon'i Atlatszo, mifototra amin'ny angona avy amin'ny Birao Foiben'ny antontan'isa Hongroà, Fitantanana Ankapobeny ny Raharaha Sosialy sy ny Fiarovana ny Ankizy, sary natao tamin'ny Flurish.

Mamela ny Atlatszo handika indray ny tatitry ny fandresena ao amin'ny tranonkalan'ny governemanta ny tarehimarika. Fanampiana bebe kokoa no mety ho azo avy amin'ny fandaharan'asan'ny Vondrona Eoropeana raha namidy tamin'ny vidin'ny tsena ny vokatra – na dia nahazo tombony aza – ho an'ireo sahirana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.