Ao Ginea, ala iray ao afovoan'ny renivohitra no manjavona noho ny fanitarana tanàndehibe tsy voafehy

Pikantsary avy amin'ny lahatsary an'ny fantsona YouTube-n'ny Espace TV Ginea

Ala iray miorina ao afovoan-tanànan'i Kônakry no hita miharihary manjavona noho ny fanitàrana tanàndehibe tsy voafehy ka mandrava ireo toerana maitso sisa azo raisina.

Anisany iray amin'ireo ala arovana ao amin'ny Repoblikan'i Ginea i Kakimbo. Ao amin'ny kaominina Ratoma no misy azy, ao Avaratra-Atsinanan'i Konakry, izay ahitana mponina 1.6 tapitrisa araka ny Fanisana ankapobeny ny mponina sy ny fonenana (RGPH-2014) ary tsy maintsy mihoatra ny 2.3 tapitrisa ankehitriny.

Ao Ginea, ny salanisan'ny fanitarana tanàndehibe dia ambany dia ambany, eo amin'ny 3.81%, saingy tena zava-dehibe ny anjara asan'ity ala ity. Eny tokoa, noho ny fahafahany mitahiry betsaka ny entona mampitombo hafanàna, dia ilaina i Kakimbo amin'ny fandoroana karbôna sy fiarovana voajanahary manohitra ny fiovan'ny toetrandro. Saingy nampihena be ny velaran-taniny ny antrôpizasiôna (fanjanahan'ny olombelona ny tontolo) ka ilay 117 hektara dia lasa dimy ambinifolo hektara, tao anatin'ny efapolo taona.

Efapolo taona i Kantala Camara, lefitry ny lehiben'ny vohitra ao Ratoma Afovoany, ary teratany avy amin'ity ala arovana ity. Tsaroany miaraka amin'ny fihetsehampo ireo tantara momba an'i Kakimbo izay mety hameno pejy maro amin'ny tantara. Nitafatafa tamin'ny Global Voices, tsaroany ny iray tamin'ireo fahazazany ; dia ny iray maha zava-dehibe ny ala tao anatin'ny nofinofiny:

“Nisy voankazo tetsy sy teroa. Nioty  ary nihinana azy ireny izahay fony mbola kely. Saingy ankehitriny, tahotra sy tsy fahatokisana sisa no entin'i Kakimbo. Levona avokoa izany rehetra izany amin'izao fotoana izao. Tsy ala intsony izy,” hoy izy nitantara.

Miaraka amin'ireo lavabatony goavam-be manana haavo 18 metatra sy halalina 8 metatra, taloha ilay ala arovana ao Kakimbo dia toerana fivavahan'ireo Bagas, vondrom-piarahamonina iray vitsy an'isa ahitana mponina 60.000. Mariame Sylla, mponina ao Ratoma Afovoany, faripiadidiana mifanila amin'i Kakimbo, dia mbola mahatsiahy foana ny soa nomen'ity ala ity ho an'ny vondrom-piarahamonina Bagas misy azy, ary mitaraina hoe :

Tonga nivavaka tamin'ilay Mpamorona tao Kakimbo ireo olona mba ho tanteraka ny faniriany. Toerana masina i Kakimbo ho an'ireo mpitondra Fanjakana nandalo tao Ginea, indrindra fa Sékou Touré (filoham-pirenena voalohany tao Ginea 1958 – 1984) sy Lansana Conté (filoha tamin'ny taona 1984 hatramin'ny 2008). Tsy mivoaka hanao fifaninanana mihitsy ny tarika mpilalao Baolina kitran'i Hafia raha tsy efa nandalo tao. Saingy ankehitriny, tsy miresaka azy intsony satria efa im-betsaka loatra izahay no niantso ny Fanjakana mba hamonjena ny Kakimbo-nay. Jereo ny manodidina, lo ity toerana ity.

Manjavona tsikelikely ny fitahirizana karbôna ao Kônakry

Tilikambo kambana ao Kakimbo, naorina teo amin'ny faritry ny ala Kakimbo. Sary an'i Aïssata Sidibe, nampiasaina nahazoana alalana

Niainga amin'ny 117 ka lasa 15 hektara sisa, nahitàna fihenana 75 % i Kakimbo na teo aza ilay hoe “arovana” tamin'ny taona 1943, sady nambara ho “faritra ilain'ny daholobe” tamin'ny Oktobra 1983.

Manondro an'ireo fanorenana baranahiny i Camara, izay miorina eo akaikin'ny renirano Kakimbo, teo izay nisy ny ala taloha, hatreo amin'ny toerana misy ny Radiotélévision Gineana ankehitriny. Na ny loharanon'i Kakimbo aza dia efa nosoloina an'ireo tilikambo kambana roa ka niampangan'i Camara izany ho fanitsakitsahana ny lalàna :

Kanefa, tsy nahita izahay didy manafoana ny maha-arovana ity ala ity mba hanorenana an'ireo fotodrafitrasa ireo.

Ankehitriny dia very daholo ny amin'io ala io. Simba tanteraka ny manodidina azy. mitovy amin'ny ala ringana ity toerana ity, miparitadritaka zara raha misy, izay haingana be ny fanjavonan'ny rohivoary ao aminy, noho ireo fanorenana baranahiny, izay noho ny fitomboany, dia  nanitsaka ilay faritra voalohany ao Kakimbo. Raha nanao fanadihadiana ny Global Voices, ny Komandà Mohamed Fofana, Direktora Nasionalin'ny Rano sy Ala ao amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy Fampiroboroboana Maharitra (MEDD) dia nilaza fa :

Rembin'ny olom-pirenentsika ny alantsika, natao teny rehetra teny ireo asa fanorenana trano, na dia teny amin'ireo morondrano aza.

Mitohy mikiky an'ity ala ity hatrany ireo tranobe fonenana namboarina teo am-pototry ny orona sy volombavan‘ireo tomponandraikitra Gineana , hoy ny fanazavan'i Mohamed Lamaine Camara, mpanofa trano amin'ny iray amin'ireo fonenana naorina ao afovoan'i Kakimbo.

Enin-taona izao no nipetrahako teto. Mahazo rivotra hatrany izahay na dia mihena aza ny ala.

Mavesatra ihany koa ny sandany zakain'ity ala ity noho ny fihazakazakya sy tsy fahafehezana ny fanitarana tanàndehibe ao amin'ny faritra, hoy ny fanazavan'i Kantala Camara:

Azo ambara ho tsy manana rano intsony isika eto ankehitriny, taorian'ny fotoam-pahavaratra. Fanampin'izay, tena mafana be amin'izao fotoana izao. Voasakan'ireo fanorenana ny làlan-drano ary maina ireo loharano.

Izao sisa ny alan'i Kakimbo. Sary an'i Aïssata Sidibe, nampiasaina nahazoana alalana.

Mandray anjara be ireo mpikatroka sy mpisehatra avy amin'ny fiarahamonim-pirenena

Manoloana izao toe-draharaha mampiahiahy izao dia tsy mitsahatra ireo mpikatroka ara-tontolo iainana ny mitarika hetsika sy miantso ireo tompon'andraikitra mba hiaro ity ala arovana ity. Tolony manokana no nanaovan'i Oumou Hawa Diallo, tanora mpikatroka ho an'ny toetrandro ny fambolenkazo sy famerenana indray ity ala voasokajy ity. Tao anaty tatitra iray, niresaka ny gazety Le Monde mikasika ny fandraisany andraikitra ho fampahatsiarovan-tena an'ireo Gineana manoloana ireo fanamby ara-tontolo iainana.

Saingy ankoatran'ny asan'ny fiarahamonina sivily, i Vayanga Donzo, mpikatroka ara-toetrandro ao Ginea dia  niantso ny Fanjakana. Tamin'ny fandraisampeon'ny Global Voices, nilaza izy fa :

Tena mampitahotra sady mampahory ny zava-tsikaritra momba ny toe-javatra ankehitriny manjo ny alan'i Kakimbo. Ankoatra ireo fikambanana tsy miankina sy ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana dia tsy mandray anjara ao anatin'ny fitantanana ity ala ity ny Fanjakana, na dia azo heverina ho toy ny avokavoky ny tanànan'i Kônakry aza ity ala ity. Betsaka ny indostria manary karbôna ao amin'io tanàna io. Mitahiry an'ireo karbône ariana ireo i Kakimbo sady manana andraikitra goavana ao anatin'ny fifandanjana ara-tontolo iainana ao Kônakry. Tokony ny Fanjakana no hitondra hetsika goavana ho famelomana aina sy fitahirizana ity ala ity.

Tsy fisian'ny fiarahamiasa eo amin'ireo minisitera

Ny tsy fisian'ny fiarahamiasa eo amin'ireo rafitra ao amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampiroboroboana maharitra (MEDD) ary ireo an'ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany, ny Fonenana sy ny Fampandrosoana ny faritra (MUHAT) dia tsy afa-bela amin'ny kiana rehetra amin'ny fitarazohan'ny aretina ratsy mikiky tsikelikely ny alan'i Kakimbo.

Itarain'ny Komandà Mohamed Fofana, lehibe nasionaly misahana ny rano sy ny ala ao amin'ny MEDD, ny tsy fahampian'ny fiarahamiasa eo amin'ireo departemantany sy ny an'ny MUHAT. Malahelo izy :

Bitika ny fiarahamiasa eo amin'ny minisiteran'ny trano fonenana sy ny tontolo iainana na eo aza ny fametrahana vaomiera iraisana izay tsy mbola niasa mihitsy hatramin'izao. Amin'ny ankapobeny dia ny departemanta misahana ny trano fonenana no manome ireo fahazoandalana hanorina trano ao anaty ala.

Araka ny voalazan'i Fofana, azo avotana ny ambina velarantany amin'ny ala arovana ao Kakimbo izay an-dalam-paharingànana, raha toa raisina ireo fepetra mifanaraka amin'izany, anisan'izay ny fandrindrana tsara ireo sampana miandraikitra ny tontolo iainana sy ny an'ny trano fonenana. Notsipihany fa :

Tena ilaina ny fiarahamiasa tsara, toy ny famerenana indray ny vaomiera iraisana noforonina teo amin'ireo minisitera roa ireo.

Tena ilaina izany satria ny ala koa dia loharanom-pamatsiana rano : ahitana lavadrano mitontaly fito ao anatin'i Kakimbo izay an'ny Orinasan'ny Rano ao Ginea (SEG).

Saingy indrisy fa tsy maningana ny tranga misy ao Kakimbo. Na eo aza ireo fepetra noraisina hatramin'ny taona 2015 ho fandroahana ireo olona nampiasa ny faritra ao aminy, ny tendrombohitr'i Kakoulima izay voasokajy anefa, dia mbola mitohy hatrany  voatafik'ireo fanorenana baranahiny sy ireo tanimboly fambolen'ny mponina. Ohatra iray tena mampiseho ny toe-javatra ankapobeny ao amin'ny firenena, araka izay hazavain'ity tatitra an-dahatsary ity, an'ny Caducée TV, haino aman-jery Gineana iray miresaka ny fahasalamana sy ny tontolo iainana :

Fanampin'ny toetrandrony miavaka, ny alan'i Kakimbo dia ahitana ao aminy lavadrano mitontaly fito an'ny Orinasa misahana ny Rano ao Ginea (SEG). Ireo zavatra rehetra ireo no nahazoany ny anaram-bositra hoe “avokavoka maitso”-n'i Kônakry.

Indrisy, matetika i Kakimbo izay nomena anarana hoe avokavoka maitson'ny renivohitra, no hita ho miha-mihiboka sy mihavoafonon'ny simenitra sy vy avy amin'ireo fanorenana baranahiny. Avokavoka io, izay, mba ahitana ny fivelarany sy ny asany amin'ny fanomezana rivotra tany am-boalohany, dia tokony hahazo fitsaboana henjana tena izy raha tsy maintsy hanohy ny anjara andraikiny ho amin'ny tombotsoan'i Kônakry izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.