Taratasim-baovao RV : Mankalaza fihodinana hafa iray amin'ny fanentanana @DigiAfricanLang ataonay ao amin'ny Twitter

Fanentanana iray mihodina ao amin'ny Twitter ataon'ny Rising Voices hanasongadinana ny asan'ireo mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny afrikàna

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana nomerika, toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana nomerika, ary ireo fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handraisana anjara feno amin'ny aterineto. Vakio eto ny fanontàna teo aloha amin'ity gazety ity.

Arahaba ry mpamaky. Manakory aby isika amin'izao Jona izao?

Faly tokoa izahay mizara aminareo fa ny fanentanana iray mihodina ao amin'ny Twitter ataonay ho an'ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteny afrikàna dia manomboka amin'ity volana ity indray!  Na ianao liana amin'ny fomba ahafahan'ny teknôlôjia manampy ny fanomezana aina vao ny fiteny , na variana fotsiny amin'ny fianarana momba ireo fiteny/kolontsaina isankarazany, mino izahay fa hahita fahafinaretana ianareo hanaraka ireo vahiny mampiantrano anay ao amin'ny @DigiAfricanLang.

Ka inona ary no miandry antsika?

MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Liana amin'ny fahafantarana mivantana ny fomba azon'ny aterineto sy ny teknolôjia handraisana anjara amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana aina vao ireo fiteny zanatany, vitsy an'isa, tandindonim-panjavonana, na tsy dia ampy fitaovana loatra ve? Ankehitriny dia entin'ny Rising Voices sy ireo mpiara-mitan-tsoroka aminy ho anareo ny andiany iray vaovao amin'ny fanentananay mihodina ao amin'ny Twitter ho an'ny taona 2023, anasongadinana isankerinandro ireo mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny manerana izao tontolo izao. Tongava manjohy anay sy mihaino ny zavatra hozarain-dry zareo!

@ActLenguas (Amerika Latina)

  • Selene Galindo/Masa'n [es]: mpamorona votoaty ho an'ny  O'dam,  izay mikatsaka amin'ny alàlan'ny asany ny hampiroborobo ny fisoloana tena mendrika an'ireo vahoaka niaviany sy ny vondrom-piarahamoniny eny anatin'ireo “habaka ho an'ny daholobe”
  • Jhonnatan Rangel [es]: mpahay momba ny fiteny no sady mpikaroka momba ny fiteny Numde oode (Ayapaneco Zoque), izay amoron-tevan'ny fanjavonana
  • Esme RS [es]: sady mpianatra no mampianatra ny fiteny  Xjuani,  na Ixcateco,  fiteny iray ampiasaina ao Oaxaca, Meksika izay tena atahorana tokoa hanjavona.

@DigiAfricanLang (Afrika)

  • Siki Dlanga miasa ho amin'ny fampiroboroboana ireo asa manodidina ny fiteny indizeny ataon'ireo mpikatroka ho an'ny fiteny mipetraka any Afrika Atsimo

Amin'io fomba fijery io, tianay ny hitondra anareo ho any Afrika, hifankahafantatra amina mpikatroka iray ho an'ny fiteny, izay manokan-tena ho  amin'ny fampiroboroboana ireo fiteny zanatany ao Ghana amin'ny alàlan'ireo tetikasa Wikimedia, ary koa ireo fanamby atrehan'ireo Tôgôley amin'ny fampiroboroboana ireo fiteny nasiônaliny. Mifanindran-dàlana amin'izany, fa any amina tanibe hafa, ireo mpampiasa ny fiteny Occitan dia maka tombony amin'ny tanjak'ireo fitaovana nomerika — isan'izany ny santatr'andraikitra iray tsy miankina nametrahana ny TV antsoina hoe ÒCtele — mba hamerenana ny fitenin-dry zareo ho eny anaty habaky ny daholobe.

Mandritra izany,  toarian'ny nanatrehan'izy ireo atrikasa iray momba ny fahaizana mifehy ny media,  nizara ny zava-baovao hitany ireo tanora manam-piaviana indizeny sy afrikàna-bôliviàna ao ao amin'ny faritra Gran Chaco. Raha ny sasany nahatsapa fahiny fa toa tsy an-drariny ny nanosoran'ny media azy ireo ho “kamo”, tsy nijery akory ny lanjan'ny soatoavina nentindrazan-dry zareo amin'ny fitahirizana ny natiora izay manohana ny vondrom-piarahamoniny, ny hafa indray nahatsapa fa ny media dia mirona amin'ny fanehoana fifaliana rehefa miresaka ireo tetikasa fampandrosoana mitranga manodidina ny vondrom-piarahamonin-dry zareo; ny sasany niantso an'ireo media mahazatra mba hitandrina tsara amin'ny fanamarinam-baovaon-dry zareo, ka mba ho tena tafiditra tanteraka tokoa anatin'ny tantaran'izy ireo ny vahoaka zanatany (indizeny).

ANTSO HO FANDRAISANA ANJARA

Ny Fishbowl Challenge dia mandray ankehitriny ny firotsahana avy amin'ireo tanora manerana ny tany, avy amin'ny fari-pahalalàna rehetra, 18-30 taona, mba hanatevina laharana ireo mpiara-dia aminy. Raha te-hitsapa vintana ianao hanatevina ny laharan'ireo tanora mpandraharaha toa anao amin'ny fitarihana fiovàna sôsialy atosiky ny teknôlôjia ho famahàna olana iray maika mameno ny fonao, mety ho ity no izy (ato ny antsipirihany).  Fara-fisoratana anarana: 1 Jolay 2023 @ 11:59 alina (PST)

FANKASITRAHANA

Mpanao gazety ve ianao? Mipetraka any amin'ny faritra Balkàna andrefana na Türkiye? Ny 2023 EU Award for Investigative Journalism (Loka 2023 ho an'ny asan-gazety fanadihadiana) dia misokatra izao koa asaina ianao hampiditra ny tantaranao momba ny fampiroboroboana ny fahalalahana maneho hevitra, ny tany tàn-dalàna, ny mangarahara — tafiditra ho isan'izany izay mitranga ety anaty habaka nomerika — izay mety tsy ho fantatry ny daholobe.  Fara-fisoratana: 20 Jona 2023 misasakalina (CET)

HAMAKY, HIJERY ary HIHAINO MISIMISY KOKOA (amin'ny fiteny anglisy)

 

Misorata hahazo ny Taratasim-Baovaon'ny Rising Voices

 

 

Isaorana i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisany anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.