Fampiasàna indray ireo tavoahangy sy tavoara plastika ao Burundi : mbola lavitra ny làlana

Sary an'ny tranonkala www.ibihe.org, nahazoana alàlana

Ao anatin'ny fifanekem-piarahamiasa amin'ny www.ibihe.org dia naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ity lahatsoratra ity. Ny lahatsoratra niandohana dia azo jerena ao amin'ny tranonkala Ibihe.org .

Telo herinandro mialoha ny fandraràna ireo tavoahangy sy tavoara plastika notsimponina, azo lazaina ho tsy misy ny pôlitika fanangonana tavoahangy sy tavoara plastika any amin'ireo orinasa borondey. Averina ampiasaina indray ny sasany amin'ireo fonosana, tsy misy fanajàna ny fenitry ny fahadiovana, ny sasany mihahaka eny amin'ny tany, araka izany dia miteraka ambana ara-pahasalamana ho an'ny daholobe sy ny tontolo iainana.

Mandalo isanandro i Thierry Nahimana, mpanangona ireo tavoahangy mitondra kitapo-babena, mitety ireo toeram-pivarotana ao Nyakabiga, kaominina Mukaza, Faripiadidian'i Bujumbura, renivohitra ara-toekaren'i Burundi. Anontaniany ireo tompona toeram-pivarotana raha nitahiry tavoahangy nisy ireo zavapisotro vokarin'ny  MERU Investments, orinasa iray mpamokatra zavapisotro tena be alikaola, ary vidiany izy ireny.

Nanomboka tamin'ny nahafantaran'ireo mpivarotra fa azon-dry zareo amidy indray ireo tavoahangin'ny MERU, niova ny fomba fijery. Mbola misy atao raha ny resaka fanangonana tavoahangy. Manomboka liana amin'izy io ireo tanora sasany. Mifaninana rahateo ry zareo amin'ny fanangonana ireo tavoahangy marika MERU. Izay tonga aloha no toloran'ireo toeram-pivarotana ny vokatra avy aminy, na izay mahasahy mividy lafo raha sendra mifanena ao ry zareo.

Androany aho mividy an'io tavoahangy io, indraindray 400 FBu (0,192 dôlara amerikàna) dia averiko amidy 500 FBu (0,2401 dôlara amerikàna) amin'ny orinasa MERU. Alohan'ny hitomboan'ny filàna tavoahangy marika MERU, miovaova ny vidiny, eo amin'ny 300 hatramin'ny 350 FBu (0,144 sy 0,168 dôlara amerikàna), hoy i Thierry.

Mitombo be isanandro ny filàna tavoahangy marika MERU. Na ao anatin'ny firenena ihany aza, indrindra fa ao amin'ny faritany Rumonge (ao atsimo-atsinanan'i Burundi, miala 72 km an'i Bujumbura, ilay renivohitra fahiny) dia hita matetika ny fanangonana ireo tavoahangy marika MERU. Hoy i Jean Marie, iray hafa mpanangona ihany koa, ny vidin'ireo tavoahangy dia miovaova eo amin'ny 200 hatramin'ny 250 Fbu (0,096 sy 0,12 dôlara amerikàna). Manamarina izy :

Mba hahazoana tombony avy amin'io fanangonana io, tavoahangy miisa 1.000 eo no angoniko alohan'ny handehanana mankany Bujumbura hivarotra azy ireny indray. Any aminay ao Rumonge, indraindray ny olona tonga any an-trano mivarotra azy ireny amiko. Tsy hita mihahaka eny amin'ny tany toy ireo tavoahangy hafa ny tavoahangy marika MERU.

Ao amin'ny tsenan'ny tavoahangy ao Ngagara (ao Bujumbura) izay toerana famokaran'ny MERU Investments ny zavapisotrony, nivaky i  Thierry Nahimana fa efa nifanena tamin'ireo mpivarotra tavoahangy MERU avy amin'ny faritany hafa, toa an'i Muramvya, sns…

Raha ny filazan'i Thierry Nahimana izay efa niasa tao amin'ny orinasa MERU Investments, dia averin'io orinasa io ahodina ireo tavoahangy alohan'ny hamerenany mampiasa azy ireny indray.

Ankoatra ny varotra, napetraky ny orinasa MERU ny pôlitika iray mahomby amin'ny fitantànana ireo tavoahangy naparitany, amin'ny fividianana azy ireny indray amin'ireo mpanjifany rehefa avy nandalo an'ireo mpanangona azy. Pôlitika izay tsy tao an-tsain'ny ankamaroan'ireo orinasa borondey.

Mahita ny anjarany ao anatin'io ihany koa ireo tanora, ao anatin'ny firenena iray izay maharesy ny tarehimarika rehetra ao Afrika Atsinanana ny tahan'ny tsy fanànana asa ao aminy.

Manary fako eny rehetra eny: fomba fanao mahazatra ao Burundi

Mifanindran-dàlana amin'izay, mbola tohizan'ireo Borondey hatrany ny fanipazana tavoahangy sy tavoara plastika eny rehetra eny, avy amin'ireo marika hafa. Indrindra fa any anaty tatatra.

Jean Noël, nifampiresahana tao Bwiza, tanàna kely malaza ao amin'ny kaominina Mukaza, faripiadidian'i Bujumbura, dia nanipy ny tavoahangy plastika teny aminy ho eo amin'ny toerana akaiky azy teo. Ho azy, ny tsy fisian'ny dabam-pakom-pokonolona no mamanarina ny fihetsiny. Fomba fanao mahazatra ao Bujumbura io, hatrany amin'ny faritany koa.

Noho ny tsy fisian'ny politikan'ireo mpamokatra azy ho fanodinana azy ireny indray dia mitsindrahaka eny amin'ny tany ireo tavoahangy sy tavoara plastika.

Tamin'ny Oktôbra 2020, nilaza ny ministeran'ny tontolo iainana fa izay olona manary ireny fonosana ireny eny rehetra eny dia ho ampandoavina lamandy 2 000 hatramin'ny 5 000 FBu (0, 9602 hatramin'ny 2, 4006 dôlara amerikàna) . Raha olombelona môraly (orinasa), dia lamandy eo anelanelan'ny  50 000 sy 100 000 FBu (24,0059 hatramin'ny 48,0118 dôlara amerikàna).

Taorian'ireny fepetra ireny, ny fanjakàna, ireo orinasa tsy mainkina ary ireo ONG, dia namatsy fitaovana ny tao afovoan-tanànan'i Bujumbura, nanome dabam-pakom-pokonolona. Kanefa tsy nahasakana ireo Borondey izany tsy hanary ny tavoahangy sy tavoara plastika eny anaty tatatra.

Ankoatra izany, tsy nampiharina velively ireny fepetra ireny, nefa ny fonosana plastika iray dia mila 100 hatramin'ny 400 taona vao levon'ny natiora. Araka ny nambaran'ny manampahaizana ara-tontolo iainana, Célestin Nkunzimana :

Tsy maintsy ilaina ny fanentanana faobe ny vahoaka momba ny fitantànana ireo tavoahangy sy tavoara plastika.

Any amin'ny faritany, sava-tsarobidy ireo dabam-pakom-pokonolona

Zava-tsarobidy ho an'ireo tanàna lavitra andriana sy ireo faritany ao amin'ny firenena ny dabam-pakom-pokonolona. Miova ho dabam-pakom-pokonolona ny tatatra. Manerana ny firenena, tsentsin'ireo karazam-pako samihafa izy ireny.

Tsy ela dia hita ny fiantraikany. Isaky ny mirotsaka be ny orana, zava-mahazatra ao amin'ny afovoan-tanànan'ny fari-piadidiana ao Bujumbura ny tondradrano. Lasa tsy azon'ireo mpandeha an-tongotra sy fiara aleha ny làlana.

Ho an'ilay manampahaizana ara-tontolo iainana, Célestin Nkunzimana :

Ireny tondradrano ireny dia vokatry ny fahatsentsenana aterak'ireo karazam-pako isankarazany lasa anatin'ireo tatatra mpanary ranon'orana. Araka izany dia tsy maintsy mitady làlana hizorana ireny rano ireny rehefa tsentsina ny làlany, ireo tatatra.

Raha entin'ny rano noho ny fahasimban'ny nofontany ireny fako plastika ireny, dia hiafara ao amin'ny farihy Tanganyika . Eny amin'ny moron'ilay farihy, miparitaka eny rehetra eny ireo fako plastika. Ohatra, ao Kumase ( tsy lavitra ny farihy  Tanganyika ), ao amin'ny vohitr'i Ngagara, mivangongo be tokoa ny fako plastika.

Araka ny voalazan'ny Banky Iraisam-pirenena, isantaona izao tontolo izao dia manary fako plastika monisipaly milanja 2 lavitrisa taonina. Hahatratra 3,4 lavitrisa taonina io amin'ny 2050.

Amin'ireo fako 630 taonina vokatra isanandro ao Bujumbura, manodidina ny 51 taonina amin'izany no fako plastika. Kanefa hatramin'ny anio dia mametraka olana ny fomba fitantànana azy.

Tamin'ny 2018, namoaka lalàna ny filoha borondey nandràra ny famokarana, ny fanafàrana, ny fitahirizana, ny famarotana ary ny fampiasàna izay rehetra harona plastika sy fonosana hafa vita tamin'ny plastika. Ny andininy faha -7 amin'io didim-panjakana io dia milaza hoe:

Ireo fako plastika, isan'izany ny tavoahangy sy tavoara plastika dia miverina mankany amin'ireo mpamatsy izay hiantoka ny fitahirizana, ny fanodinana sy ny fanomezan-danja indray azy ireny.

Tsy manangona azy ireny ireo nandefa ireny fako plastika ireny. Ny mifanohitra amin'izay aza. Ny olontsotra no manangona azy ho asiana ireo vokatra mitsiranoka, toy ny menaka voanio sy avy amin'ny landihazo, ary ireo orinasa hafa mpamokatra zava-pisotro mba hamonosan-dry zareo indray ny vokatra avy amin-dry zareo.

Fonosana notsimponina, loharanon'aretina henjana be?

Ho an'i Severin Sindayikengera, tale jeneralin'ny biraon'ny fampanaraham-penitra ao Burundi:

Raha herinandro no hitahirizana menaka voanio ao anaty tavoara notsimponina, hivadika iny vokatra iny, satria ireny taovara ireny tsy voadio araka ny fenitra ara-pahasalamàna akory.

Mbola io tale io ihany no milaza fa ireo tavoara plastika dia loza mitatao ho an'ireo mpanjifa, arakaraky ny natioran'ireo vokatra. Loza izay tonga hatramin'ny fahazoana ireo aretina henjana be, toy ny homamiadana.

Ho an'i Ir. Désiré Rudaragi, manampahaizana manokana amin'ny fiarovana ara-pahasalamana ny zava-pihinana :

Matetika ireo fianakaviana manjifa vokatra nofonosina tanaty fonosana tsy voadio no tratry ny aretina. Araka izany dia lany any amin'ny hôpitaly ny fotoana tokony holaniany any am-piasana, ary ampiasaina ho an'ny fikarakaràna fahasalamana ireo tahirin'ny ankohonana, sns… Raha fintinina, mitontongana ny toekeran'izy ireny.

Voaràra manerana ny firenena, nanomboka ny 26 Febroary 2023, ny endrika rehetra famerenana mampiasa indray ireo fonosana plastika notsimponina. Nomena enina volana ny rehetra hanovàna ireo fonosana. Ny fanamby goavana dia ny fomba fanaon'ireo borondey mpivarotra izay miandry hatrany ny fotoana farany vao mampihatra io fepetra io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.