Taratasim-baovan'ny RV: Hikatona tsy ho ela ny fisoratana anarana hanaraka ny sekoly fiofanana LITHME fahatelo

Human machine (stoptomove, sehatra ho an'ny daholobe

Fanamarihan'ny Rising Voices : Ny taratasim-baovao avoakanay isambolana dia famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy navoakanay vao haingana momba ireo rehetra endriky ny fampiatiana nomerika ka isan‘izany ny fidirana sy ny fanekene ireo fitaovana nomerika, ary hatramin'ireo karazana fomba sy hirika ahafahan'ireo vondrom-piarahamonina mandray anjara feno ety an-tambajotra. Vakio ato ireo famoahana efa nivoaka amin'ity taratasim-baovao ity.

Ry mpamaky hajaina, arahabaina daholo nahatratra ny Taona Vaovao!

Ao anatin'ny laharana voalohany ho an'ity taona ity, tianay ny hizara aminareo ny antso iray  ho an'ny rehetra hisoratana anarana handray anjara amin'ny Sekoly Fiofanana LITHME fahatelo, hatao amin'ny fiandohan'ny Jona. Raha mahaliana anao ny hanjohy ireo hafa mpandalina ny fiteny, mpikatroka momba ny fiteny, ary ireo mpandrafitra teknôlôjia hahafahana miatrika tsaratsara kokoa ireo fanamby ateraky ny vanimpotoana iarahan'ny milina sy ny olombelona, mety ho fotoana sarobidy fanararaotra ho anao ity.

Raha mila fanazavana misimisy kokoa momba ny fandaharam-potoana sy ny fizotry ny fifantenana, azafady, tsidiho ny tranonkala ôfisialy. Fara-fisoratana : 15 Janoary 2023

MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Amin'ny fidirana anatin'ny dian'ny IDIL2022–2032 miaraka amin'ireo mpikatroka ho an'ny fiteny avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, ny Rising Voices sy ireo mpiara-miombona antoka aminy dia hitondra ho anao fihodinana iray hafa amin'ilay fanentananay mihodina ao amin'ny Twitter. Liana momba ny fiteny teratany, vitsy an'isa, tandindonin-doza, na ireo zara raha mahazo fanohanana, sy ny anjara toerana raisin'ny aterineto sy ny teknôlôjia amin'ny fampiroboroboana sy fanomezana aina vao azy ireny ve? Tongava manaraka anay sy mihaino izay fizaràna ho atolotr'ireo vahininay!

@ActLenguas (Amerika Latina)

  • Vics Laga [es] momba ireo tetikasa natao ho an'ny zavatra hojeren'ny maso izay mampiasa ireo saripika sy ireo fanaingoana mba hanamafisana ny fahitàna ny fiteny zapôteky hatrany amin'ny fahazazàna

Ao anatin'ity famoahana ity, mahafaly anay ny manolotra ho anareo ny antsafa iray niarahana tamin'i Adrián López Angulo, iray amin'ireo mpandrindra ny media ao amin'ny Colmena, ao amin'ity vovonana media manana loharano misokatra ity izay teraka ho setrin'ny krizy roa nateraky ny COVID-19 sy ny fandisoana vaovao → Colmena: sehatra media manana loharano misokatra, mampifandray ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy ireo indizeny

Mandra-piandry izany, manana tantara enina hafa ho anao izahay momba ny Digital Security + Language , izay manasongadina tsirairay avy ny fomba fijerin'ny mpikatroka iray ho an'ny fiteny — misesy avy amin'ny fiteny  Angika, Gîkûyû, isiZulu, Sesotho, Torwali, sy Twi — momba ny fiarovana nomerika ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo.

FAMATSIAMBOLA

Ho an'ireo manokan-tena hanao fanadihadiana momba ny tontolo iainana: tian'ny Earth Journalism Network ny hanohana ny asanao amin'ny fanosehana ny fahatongavantsain'ny vahoaka momba ireo olan'ny tontolo iainana sy ny fanapariahana ireo feo atao an-jorom-bàla eny anaty media manerana ny faritra Azia sy Pasifika. Afaka jerena ato ny antsipirihany misimisy kokoa momba ny famatsiambolany 2023 ho an'ny media Azia-Pasifika. Fara-fisoratana : 31 Janoary 2023 @ 11:59 alina (UTC -1)

Ho an'ireo miasa amina tetikasa fanadihadiana, miaraka amin'ny Nerlandey iray mpiara-mamokatra vitsy an'isa: Mety ho voafidy ianao hahazo ny tosika iray avy amin'ny fandaharan'asa “NFF + IBF” fiarahana mamokatra. Raha mila antsipirihany fanampiny, azafady, tsidiho ny tranonkalan-dry zareo. Fara-fisoratana: 20 Febroary 2023

Etsy ankilany, ho an'ny asan-dry zareo, ireo mpamokatra miasa tena ka liana amin'ny fitrandrahana “ny fifamatorana akaiky misy amin'ny siansa sy ny kolontsaina” amin'ny alàlan'ireo tetikasa horonantsary fanadihadiana maharitra minitra maro,  dia mety hahita tohana sarobidy ao anatin'ny Sandbox Fund. Afaka jerena ato ny antsipirihany misimisy kokoa momba ity fahafahana mahazo famatsiambola ity. Fara-fisoratana: 3 Aprily 2023

Fampahatsiahivana ho an'ireo mpitantara angano sy mpamokatra sarimihetsika miompana amin'ny rariny sôsialy: ny JustFilms an'ny Orina Ford dia misokatra mandavan-taona ho an'ireo mangataka fanazavàna. Na aiza na aiza ianao eto amin'izao tontolo izao, ho an'ireo tetikasa fanadihadianao dia mety ho ilainao ny mahafantatra bebe kokoa momba ity soa fanararaotra hahazoana famatsiambola ity.

Hetsika iray hafa ho famatsiambola ary manaiky ireo firotsahana mitohy mihodina foana ny Howard G. Buffett Fund for Women Journalists (famatsiambola natao ho an'ireo vehivavy mpanao gazety). Na ataony ho laharam-pahamehana aza ny fanaovana tatitra mahakasika ireo tetikasa momba ireo “tantara tsy dia misy mpilaza nefa manana ny lanjany erantany,” tsy misy fetra ny endrika sy karazana fitaovana media ampiasaina. Azo heverina ihany koa ny famatsiambola ho an'ireo famokarana matihanina ( ato  ny antsipirihany).

VALISOA

Mandritra izany, ny Loka UNESCO ho an'ny TIC amin'ny sehatry ny Fanabeazana dia miantso fisoratana anarana. Ny lohahevitra ho an'ity andiany ity dia momba “ny fampiasàna ireo sehatra natao ho an'ny daholobe mba hiantohana ny fampiatiana amin'ny fidirana amin'ireo votoaty nomerika natao ho fanabeazana,” indrindra indrindra fa ho an'ireo vondrom-piarahamonina izay tena natao an-jorom-bàla. Afaka jerena ato ny antsipirihany misimisy kokoa momba azy ity. Fanendrena farany: 23 Janoary  2023 @ sasakalina (CET)

Misaokatra ihany koa izao ny fisoratana anarana amin'ny Loka Pizzigati ho an'ireo Rindrambaiko ho an'ny Tombontsoan'ny Daholobe. Raha toa anananao ny aingampanahy toy ny an'itpkl Antonio “Tony” Pizzigati amin'ny fanolorana izay tsara avy aminao hiarahana mametraka tontolo iray tsara kokoa, maninona no tsy avela izy ireo hanohana anao misimisy kokoa amin'io fandavantena iraisana io? Afaka jerena ato ny antsipirihany amin'ilay Loka. Fara-fisoratana: 22 Febroary 2023

HAMAKY, HIJERY ARY HIHAINO MISIMISY KOKOA

 

Misorata handray ny Taratasim-baovaon'ny Rising Voices

 

 

Isaorana i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisana anjara tato anatin'ity taratasim-baovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.