Jamaikana maro no mitebiteby. Ireto no antony

Polisin'ny Jamaica Constabulary Force (JCF) manao fisavana amin'ny fifamoivoizana ao Runaway Bay Jamaika. Saripika avy amin'i Rab Lawrence ao amin'ny Flickr, CC BY 2.0.

Navoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'i Petchary ity lahatsoratra ity, ary naverina navoaka eto rehefa nahazoana alalana avy amin'ny mpanoratra.

Mahasadaikatra ihany ny hanoratana azy ity, satria resaka fomba fiainantsika; ny fomba itantanan'ny Jamaikana ny fiainany andavanandro eto amin'ity nosy mahafinaritra ity.

Sioka iray tsikaritra no nilaza fa na dia efa lasa tokoa aza ny COVID-19 (tsy mbola nahazo fanavaozam-baovao mifandraika amin'ny valan'aretina avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny Fanasoavana izahay hatramin'ny 30 septambra); na dia nihatsara aza ny tarehimarika tsy fananan'asa, indrindra ho an'ny vehivavy, ary na dia nisonga aza ny toebola sy ny asam-pihariana mbamin'ny fahatokisana, dia misy rivo-piainana matroka sy mavesatra ao amin'ny firenena.

Moa ve tsy tokony hahatsiaro ho tsara (hiabo) sy ho faly isika rehetra ? Eny, saingy misy ny aloka: ny rivotry ny asan-jiolahy sy ny herisetra. Voasolitika ny fahatsapam-piarovana sy filaminana fototra ao amintsika. Tsy mahatsiaro ho voaro isika rehefa eny ankalamanjàna, eny fa na dia ao an-trano koa aza indraindray.

Fanontaniana tsotra iray nalefan'ny mpikirakira Twitter iray:

It’s hard to realise the impact crime has on your life in Jamaica until you leave. What are some things that put you on high alert here that wouldn’t make sense in other countries?

Sarotra ny mahatsapa ny fiantraikan'ny asan-jiolahy eo amin'ny fiainanao eto Jamaika mandra-pandaonao. Inona avy ireo zavatra mahamailo anao eto nefa tsy misy dikany any amin'ny firenen-kafa?

Nahazo valiny be dia be izy. Rehefa nijery azy ireo aho dia nanamarika ireto toe-javatra andavanandro manaraka ireto izay mampitebiteby antsika rehefa mivoaka ankalamanjana, sy ireo zavatra sasany ataontsika mba hahatonga ny tenantsika hahazo antoka kokoa:

  • Mandao ny banky.
  • Misintona vola amin'ny milina famoaham-bola na mandehandeha mitondra vola.
  • Mijery olon-tsy fantatra amin'ahiahy mandehandeha eny an-dalana.
  • Saika amin'ny toe-javatra rehetra, mijery ambadiky ny sorokao, na atodika varavarana ny lamosinao (na any an-trano aza).
  • Môtô. Môtô mpiremby. Yeng yengs.” Ahoana no ahafantaranao raha tena mpanatitra entana ireo? Maro amin'izy ireo no manao saron-tava sy fiarovan-doha tsy hahitanao ny tarehiny. Môtô manana mpandeha iray tapitrisa. Feon'ny môtô na aiza na aiza aleha manodidina.
  • Manatona jiro menan'ny fifamoivoizana amin'ny alina — na amin'ny fotoana rehetra mandritra ny andro — efa hitako aho mijery retroviseur fandrao misy olona mandadilady (hamely) anay.
  • Fanelingelenana ataon'ny mpamafa fitaratra miandry isaky ny fihaonan-dalana.
  • Miara-mandeha lalana iray.
  • Mitondra fiara manidy fitaratra
  • Fiara manaraka anao ela loatra, indrindra rehefa hody ianao.
  • Miandry ny fisokafan'ny vavahadinao rehefa tonga any an-trano amin'ny hariva ianao.
  • Manidy lakile ny varavarana alohan'ny hatoriana (na mandritra ny andro koa aza).
  • Mivoaka alina (na misoroka izany raha mbola azo atao).
  • Mifoha amin'ny alina mba hahazoana antoka fa mihidy ny varavarana na ny vavahady.
  • Mandeha (irery) an-dalambe, indrindra raha vehivavy ianao na zokiolona.
  • Miandry olona na “miresaka ny ataonao” imasom-bahoaka.
  • Tsy mitondra ny findainao amin'ny fotoana sy toerana rehetra ahatsapanao tokony hanaovana izany. Lasibatra ianao!
  • Mandeha sady manisy écouteur amin'ny sofina.
  • Mitondra firavaka.
  • Miakanjo tsara.
  • Mamihina mafy ny kitaponao (manao izany aho).
  • Monina irery, na irery ao an-trano.
  • Manafatra sakafo avy amin'ny serivisy fanaterana.
  • Mitondra fonosana avy amin'ny toeram-piasana.
  • Mandeha any amin'ny toeram-pivarotana lehibe.
  • Mi-parking mba hahafahanao mivoaka haingana.
  • Manontany lalan-kaleha.
  • Olona hafa manontany lalana anao.
  • Miandry na mampiasa fitateram-bahoaka.
  • Miresaka am-pinday anaty fitateram-bahoaka. Tsy miantso olona aho raha mihevitra fa mety handray fitateram-bahoaka.
  • Mandray taxi amin'ny alimbe.
  • Taxi amin’ny ankapobeny, indrindra efa misy lehilahy mpandeha iray ao.
  • Mitondra fiara avy any amin'ny seranam-piaramanidina.
  • Vahoaka.
  • Ny olona, ​​indrindra fa ny lehilahy, mandeha akaiky na manatona anao.
  • Polisy sy miaramila (tsy tokony hahatonga anao ho voaro kokoa ve izy ireo?)
  • Lalana tsy misy mpandeha.
  • Fitabatabana mafy, ary manontany tena raha mety ho poa-basy na afomanga izany ireny (zava-mampanahy mahazatra eto amin'ny manodidina anay izany).

Ampy ho anao ve io lisitra io? Lazaiko am-pahatsorana fa miaina ny 90 isanjaton’ireo voalaza etsy ambony ireo izahay mivady. Mahatsapa izany tebiteby izany izahay, matetika. Ao amin'ny Twitter, mahatsapa ho mihamarefo kokoa, indrindra rehefa irery izy ireo ny ankamaroan'ny vehivavy — na dia tsy izy rehetra aza —.

Araka ny efa lazain-dry zareo, “Izay mahatsapa izany no mahafantatra.” Izany no fiainanay – ary tsy ao Kingston ihany, raha ny marina. Matahotra kirihitra koa ny olona, sy ny hazo, ary izay mety hiafina ao ambadik'ireny. Sy olon-tsy fantatra, indrindra raha lehilahy izy ireo, sy ny lala-mangina.

Mety misy ambaratongam-piahiahiana ao — ary mety ho tafahoatra mihitsy aza —, ary maro aza no milaza fa mihatra tsara amin'ny tanàna sy tanàndehibe hafa any ampitan-dranomasina ireo fanahiana ireo. Tsaroako fa nomena vakiteny lava momba ny filaminana tao Rio de Janeiro aho taona maro lasa izay, ary nambenan'ny Breziliana iray tamim-panahiana aho rehefa nivoaka nankany amin'ny tsenan'ny alina, ka misy ifandraisany daholo izany.

Fiainantsika andavanandro anefa izany. Mivonkombokona isika. Mibonoka mafy ao amin'ny tenantsika isika. Eo am-pitadiavana isika, sao sanatria. Ny zavatra nahazatra antsika taloha tsy (ho) ataontsika intsony.

Inona àry no hatao?

Ao anaty ezaky ny fitondram-panjakana ho hita fa manao zavatra dia nampiditra famotsoran-keloka amin’ny basy izy ny 5-19 novambra ho avy izao. Antenaina izany handrisika ireo manana basy sy bala tsy ara-dalàna na tsy voasoratra mba hanolotra ny fitaovam-piadiany tsy misy fanahiana hotsaraina amin'izany — saingy ny fotoana ihany no hilaza raha mety hampisy fiovana amin'ny asan-jiolahy mahery vaika izany. Mihalalina kokoa ny olana, ary mila vahana hatrany amin'ny vahatra izany.

Aiza no hanombohana? Araka ny nolazain'ny raiko hoe: “Valiny amin'ny carte postale azafady…”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.