Mijaly i Goadelopa taorian'ny fandalovan'ny Rivodoza tropikaly Fiona

Sary amin'ny singa Canva nandoavam-bola.

Tamin'ny 16 Septambra, nitodika tany amin'ireo nosy mpisedra rivotra avaratr'i Karaiba, miaraka amin'ny faritanin'i Guadeloupe lafintanin'i Frantsa mivantana ny Rivo-doza tropikaly Fiona, vokatry ny vanim-potoanan'ny rivo-doza transatlantika taona 2022. Nihatra ho an’ny ankamaroan’ny ao amin'ny faritra amin’io vondronosy io ny fampitandremana sy ny fahamailoana miatrika ny tafio-drivotra tropikaly , manomboka any Dominika amin’ny faritra atsimo indrindra ka hatrany amin’ny Repoblika Dominikanina any avaratra.

Tratran'i Fiona nanomboka ny alin'ny 16 septambra ireto mpisedra rivotra ireto:

#TSFiona efa miantraika amin'i #Guadeloupe sy ireo nosy rahavavy

Vinavinaina handalovany ka hahatsapa ny vokatr'izany amin'ny 18 Septambra ny Repoblika Dominikanina. Hatreto, dia mitazona ny herin'ny tafiotra ho 85 km isan'ora izy.

Rehefa nanakaiky an'i Guadeloupe ny mason'i Fiona, dia niaina rotsak'orana mafy sy fahasimbana vokatry ny tondra-drano ny nosy. Mpikirakira media sosialy maro no naneho ny hatairany tamin'ny hamaroan'ny fahasimbana, anisan'izany ny fananana sy ny lalana. Vaky ihany koa ny reniranon'i Goyave ary nofaohin'ny rano mahery ny tetezana:

Tohina aho… nisy tetezana teo… ny fahazazako, ny fiainako rehetra, ny fiainako andavanandro rehetra… manonofy mihitsy aho  e![…] TSY VIDEO-KO IO

Manimba ny lalan'i Guadeloupe ny orana betsaka #Guadeloupe #Fiona

Mpisera Twitter iray no nilaza momba ny zavatra niainany:

Efa adiny iray sy sasany izay no tsy nahitako tory intsony. Mahery vaika tokoa ny rivotra. Masiaka i #Fiona. #Goadeloupe

Manamafy ny filazana ity lahatsary ity; tahaka ny nofiratsy izao ho an'ny Guadelopeana maro:

Fariparitana ho “mafonja ‘(massive)” ny fahasimbana mihatra amin'ny fotodrafitrasan'ny nosy:

Fahasimbana mafonja avy amin'ny rivodoza trôpikaly Fiona ao Goadelopa. Antenaina mba tsy hisy haninona ny rehetra.

Farafahakeliny iray no namoy ny ainy vokatry ny rivo-doza, ary nisy olona hafa tsy hita popoka.

Niakatra ny habetsaky ny rotsak'orana, manomboka eo anelanelan'ny 40 sy 100 mm isan'ora any atsimo-andrefan'ny nosy, ary vinavinaina hiakatra ho 150-250 mm.

Noho ny maha faritany frantsay ampitan-dranomasina an'i  Guadeloupe, mpikirakira Twitter iray farafahakeliny no naneho fahasorenana noho ny tsy fahombiazan'ny fampahalalam-baovao Frantsay nanome ny zava-misy tahaka ny tamin'ny fahafatesan'ny Mpanjakavavy Elizabeth II:

Raha tsy izany dia fantatsika fa tsy dia zava-dehibe loatra noho ny fahafatesan’ny mpanjaka iray izany, fa ireo mpiray tanindrazana izay voafelaka mafy amin’izao fotoana izao, tsy misy idiranareo ve izany ry media frantsay?

Nandritra izany fotoana izany, Gerald Darmanin, Minisitry ny Atitany ao Frantsa, nisioka hoe:

Thank you to all the staff, firefighters, state agents, mobilized in #Guadeloupe in difficult conditions. Significant resources are deployed. #Fiona Mankasitraka ny mpiasa rehetra, ny mpamonjy voina, ny mpiasam-panjakana, niasa tao #Guadeloupe tao anatin'ny toe-javatra sarotra. Fitaovana lehibe maro no nampiasaina. #Fiona

Mpisera Twitter iray, talanjona tamin'ny haavon'ny faharavana niainan'ny nosy, nilaza tsotra hoe:

Voadaroka baomba i #guadeloupe omaly alina #fiona #rivotra

Raha mbola manohy ny lalany i Fiona, dia nasehon'i Lizz Eckel, mponina ao Anguilla — tamin'ny hafatra WhatsApp — ny tsapan'ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ny faritra:

We were super-lucky it moved south […] So saddened for Guadeloupe. These systems r brutal.

Tsara vintana izahay fa nifindra nianatsimo ny lalany […] Tena nalahelo an'i Guadeloupe. Mahery setra ireny [zavatra] ireny.

Mitoetra ho lohalaharana amin'ny krizin'ny toetr'andro ny Nosy kely an-dalam-pandrosoana toa an'i Karaiba, na dia mihamahery vaika aza ny tafio-drivotra isan-taona ary toa tsy azo tanterahina ny ezaka [hitazonana] ny fiakaran'ny maripana tsy hihoatra ny 1,5 degre Celsius.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.