Manome soa fanararaotra tsy manam-paharoa sy tsy fahita firy ny Tranombakoka Karnavaly ao Trinite syTobago

Sary noforonina avy tamin'ny singa Canva andoavam-bola sy sarin'ny Blue Devil nataon'i Walt Lovelace, nampiasaina nahazoana alalana.

Fony mbola zaza aho, izany hoe efa taona vitsy lasa izany ankehitriny, nanomboka tamin'ny fomba mahagaga foana ny taona vaovao tsirairay. Naharitra roa volana teo ho eo ilay fahagagana rehefa nolalovako ny fizotry ny fifaninanana Karnavalin'ny Ankizy tao Trinite sy Tobago, saingy raha vao tonga ny Alarobian'ny Lavenona, dia nilaozana avokoa ny zavatra rehetra mahakasika ny karnavaly raha vao voapetraka ny fifadian-kanina amin'ny Karemy. Nanjary voarara noho izany ny milalao kalipsô amin'ireo onjam-peo, tsy hisy famantarana intsony eny an'arabe hoe efa nisy ny fety ary nariana ireo fanamiana. Vita ny karnavaly, araka ny teny tsy mety maty an'i Lord Kitchener.

Any amin'ny fotony, hitanareo, tsotra ny karnavaly. Misy fombafomba, tena miorim-paka lalina amin'ireo razambenay ary natsatoka lalina ho an'ny tolona ho amin'ny fahalalahana, izay natomboky ny J'Ouvert (ara-bakiteny, “ny fanokafan'ny andro”), izay anosoran'ireo mpandray anjara fotaka amin'ny tenany, na tanimanga, na loko, na menaka fanosotra, mba hanafahana ny tenany amin'izay mangeja azy sy hanomezany voninahitra ireo izay niady mafy mba hahazoanay io fahalalahana maneho hevitra feno haravoana io. Ity fanokafana ity dia manafaka ilay tompo mpanao fahagagan'ny Karnavaly (génie) avy ao anatin'ny tavoahanginy, raha izay no hilazana azy, ary rehefa tonga ny Karnavaly ny Talata hariva sy ny fiafaran'ny dingana Farany, tsy maintsy mikatona ihany koa ny Karnavaly, izay marihan'ny fanariana ireo fanamiana sy ny fanidiana ny bacchanale… mandra-pahatongan'ny taona manaraka.

Raha itodihana izany ankehitriny, rehefa ara-barotra kokoa fa tsy famoronana no be amin'ilay fetibe, rehefa afaka manana J'Ouvert amin'ny volana Jona na Karnivaly amin'ny Jolay, dia ankasitrahako tokoa tokoa ny lanjan'io fanokafana sy famaranana io. Misy fotoana sy toerana hanaovana ny Karnavaly satria sarobidy izy io – ny fisainana mialoha, arahan'ny fanehoankevitra, avy eo ny faniriana. Ny fanombohana, ny ao anatiny, ny fiafarany. Tsy misy afa-tsy fety ny ambiny, Fetin'ny mahantra. Mety hahafinaritra izany, fa koa somary fisaka, satria tsy tena izy.

Amin'ny naha-zaza ahy, ny fanipazana fanamiana isantaona dia sahala amin'ny fanesorana tampoka amiko ny namako akaiky. Saingy isantaona, tadidiko foana izany, dia nisy famelan-keloka kely. Endrika habaka no nisehoany, tao anatin'ny efitrano iray fandraisana lehibe an'ny hotely voalaza fa tena raitra sy tsara tarehy indrindra teto amin'ny firenena tamin'izany fotoana izany, izay ampirantiana ireo fanamiana naharesy lahatra indrindra isaky ny vanim-potoana, arahan'ireo marika famantarana ny tranombakoka voatefy tsara manome amin'ny antsipirihany ny anaran'ny fisehoana tsirairay, ny mpamorona, ireo mpamorona sarontava ary ireo anaram-boninahitra mety ho azony tamin'izay taona izay.

Nisy zavatra nitovy tamin'izany koa nataon'ireo toerana hafa, mazava ho azy, ao anatin'izany ny seranam-piaramanidina sy – tena vao haingana mihitsy – ny Rovan'i Killarney, ary misy fampisehoana maharitra (na dia tsotra aza) an'ny Karnavaly ao amin'ny Tranombakoka Nasiônaly, saingy lasa hetsika fanao isantaona ny fampirantiana ao amin'ny Hilton Trinidad. Nivezivezy eny an-dalantsara ireo mpitsidika sy mponina eo an-toerana an-dalana ho any amin'ny efitranon'izy ireo, ho any amin'ny trano fisotroana, na ilay odiambavafo rehefa Alahady. Natao izy io ho an'ireo olona mety tsy mba hanam-bintana mihitsy hahita akaiky ny kanto – satria amin'ny tsarany indrindra dia tena zava-kanto izy io – mba hankafizany ny asa voakaly, ho gaga amin'ny fomba ananan'ireny zavatra tsy manana aina ireny ny hery hanova ho lasa zavatra hafa tanteraka mihitsy, eo ambany fisarihan'ny soca sy ny fihetsehan'ny mpanao saron-tava.

Ary, indrisy fa tsy fahalavorariany ihany koa izany. Velona i Mas, ary mampalahelo, tsy mba toy izany ireo fàfana. Nanampy ahy izany mba hahatakarana ny antony tsy maintsy anaovako veloma isantaona ny akanjoko  – avy amin'ny fahafatesana, mankamina loharanom-piainana vaovao – saingy ny fomba fanaon'ny Hilton koa dia nampahafantatra ahy ny maha-zava-dehibe ny fitandremana sy ny fandraisana an-tsoratra. Izay novokarin'ireo mpamorona ny Karnavaly, tany anatin'ny sehatra isan-karazany, dia zava-dehibe, tahaka ireo singa madinika amin'ny piozila iray, izay rehefa atambatra dia mampahatsiahy antsika hoe iza marina moa isika, ary ny zavatra mahagaga dia satria izy nivoatra hatrany. Isaky ny taona mifandimby, tsy anananao hevitra mihitsy ny mikasika izay ho sary farany.

Tsaroako ny faniriako fony fahazazako ny mba hanana kianja natokana hampirimana ireo harena rehetra ireo, angamba akanjo manandanja vitsivitsy izay tena nandona lalina anay ary nanova ny fomba fahitanay ny tenanay, fanavaozana ara-mozika izay nametraka anay ho hita anaty sarintany, kalipsô iray tena manan-danja sy fanehoankevitra nahay nitantara ny tantaran'ny tanindrazanay. Fa mba marina e, ho toy ny ahoana ny endriny sy feony ary ny fahatsapana izany ?

Misy olona mieritreritra an'izany, ary efa nanome anarana azy sahady (ny tranombakoky ny Karnavaly Trinite sy Tobago) sy trano iray (ilay tranobe tranainy an'i Penny Bank, harena iray, fananana voatahiry ao amin'ny Charlotte Street ao afovoan-tanànan'i Seranan'i Espaina). Herinandro vitsivitsy lasa izay, nisy lahatsoratra tao anatin'ireo gazety teo an-toerana nilaza fa “nanokatra ny varavarany” ilay tranombakoka, saingy rehefa nojereko ireo sary niaraka tamin'izany dia mbola nihiakiaka foana hoe “tranobe birao” ilay habaka, miaraka amin'ireo valindrihana misy daty. Sary iray mainty sy fotsy misy ny sehatra Karnavaly tamin'ny taona 1920 no nihantona teo amin'ny lambam-baravarana roa, raha toa sary hafa marobe miraikitra no toa narafitra teo ambony solaitrabe. Andiana akanjona Karnavaly izay misy hafatra toa tsy misy dikany, na koa teknika aza, no mihantona malozolozo eo amin'ireo hazobe marindrano, ary ny Minisitry ny Fizahantany, ny Kolontsaina sy ny Zava-kanto, Radall Mitchell no azo sary tery amin'ny lalantsara eo ampikitihana ny akanjo borgondy (burgundy) marevaka izay an'i Kitchener taloha. Sahala amin'ny tsy mitovy amin'ireo sary “tranombakoka velona” nampanantenain‘ilay tranonkala.

Raha ny fahafantarana azy, amin'izao endriny ankehitriny izao, dia in-telo isan-kerinandro no misokatra ho an'ny daholobe ny tranombakoka, ary maharitra ora vitsy. Ambonin'izay koa, manana tabilao ho an'ny Fanampiana ilay tranonkala, izay manazava fa : “Ho an'ny nofinofy goavana, mila  loharanombola izahay mba hanomezana aina ny tranombakoka. 25 tapitrisa TTD no tanjona (na 3 676 471 USD), atokana ho an'ireo fampirantiana sy ireo fanangonana, ho an'ny fitehirizana sy fanamboarana, ho an'ny Tempolin'ny laza, ho an'ny fikarohana sy fanabeazana. Araka izany, heveriko fa ny fanombohana azy, izay nahitana fihetsehampo lehibe avy amin'ny maro, dia porofon'ny fotokevitra feno haranitan-tsaina hikendrena hisarihana fandraisana anjara – avy amin'ny vahoaka, satria tsy misy fihambahambana fa hitambatambatra ireo fanampiana kely avy amin'ny mpankafy karnavaly – fa ny minisiteran'ny Kolontsaina koa, rantsa-mangaika tsara toerana mba hanampy ara-bola azy.

Raha vita tsara, ity tranombakoky ny karnavaly ity no mety ho iray amin'ireo tena fianaran-javatra maneran-tany , araka ny voalazan'ny tranonkala, tokony  ho “mavitrika, manentanentana, mampifanerasera sy misy famoronana kokoa noho ilay fetibe”. Raha izany no izy, dia tokony ho sehatra miovaova, tratra taorian'ny nananana fotoana sy fahafahana naka saina, nametrahana fanontaniana sy nakana sary an-tsaina, nanadihadiana ary ho tena mampiaty tokoa raha vao fisarihana olona no resahana – no hevi-dalina ijoroan'ny fetibe.

Vahoaka tia mahatsiaro izahay ary mahay manorina eo ambonin'ireny fahatsiarovana ireny. Avy amin'ny pan mankamin'ny J'Ouvert, avy amin'ny mas nentin-drazana hatramin'ny Talatan'ny Karnavaly, iainanay indray ireo traikefanay teo amin'ny karnavaly, amin'ny tantara, an-kira sy eny amin'ireo tambajotra sosialy satria ao amin'ny atiny lalina dia resaka fifandraisana ny karnavaly – amin'ny namana, amin'ny olon-tsy fantatra ary na dia ny razana aza, miaraka amin'ny zavatra mampitahotra sy ara-panahy, fifandraisana amin'ny tenanay ihany, ary miaraka amina fahafahana tsy manam-petra.

Afaka aforitra sy tefena ve ity famoronana sarotra faritana ity, na mbola sarotra fehezina kokoa aza, toy ny hoe eo an-tanàn'ny mpamoritra tariby mahay, mba handaminana indray ireo endrika  tranombakoka nentim-paharazana ? Mino aho fa azo atao izany rehefa tonga eo amin'ny tena atin'ilay zavatra isika, ary handrafitra ity habaka tranombakoka ity eo ambony zavatra azo tsapain-tanana. Tsy tokony ho magazain'ny zava-baovao izy io, tokambolo na nohalefahana, maniry hanatontosa izay andrasana aminy. Tokony ho anay io, napetraka niaraka tamin'ny fikarakarana sy ny fanajana takian'izany, izay mendrika ny karnavaly, mandritra ny taona.

Ity finiavana mendri-piderana ity no ezaka tena niraisana indrindra izay nataonay hatramin'izao mba hanomezam-boninahitra sy hitahirizana an'ity fetibe tsy hay faritana ity. Ny hamaritra ny fomba tsara indrindra hanatanterahana azy no anisan'ny ampahany sarotra, mandreraka, mahafa-po sy mahafinaritra, izay manome fahafahana anay handalina lalina kokoa, handinika ny fomba handraisanay anjara amin'ilay Fetibe, hisainana ny  hoe iza no hiantefan'ny fetibe ary amin'ny fomba ahoana, hanontaniana hoe aiza no mety hanaovana azy, ary hamaritana hoe ahoana no haha-mpitantana tsara amin'ny ho avy.

Ny famatsiana vola azy io no tokony ho ampahany tsotra indrindra, ny mibaribary sy miharihary indrindra. Ary mazava ho azy, tsy maintsy asiana vola atokana ho fanatanterahana azy, ary atao tsara; tokony ho eo ny fanampian'ny fanjakàna sy ireo orinasa, ary raha tsy misy izany, tsara ny mahafantatra hoe hatraiza ny fanolorantenany. Aleo mba ho amin'ny maha-firenena no hanaovantsika izany. Hamoraina ny fandraisana anjaran'ny olompirenena sy ireo mahafehy ny taranja amin'ny endriny rehetran'ny karnavaly, izay ny ankamaroany no miasa mangina any ambadiky ny efitrano any ho any, manamboatra amin'ny fikaliana fatratra ireo fanamiana atao tànana, manoratra tononkira, mampifandrindra ireo kaserôly na manatsara ny fanehoana ireo mpisehatra ho lalaoviny. Ampidiro ao daholo izy ireny. Henoy ny fahendrena avy aminy. Rehefa mandray olona ianareo, manome izay avy aminy izy ireny ary dia ho hitan'ny tranombakoka fa tratrany, na mety nihoarany mihitsy aza, tao anaty fotoana faran'izay haingana ny tanjona napetrany ho amin'ny famatsiambola.

Isika rehetra samy mahafantatra hoe mitovy amin'ny inona ny tantara antsika manokana ao amin'io piozilan'ny tranombakoky ny Karnavaly io. Fantatsika izany noho ny fitiavantsika ilay fetibe, ary ny fitiavana dia midika zavatra ao anatin'ity tontolo mafy fo ity; raha ny marina io ihany no zavatra hany mandeha. Atambaro io fitiavana io ary dia hampibaribary amin'ny farany ny toedraharaha amin'ny ankapobeny. Ho ahy, tsy andriko ny hahitàna azy io

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.