Tao anaty famakisana ny firaisankinam-paritra, nandao ny Forum Nosy Pasifika i Kiribati

Leaders of the Pacific Islands Forum (PIF) during their meeting in Suva, Fiji.

Ireo mpitarika ny Forum Nosy Pasifika (PIF) nandritra ny fihaonany tany Suva, Fidji. Loharano: pejy Facebook an'ny PIF

Vaky nitresaka ny fiaraha-miasan'ny faritra, niala tamin'ny Pacific Islands Forum na Fihaonamben'ny Nosy Pasifika (PIF) i Kiribati, firenena nosy manana mponina 120.000 eo ho eo ho fanoherana ny tsy fahombiazan'ny vondrona hamaha ny olan'ireo firenena Mikroneziana. Tafiditra ao anatin’izany tsy fahombiazana izany ny tsy fanajana ny fifanarahana teo aloha fa tokony ho avy amin’ny Fanjakana Federaly any Mikronezia, vondronosy ahitana nosy 607 ny mpitarika manaraka ao amin'ny vondrona.

Nanambara  izany fanapahan-kevitra izany ny Filohan'i Kiribati, Taneti Maamau, tamin'ny taratasy iray ho an'ny PIF tamin'ny 9 Jolay, talohan'ny fivorian'ny PIF ny 11–14 Jolay tany Suva, Fiji.

Ny PIF dia fikambanana natsangana tamin'ny taona 1971 ahitana firenena 18  ary nampiasaina ho fikambanana eo amin'ny samy governemanta mampiroborobo ny fiarahamiasa eo amin'ireo firenena ao Oseania.

Notontosaina ny fihaonana amin'ny maha-vondron-kerin'i Pasifka mifaninana ho amin'ny ivom-panintonana ara-jeopolitika ao amin'ny faritra azy. Ara-pifanarahana, nanangana fifandraisana matanjaka ifanaovan'ny firenena roa tonta i Etazonia amin'ny fifanarahana Compact of Free Association ifanaovany amin'i Palau, ny Nosy Marshall ary ny Micronesia.

Na izany aza, tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, nampidirin'i Shina ho ao anatin'ny Belt and Road Initiative ny faritr'i Pasifika ary nanangana fisiana matanjaka kokoa tamin'ny alàlan'ny fitsidihan'olona ambony, araka ny hita tamin'ny fitsidiham-paritra naharitra 10 andro nataon'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Wang Yi. Niteraka fanehoan-kevitra mahery vaika ny fifanarahana ara-piarovana vao haingana nifanaovana tamin'ny Nosy Solomon noho ny mety ho fiatraikany eo amin'ny filaminana ara-paritra. Misy ny ahiahy any Aostralia sy Etazonia fa mety hitarika amin'ny fananganana toby miaramila Shinoa any amin'ny Nosy Solomon ny fifanarahana, na dia nolavin'i Beijing aza izany.

Ho setrin'ny firotsahana ara-diplaomatika bebe kokoa amin'i Shina, nanao fitsidihana telo farafahakeliny tany amin'ny faritra Pasifika ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Aostraliana Penny Wong taorian'ny nandraisan'ny governemanta vaovao ny fahefana tamin'ny volana Mey. Amin'ny lafiny iray, nanambara ny fisantarana andraikitra “Partners in the Blue Pacific (Mpiara-miombon'antoka ao amin'ny Pasifika Manga)” i Etazonia, izay manondro ny fahavononany hanamafy ny tenany ho fahefana lehibe manjaka ao amin'ny faritra.

Tao anatin'ny fitomboan'ny fihenjanana ara-diplaomatika, nandrahona ny handao ny vondrona PIF noho ny tsy nifidianana ny kandidany, ankoatra ireo ahiahy hafa, ireo mpikambana maro avy any Mikronezia tamin'ny taona 2021.

Taorian'ny fifanakalozan-dresaka maro, dia tonga tamin'ny marimaritra iraisana ireo tompon'andraikitra ao amin'ny PIF fa hifandimby hitarika ao amin'ny faritra Pasifika ny fileovana telo dia i Melanezia, Polynezia ary Micronesia.

Nilaza i Kiribati fa tsy nanontaniana momba ity fifanarahana vaovao ity izy. Manazava ny antony nialan'i Kiribati tamin'ny vondrona ny taratasin'i Maamau ho an'ny PIF :

For Kiribati, this is a matter of principle and one that touches on the need for equity, equality and the inclusiveness of all members in the architecture of our premier regional institution. We believe that these are the very same principles that underpins our collective efforts to promote, uphold and strengthen Pacific regionalism.

Ho an'i Kiribati, resaka foto-kevitra io ary iray mahakasika filàna ho an'ny hitsiny, ny fitoviana sy ny fampidirana ny mpikambana rehetra ho ao amin'ny vataben'ny rafitra ara-pileovan'ny andrim-paritra voalohany eto amintsika. Mino izahay fa ireo ihany no tena foto-kevitra izay manohana ny ezaka itambaranay hampiroboroboana, hanandratana ary hanamafisana ny reziônalisma Pasifika.

Nampian'i Maamau fa tsy natao hanafintohina na iza na iza ny fialàna:

It is meant to be a reminder to us all that our solidarity and unity as a region is dependent on how we treat each other with profound respect and understanding as we work through the challenges that we face as a region.

Natao ho fampahatsiahivana antsika rehetra izany fa miankina amin’ny fomba fifanajantsika sy ny fifankahazoantsika lalina ny firaisankinantsika sy ny fiombonantsika amin’ny maha faritra antsika rehefa miasa manoloana ireo fanamby atrehintsika amin’ny maha faritra isika.

Nanaiky tamin'alahelo” ny fanapahan-kevitr'i Kiribati ireo mpitarika nandritra ny fivorian'ny PIF satria nanantena izy ireo fa ny fitohizan'ny fifampiresahana no hamaha ireo olana naroson'i Maamau. Tsonga avy amin'ny fampandrenesan'ny forum:

Leaders echoed the sentiments conveyed by the Forum Chair that the people and Government of Kiribati will always be a part of the Blue Pacific Family, and committed to continue to dialogue towards a resolution to restore the unity of the Forum Family.

Nanaovan'ireo mpitarika ako ny fihetseham-po nampitain'ny Filohan'ny Forum fa ho anisan'ny Fianakaviana Pasifika Manga hatrany ny vahoaka sy ny Governemanta Kiribati, ary manolo-tena hanohy ny fifampiresahana mankany amin'ny fanapahan-kevitra hamerenana ny fiombonamben'ny Fianakavian'ny Forum.

Nandritra ny seha-pifanakalozan-kevitra 11–14 jolay, niresaka momba ireo olana lehibe miantraika amin'ny faritra, toy ny krizin'ny toetr'andro sy ny famelomana indray ny toekaren'ny nosy tratry ny areti-mifindra ny PIF.

Nanakiana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hiala amin'ny PIF ilay mpitarika ny mpanohitra, Kiribati Tessie Lambourne

Nilaza i Tessie Lambourne, mpitarika ny mpanohitra ao Kiribati, fa tohina tamin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta hiala tao amin'ny Forum Nosy Pasifika izy.
Nilaza Ramatoa Lambourne fa manahiran-tsaina ny fanapahan-kevitra ary diso fanantenana fa tsy nisy fifampidinihana ara-politika natao mialoha

Nilaza i Lambourne fa miahiahy izy sao misy ifandraisany amin'ny fihariharin'ny fijoroan'i Shina ao amin'ny faritra ilay fanapahan-kevitra. Hoy izy tamin'ny antsafa tamin'ny media:

My assessment is that maybe China wants to isolate us from the rest of the forum, because they don't want us to be part of the region that Australia and New Zealand is part of and have perhaps more influence over than any other.

Ny tombatombanako dia mety te-hanoka-monina antsika amin'ny seha-pifanakalozan-kevitra (forum) i Shina, satria tsy tian'izy ireo isika ho ao anatin'ny faritra misy an'i Aostralia sy Nouvelle Zélande ary mety hanana influence bebe kokoa noho ny hafa.

Te-hanoka-monina antsika i Shina.” Mazava ny tenin'ny mpitarika ny mpanohitra ao Kiribati amin'izay heveriny fa ao ambadiky ny fialan'ny fireneny tsy ho ao amin'ny Forum (Seha-pifanakalozan-kevitry ny) Nosy Pasifika. Nilaza tamiko i Tessie Lambourne fa mino izy fa “mandefitra ny hihemotra governemantany mba hanao ny mety kokoa amin'ny tombontsoan'i Shina.”

Mino ny filohan'i Kiribati teo aloha, Anote Tong fa mety ho “miketrika zavatra” i Shina sy ny governemanta Maamau taorian'ny fisintahan'ny firenena tao amin'ny PIF. Nilaza koa izy tamin'ny resadresaka tamin'ny haino aman-jery fa mety manantena ny “hahazo tombony amin'ny fitokana-monina amin'ny faritra” i Maamau amin'ny alàlan'ny fanaovana fifanarahana mivantana amin'i Shina.

Nanapaka ny fifandraisany tamin'i Taiwan i Kiribati tamin'ny taona 2019 ary namerina ny fifandraisan'ny roa tonta tamin'i Beijing. Nilaza i Taiwan fa nitaona (namitaka) an'i Kiribati i Shina tamin'ny fanomezana fiaramanidina, sambo ary fonosana fanampiana hafa.

Nolavin'ny Masoivoho Shinoa any Kiribati ireo fiampangana:

It’s irresponsible and misleading for certain international media and politicians to make false and unprofessional statement and report which shows disrespect to both Kiribati and China.

China always sticks to the principle of non-interference of internal affairs and promotes win-win cooperation on the basis of mutual respect and equality.

Tsy tompon'andraikitra sy mamitaka ny haino aman-jery iraisampirenena sy ny mpanao politika sasany manao fanambaràna sy tatitra diso sady tsy matihanina izay mampiseho tsy fanajana an'i Kiribati sy i Shina.

Mifikitra hatrany amin’ny foto-kevitry ny tsy fitsabahana amin’ny raharaham-pirenena anatiny i Shina ary mampiroborobo ny fiaraha-miasa samy mahazo tombotsoa amin’ny fifanajana sy ny fitoviana.

Na inona na inona mety hitranga, nanimba ny firaisankinam-paritra tao anatin'ny fifandrafiana eo amin'ireo firenena lehibe sy manankarena ao amin'ny Pasifika ny fisintahan'i Kiribati tao amin'ny PIF.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.