Mankalaza volamena roa tamin'ny fandresena amin'ny atletisma i Trinite & Tobago

Ilay mpihazakazaka Trinbagoniana Jereem Richards taorian'ny nandreseny tamin'ny manasa-dalana 200 m lehilahy tao amin'ny Fiadiana ho tompondaka manerantany tao Londres 2017 (ankavia) sy ilay mpitoraka lefona Keshorn Walcott (R). Saripikan'i Richards avy amin'i ChiralJon ao amin'ny Flickr (CC BY-NC 2.0) sy saripikan'i Walcott avy amin'i Citizen59 ao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0).

Fandresena ara-panatanjahantena roa nifanesy no nankalazain'ny tontolon'ny bilaogy Trinidad sy Tobago. Tamin'ny 18 marsa teo, nametraka mari-pandresena teo amin'ny tontolon'ny fifaninanana 2022 i Keshorn Walcott, mpitoraka lefona, rehefa nandrombaka ny volamena teo amin'ny sokajy lehilahy tao amin'ny Yellow Invitational Jacket tany Atlanta, Georgia, raha nanampy ny anarany tao amin'ny efitranon'ny tompondaka manerantany kosa i Jereem Richards tamin'ny nandrombahany ny medaly volamena teo amin’ny hazakazaka 400 m lehilahy nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka manerantany amin'ny taranja atletisma anaty trano, natao tany Belgrade, Serbia, tamin'ny 19 marsa lasa teo.

Tamin'ny fitorahana hatrany amin'ny 84,68m nahavalalanina, afaka nandavo mora foana ireo mpifanandrina akaiky aminy i Walcott, toa ireo Amerikana Curtis Thompson (76,68m) nahazo ny laharana faharoa, sy Ethan Shalaway (75,06m), izay nahazo ny medaly alimo. Io no fihaonana voalohany nataon'i Walcott taorian'ny nifaninanany tamin'ny lalao olaimpikan'i Tokyo tamin'ny herintaona.

Nandritra izany fotoana izany kosa i Richards, izay laharana fahafito maneran-tany amin’izao fotoana izao, eo amin’ny 200m lehilahy, no nahazo ny medaly volamena voalohany hatramin'izay ho an’i Trinidad sy Tobago teo amin’ny hazakazaka 400m. Nametraka zavabita vaovao 45 segondra ihany koa izy tamin'ny nanamontsanany ny zavabita anaty trano eo amin'ny sehatry ny firenena teo amin'ny 45.03, izay nohazonin'ilay mpihazakazaka Trinbagoniana antsoina hoe Deon Lendore teo aloha, izay maty tamin'ny lozam-piarakodia tany Texas tamin'ny Janoary lasa teo. Nanokana ny fandreseny ho an'ity mpiray ekipa aminy nodimandry ity i Richards.

Nanaraka akaiky taorian'i Richards ilay Amerikana Trevor Bassitt, izay nanamontsana ihany koa ny zavabitany tsara indrindra tamin'ny 45,05 hahazoany ny medaly volafotsy, sy ilay Soedoà Carl Bengtstrom, izay nahazo ny alimo tamin'ny fe-potoana 45,33. Efa nampoizina ihany ny fandresen’i Richards, satria efa nahazo ny medaly volamena ihany koa izy tamin’ny Grand Prix Indoor New Balance tamin’ny Febroary lasa teo tany New York.

Nantsoin‘i Jehue Gordon, mpiray ekipa amin'i Rihcards hoe “iray (voasoratra) am-boky” ny zava-bitan'ny ekipa Trinidad sy Tobago tany Serbia:

Our team was small in number but big in heart. Congrats to the athletes who represented with distinction. Win loose [sic] or draw we are in this together.

Vitsy ny ekipanay fa lehibe am-po. Arahabaina ireo atleta nisolo tena tanaty fiavahana. Mandresy an-kamorana [sic] na manoritra azy miaraka isika.

Tao anatin’izany toe-tsaina izany dia niara-nankalaza tamin’ireo atleta ihany koa ireo mpanohana tao an-tanindrazana. Tao amin'ny Facebook, Iya Ajè Bernard nanoratra hoe:

We must all feel proud!!!.
JEREEM RICHARDS is a World Champion -
First T&T Athlete to win gold in the men's 400M at the World Indoor Championship. He also set a new Championship record of 45 Sec flat.
Congrats JEREEM!!!!

Tokony hahatsapa mirehareha isika rehetra!!!.
JEREEM RICHARDS dia tompondaka eran-tany -
Atleta T&T voalohany nahazo volamena teo amin’ny 400M lehilahy tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany anaty trano. Nametraka zavabita vaovao tamin'ny 45 Sec katroka ihany koa izy.
Arahaba ry JEREEM!!!!

Niaiky ny fandresena ihany koa ireo mpikirakira Twitter:

Trinidadiana voalohany nahazo volamena
🥇🥇🥇 amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin'ny atletisma anaty trano ary nanamontsana ny zavabita tsara indrindra nandritra ny fifaninanana ho tompondaka tamin'ny fe-potoana 45.00 segondra teo amin'ny 400m lehilahy raha tsy lazaina intsony ny fanamontsanana ny zavabita tsara indrindra teo amin'ny sehatra nasionaly🏃🏾‍♂️💪🏾💪🏾💪🏾

Na ny praiminisitra ao amin'ny firenena, Keith Rowley, aza dia nanonona an'i Richards tamin'ny zavatra vitany.

Naneho ny fitiavany an'i Walcott ihany koa ireo mpikirakira media sosialy, izay manana ny fahombiazany maharitra sy tsy miovaova nandritra ny folo taona farany — tamin'ny fanatanjahantena izay tsy maro ny atleta lehilahy mainty hoditra raha ny mahazatra hatramin'izay — fa mitondra rehareha hatrany ho an'ny faritra Karaiba. Efa nahazo ny volamena olaimpika (Londres, 2012) sy alimo (Rio de Janeiro, 2016) teo amin'ny toraka lefona izy, sy ireo medaly tsy voatanisa tamin'ny hetsika toy ny lalao Commonwealth sy Pan Amerikana.

Nidera ny fikirizany i Joan Harrison, mpikirakira Facebook, raha naneho hevitra i Mary Griffith:

Congratulations, great come back. Sometimes your fate is tested but endurance is the proof of true commitment. Keep the fire burning hero from Trinidad and Tobago. Bless up.

Arahabaina, fiverenana mahafinaritra. Indraindray ny anjaranao sedraina saingy ny fikirizana no porofon'ny fanoloran-tena tsy misy fitaka. Tazony ilay afon'ny herim-po mirehitra avy eto Trinidad sy Tobago. Mitso-drano.

Raha manohy manampy amin'ny fandreseny i Keshorn Walcott sy i Jereem Richards, dia afaka manantena antony hafa bebe kokoa hankalazaina ny firenena nosy kambana kely.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.