Ambany mason'ny media ny fiofoana faobe manjo ny haran-dranomasina ao amin'ny Great Barrier Reef any Aostralia

Great Barrier Reef faces another severe bleaching event

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny ABC News “Great Barrier Reef” miatrika fiofona goavana iray hafa”

Toy ny voahilika tao anatin'ny fahatotoran'ny tsingerim-baovao ny fandrakofana ilay fiofoana faobe fahefatra mahazo ireo haran-dranomasina tato anatin'ny enina taona ao amin'ny Great Barrier Reef ao Aostralia. Tamin'ny 25 Martsa 2022, nohamafisin'ny Manampahefana ao amin'ny Great Barrier Reef Marine Park io tao anatin'ny tatitra fanaony momba ny fahasalaman'ireo Haran-dranomasina:

Tsy nahasarika ny saina toy izay efa mahazatra ateraky ny tranga tahaka izany eny anaty media mahazatra na ny media sôsialy ilay izy, na tao an-toerana izany, na erantany. Ny ady ao Okraina, ireo tondradrano any atsinanan'i Aostralia, ny adihevitra momba ny tetibola federaly ao Aostralia mialoha ny fifidianana nasiônaly hatao amin'ny May, ny fahafatesana tsy nampoizina nanjo ilay mpilalao cricket ankafizin'ny maro, Shane Warne sy ireo vaovao hafa mahakasika olomalaza no naka ny ivon'ny sehatra.

Nitaraina ilay siantifika mpahay momba ny haran-dranomasina, Profesora Terry Hughes :

Tamin'ity herinandro ity, Will Smith no nameno ny fandrakofana vaovao, noho ny fitondrantena tsy mendrika, fa tsy ny fahasimbàna miandàlan'ny haran-dranomasina manerana ny tany

Ny fandaharana anaty onjampeo NPR “All things Considered” no nanasongadina tatitra fohy:

HENOY: Iharan'ny fiofoana faobe ny Great Barrier Reef ao Aostralia, tatitry ny @npratc. https://t.co/eJKI4pgMpq

“Tokony haka lesona avy amin'ireny fiofoana ireny isika”, hoy i @emilysdarling avy ao amin'ny WCS. “Mila manova ny asa fandraharahàna toy ny mahazatra isika. Mila mihitsy isika manao hetsika hanoherana ny #fiovànNyToetrandro.” pic.twitter.com/iBFmcYFesR

Hita ao ity fanehoankevitr'i Emily Darling avy ao amin'ny Wildlife Conservation Society ity:

Ny fahatetehan'ireny tranga ireny no tena nanaitra ny masoko. Tena tsy misy tsotra izao ny làlan-kivoahana mba hiarenan'ireo haran-dranomasina

Tsy ny rehetra ao amin'ny media sôsialy no resy lahatra:

Raha tsara ny fitadidiako dia tsy mbola nisy ilay haran-dranomasina goavana, roapolo taona lasa izay, noho ny fiovàn'ny toetrandro

Any andafin'ny tanibe, ilay parlemantera federaly, Josh Wilson, dia manahy sao mila fampahafantarana misimisy kokoa ny fahavoazana mitovitovy amin'izany manjo ny Ningaloo Reef ao amin'ny Fanjakàny ao Aostralia Andrefana:

Marina fa asa loha ngezabe ho an'ny firenena sy izao tontolo izao ny fiofoan'ny Great Barrier Reef, saingy misy fiantraikany goavana eo amin'ny rohivoahary sy ny hamaroam-piaina ihany koa ireo onjana maripàna an-dranomasina any amin'ny morontsiraka andrefan'i Aostralia. https://t.co/UfIlbaop0N

Herinandro taorian'ilay fanambaràna fisiana fiofoana no nanolorana ilay tetibola federaly aostraliàna. Indray mandeha monja ny kabarin'ny mpitahiry vola, Josh Frydenberg, no mba nanamarika ny resaka fiovàn'ny toetrandro. Marobe no nanameloka ny tsy fisian'ny famatsiambola fanampiny ho entina miady amin'ny fiovàn'ny toetrandro. Ny Filankevitra momba ny Toetrandro dia nitaraina momba io tsy fisian'ny famatsiambola io:

Tsy nahavita nilaza firotsahana mivaingana, na iray aza,  NY tetibola federaly 2022, ho entina miatrika ny fihazakazaky ny fiovàn'ny toetrandro ao Aostralia.

Nicki Hutley, Mpanolotsaina momba ny toetrandro, mpahay toekarena sady mpiaramiasa fahiny tao amin'ny Deloitte Access Economics, izay nanakatona ny tetibola tamin'ny androany, dia nikajy hoe 0,3% monja tamin'ny fitambaran'ny fandaniana ho an'ny 2021-2024 no narotsaka ho an'ny hetsika momba ny fiovàn'ny toetrandro, mbola nidina ambany lavitra,  0.2% monja ho an'ny 2024-2026.

Matroka ny fijerin'ny Institute for Energy Economics and Financial Analysis (IEEFA) ny tarehimarika:

Nandresy lahatra ry zareo hoe: “Na nilaza aza ny Governemanta Federaly fa hampiditra vola ho ao anaty tetibola 2022-23 ho an'ireo fepetra fampihenana ny angovo sy ny fandefasana entona, nihena ny fandaniana hatao ho an'ny toetrandro ato anatin'ny taona efatra ho avy, ary ho an'ny entona LNG, ny entona, ny fakàna sy fitahirizana ny karbôna, ary nitombo ny hidrôzena “madio”, saingy tsy voatery ho “maitso”.

Ao anatin'ny tetibolan'i Aostralia 2022-23, nihena ny fandaniana natao ho an'ny toetrandro ato anatin'ny taona efatra ho avy, ary ho an'ny entona LNG, ny entona, ny fakàna sy fitahirizana ny karbôna, ary nitombo ny hidrôzena “madio”, saingy tsy voatery ho “maitso”

Nandritra ny “The Conversation” (Fifanakalozan-kevitra), nasongadin'ireo mpahay siansa avy amin'ny Anjerimanontolo James Cook ao avaratr'i Queensland ny endrika hafa iray tsy mahazatra amin'ilay fiofoana:

Sambany izao ilay haran-dranomasina no niofo teo ambanina fepetran-toetrandro mangatsiatsiakan'ny La Niña, izay mampiseho hoe hatraiza ny tanjaky ny fironana maharitry ny fiovaovàn'ny toetrandro.

Kisendrasendra, nitsidika an'i Aostralia mba handraisany na tsia fanapahankevitra hampiditra ilay haran-dranomasina ho anaty lisitry ny Lovan'Izao Tontolo Izao tandindonin-doza ny iraka mpanaramaso avy amin'ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Lovan'Izao Tontolo Izao:

Ny Foibe misahana ny Lovan'Izao Tontolo Izao ao amin'ny UNESCO sy ny IUCN (International Union for Conservation of Nature – Fikambanana Iraisampirenena ho Fitahirizana ny Natiora) dia hanatontosa iraka any amin'ny Great Barrier Reef ao Aostralia ny 21 hatramin'ny 30 Martsa 2022 mba hanombana ny toetoetry ny fitahirizana azy sy drafitra iray maharitra ho fiarovana azy.

Tamin'ny Jolay 2021, vitan'ny Minisitry ny Tontolo Iainana, Sussan Ley, ny nisoroka io vokatra tena mahamenatra io.

Any amin'ny faritra hafa iray ao atsinanan'i Aostralia, ny morontsirak'i Boni ao Sydney, izay malaza erantany, dia nisedra tranga iray hafa mifamatotra amin'ny resaka toetrandro:

Miala tsiny fa tsy ho ampy intsony ny hoe tsy mbola nisy tahaka azy

Mandritra izany fotoana izany, ny tatitra farany indrindra niraisan'ireo ministera momba ny Fiovaovàn'ny Toetrandro – Intergovernmental Panel on Climate Change (IPCC) dia  nampitandrina hoe “tsy ho tratra ny famerana ny fiakaran'ny maripàna ho 1,5 °C”.

Craig Foster, ilay kintan'ny soccer, efa nijanona nisotro ronono, no sady mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, no iray tamin'ireo marobe nanipika ny fiasian'ilay hamehana:

Mbola azon'izao tontolo izao atao hatrany ny manantena ny hisoroka ny faharavàna ratsy indrindra amin'ny firodànan'ny toetrandro, saingy fotsiny amin'ny fihazakazahana “dieny izao raha hanao ihany” mankany amina toekarena sy fiarahamonina tsy dia mandefa entona karbôna loatra….fampitandremana farany momba ny toetrandro ho an'ireo governemanta “.

Ary mihemotra i Aostralia.

Tena heloka bevava.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.