Milaza i Antigua sy Barbuda fa ‘mila mandoa vola’ ireo mpandoto, satria loza mitatao ho an'ny nosy madinika andalampandrosoana ny fiovaovan'ny toetrandro

Ny praiminisitra britanika Boris Johnson, ny praiminisitra Gaston Browne avy any Antigua sy Barbuda, ary António Guterres, Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana nifampiarahaba tamin'ny fahatongavan'izy ireo tao amin'ny COP26 Fihaonamben'ny Mpitarika Manerantany tamin'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro faha-26  tao amin'ny SEC, Glasgow. Sary avy amin'i Karwai Tang/Governemanta UK tamin'ny alàlan'ny pejy Flickr COP26, CC BY-NC-ND 2.0.

Nivoaka voalohany tao amin'ny Friedrich Ebert Stiftung tamin'ny alalan'ny Climate Tracker an'ny sakaizan'ny fanaovan-gazetin'ny COP26 ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panitsiana rehefa nahazoana alalana, ho ampahany amin'ny fitantarana ny COP26 ataon'ny Global Voices.

Tamin'ny taona 2017, nampivarina ny nosy kely Barbuda any Karaiba ho “rava ara-bakiteny” ny Rivo-doza Irma, ka nanery ny mponina 1.400 manontolo ho afindra tany amin'ny nosy rahavaviny, Antigua. Ny fanarenana nilaina fanombanana notarihan'ny Vondrona Banky Iraisampirenena no nahitana fa ny fandravàna nataon’ Irma, miaraka amin'ny rivo-doza iray hafa, Maria (izay namely an'i Antigua fotoana fohy taorian'izay), dia niteraka fahavoazana, fatiantoka ary filàna fanarenana mitentina 377,2 tapitrisa dolara amerikana—izay mahatratra hatramin’ny 25 isanjaton’ny harinkarena faobe (PDB) an’ny firenena tamin’io taona io.

Azo inoana fa nohamafisin'ny rano mihamafana kokoa tao amin'ny Ranomasimbe Atlantika vokatry ny fiovan'ny toetrandro ny fahafahan'Irma manimba zavatra, izay niditra ny tanin'i Barbuda tamin'ny sokajin-tafio-drivotra faha-5.

Mamoaka famoahana etona mangeja hafanana (effets de serre) (GHG) latsaky ny iray isanjato i Antigua and Barbuda—sy ireo Fanjakana Nosy kely andalam-pandrosoana (SIDS) maneran-tany—na izany aza, tsy misy rafitra mavitrika mipetraka hitazonana ireo mpamokatra etona goavana indrindra eran-tany ho tompon'andraikitra amin'ny ezaka fanarenana amin'ny alàlan'ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovan'ny Toetr'andro (UNFCCC-ang).

Ambonin'izany, ny fitsipiky ny Fikambanana ho an'ny Fampandrosoana sy Fiarahamiasa Ara-toekarena (OCDE) no nametraka fa manankarena loatra i Antigua sy Barbuda handraisana azy hahazo ny ankamaroan'ny fanampiana ilaina amin'ny fananganana indray sy hamerenana ny mponina ao ao Barbuda taorian'ny fandravana nataon'i Irma.

“Tsy vanona sy tsy rariny” hoy ny fanamarihan'i Mia Mottley, praiminisitra ao Barbados ny tsy fetezana manome famatsiam-bola noho ireo fatiantoka sy fahasimbana goavana nahazo ireo nosy kely, raha niresaka tamin'ireo mpandray anjara tamin'ny Fihaonamben'ny Mpitarika Manerantany tamin'ny COP26 izy. Nanampy izy fa norefesina tamin'ny “fiainana sy ny fivelomana” ny vokatry ny krizy momba ny toetrandro ho an'ny tany an-dalampandrosoana.

Ao anatin'izao fironana amin'ny famoahana etona izao, miatrika loza mitatao ireo nosy kely. Mampiseho ny Tatitra Hantsan'ny Famoahana (etona) fa na dia mahatratra ny Fandraisana Anjaram-Pahavononana Isa-Pirenena (NDCs) araka ny Fifanekena tao Paris aza ny firenena tsirairay, dia mbola hiakatra hatramin'ny 2,7°C ihany ny salanisan'ny maripàna eran'izao tontolo izao amin'ny taona 2100, raha oharina amin'ireo ambaratonga talohan'ny nisian'ny indostria. Ny tatitra manokana nataon'ny Lahavolana intergovernementaly momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro (IPCC) indray no nampiseho fa tena iainkinan'ny ain-dehiben'ny firenena andalampandrosoana tokoa io elanelana atsasaky ny degre io.

Manoloana izany, nanapa-kevitra i Antigua sy Barbuda fa hanomboka ny COP26 amin'ny hetsika goavana sy feno fahasahiana niaraha-miasa tamin'i Tuvalu, firenena nosy Pasifika izay eo ampanjavonana vokatry ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina sy ny fahasimban'ny morontsiraka. Nanambara hanangana sehatra iray hitazomana ireo mpamokatra etona betsaka ho tompon'andraikitra ara-dalàna amin'ny fatiantoka sy fahasimbana vokatry ny toetr'andro tafahoatra ireo nosy roa ireo.

Mitazona ireo mpandoto ho tompon'andraikitra

Noho ny fijaliana mbola iaretan'i Barbuda noho ny fiantraikan'ny Irma dimy taona taty aoriana—zava-misy neken'ny Filohan'ny COP26, Alok Sharma, nandritra ny fanokafana fivoriambe—tonga tao amin'ny COP26 nitondra drafitra feno fahasahiana ny praiminisitra, Gaston Browne: hitazomana ireo mpandoto ho tompon'andraikitra.

Tamin'ny andron'ny Fihaonamben'ny Mpitarika Manerantany, niaraka tamin'ny praiminisitr'i Tuvalu, Kausea Natano izy mba hanangana vaomiera iray hanadihady ny fomba ara-dalàna hitazomana ireo mpamoaka etona betsaka ho tompon'andraikitra amin'ny fatiantoka sy fahasimbana iainana any amin'ny firenena niavian'izy ireo sy ny firenena an-dalampandrosoana hafa.

“Tsy maintsy mandoa ny mpandoto,” hoy izy, manazava fa tsy natao ankatezerana ny fanambaràna. Lohahevitra saropady ho an’ireo nosy kely anefa ny dinika momba ny fatiantoka sy ny fahasimbana, hoy ireo manampahaizana.

“Nandritra ny fotoana maharitra ela, nanohitra izay ezaka rehetra hiaiky ny fatiantoka sy ny fahasimbana ireo firenena mandroso, noho ny trosa (andraikitra) sy izay mety ho fitakiana fanarenana avy amin'izany,” hoy i Colin Young, Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Ivon-toeran'ny Vondrom-piarahamonina ao Karaiba momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro(CCCCC).

Nankasitraka ny Fikambanan'ny Firenena Nosy Kely- Alliance of Small Island States (AOSIS) sy ireo mifampiraharaha an'i Karaiba tamin'ny fampidirana ny Andininy faha-8, izay miresaka momba ny lohahevitra fatiantoka sy fahavoazana, ao amin'ny Fifanarahan'i Paris izy. Na izany aza, vokatry ny marimaritra iraisana ny tsy fisian'ny fanondroana ireo firenena mandroso izay manaiky ny trosa.

Araka ny voalazan'i Young, ny olana lehibe amin'ny COP26 ho an'ireo nosy kely dia ny famerana ny fiakaran'ny maripana eran-tany ho 1,5°C mihoatra ny dingana talohan'ny vanim-potoana indostrialy; manao izay isian'ny famatsiam-bola momba ny toetrandro hanaraham-bolontany; mamarana ny bokin'ny fitsipika Paris, ary mamorona tahirim-bola ho an'ny fatiantoka sy fahasimbana.

Raha niresaka nandritra ny hetsika avo lenta tamin'ny COP26 tao amin'ny AOSIS Pavilion, nilaza ny Minisitry ny Fitantanam-bolan'i Tuvalu, Seve Paeniu fa tokony ho azon'ireo firenena marefo indrindra lohalaharana miatrika ny krizin'ny toetrandro ny famatsiam-bola toy izany. “Kitro ifaharana izany satria na dia amin'ny rafitra famatsiam-bola amin'izao fotoana izao aza, toy ny Global Climate Fund, Firenena an-dalamapandrosoana maromaro no nandany taona maro vao tafiditra tamin'izany tahirim-bola manerantany izany,” hoy i Natano.

Fandraisana anjara vaovao

Firenena iray efa mandroso nandray anjara fitarihana ampahibemaso amin'ny fandrosoana fatiantoka sy fahasimbana i Ekaosy. Tamin'ny COP26, nanambara fanomezana 1 tapitrisa livra (1.340.990 dolara Amerikana) ho an'izay mety ho tahirim-bola ho an'ny fatiantoka sy fahasimbana ity firenena ity.

“Resaka rariny ara-toetrandro izany,” hoy i Young. “Tsy izahay [an-dalampandrosoana] no fototr'ity olana mianjady aminay. Ka rehefa maneho fitarihana eran-tany ny firenena toa an'i Ekaosy ary voalohany amin'ny fanomezana iray tapitrisa livra ho an'ny fatiantoka sy fahasimbana, dia zava-dehibe izany, ”hoy izy.

Na dia mety ho kely aza io vola io, araka ny filazan'ny FTMF lehibe indrindra momba ny toetr'andro, Climate Action Network (CAN), dia sambany nisy firenena mandroso nandray ny teny hoe “fatiantoka sy fahasimbana” sy ny fiantraikany mifandraika amin'ny trosa (adidy). “Mametraka ohatra tokony arahin'ireo firenena manankarena i Ekaosy,” hoy ny CAN tamin'ny fanambaràny.

Niray hevitra tamin'izany fijery izany i Caroline Mair-Toby, tale sady mpanorina ny Ivotoerana Karibeana ho an'ny Nosy Kely, izay nihevitra io fihetsika io ho zava-dehibe, indrindra raha jerena fa tsy firenena mahaleo tena i Ekaosy. “Ny tsy fanerena azy ireo hanao izany dia manasongadina mazava ny tsy fahazotoan'ireo firenena manankarena sy mahavita izany feno,” hoy izy.

Nilaza tamin'ny Climate Tracker  ny Profesora Payam Akhaven, mpisolovava izay hitarika ny vaomiera amin'ny anaran'i Antigua sy Barbuda ary Tuvalu fa ity dingana nataon'i Ekaosy ity no “taratry ny fitomboan'ny fanekena fa ny fiovaovan'ny toetr'andro dia vokatry ny fitondrantena niniana natao hiteraka fahavoazana.” Izany, hoy izy, no porofo fa tsy maintsy faritana amin’ny lafiny fahavoazana ny fiovan’ny toetr’andro.

Antigua sy Barbuda no filohan'ny AOSIS amin'izao fotoana izao ; na izany aza, ny vaomiera niaraha-natomboka tamin'i Tuvalu dia tsy miankina amin'ny AOSIS ary hikatsahana hahazoana fanohanana avy amin'ireo mpikambana AOSIS hafa amin'ny volana ho avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.