Nandrombaka ny Loka Camões 2021 i Paulina Chiziane, mpanoratra Mozambikana

Paulina Chiziane | Photofestival Satinidades 2014 | Flickr CC BY-SA 2.0

Homena an'i Paulina Chiziane, mpanoratra avy any Mozambika ny lokan'ny literatiora manan-danja indrindra any amin'ny firenena miteny paortiogey.

Noforonina tamin'ny taona 1988 ny Loka Prémio Camões, manana tanjona fanokanana ny mpanoratra miteny paortiogey izay, amin'ny alàlan'ny sanganasan'izy ireo, nandray anjara tamin'ny fanatsarana ny lova ara-literatiora sy ara-kolontsaina tamin'ny fiteny izay ampiasain'ny olona eo amin'ny 280 tapitrisa eo ho eo – mahatonga izany ho fiteny fahadimy be mpampiasa indrindra eto an-tany.

Ny komitin'ny fanomezana mandrafitra ireo solontenan'ny firenena miteny Paortiogey no manome ny loka ho an'ireo mpanoratra avy amin'ny vondron'ireo firenena miteny paortiogey (CPLP).

Ny loka 2021

Tamin'ity taona ity, nomena ny mpanoratra Paulina Chiziane, kalaza amin'ny literatiora Mozambikana ny loka. Raha ny fanamarihana nohazavain'ny komitin'ny mpitsara, niraisana tsy nisy nitsipaka ny fanapahan-kevitra:

O júri decidiu por unanimidade atribuir o Prémio à escritora moçambicana Paulina Chiziane, destacando a sua vasta produção e receção crítica, bem como o reconhecimento académico e institucional da sua obra.

O júri referiu também a importância que dedica nos seus livros aos problemas da mulher moçambicana e africana. O júri sublinhou o seu trabalho recente de aproximação aos jovens, nomeadamente na construção de pontes entre a literatura e outras artes.

Paulina Chiziane está traduzida em muitos países, e é hoje uma das vozes da ficção africana mais conhecidas internacionalmente, tendo já recebido vários prémios e condecorações.

Niray hevitra hanome ny loka ho an'ilay mpanoratra Mozambikana Paulina Chiziane ny mpitsara, sady nanasongadina ny famokarany midadasika sy ny fahaizany mandray kiana, sady mahazo fankatoavana akademika sy amin'ny sekoly ny asany.

Niresaka ny maha zava-dehibe ny bokiny natokany momba ny olan'ny vehivavy Mozambikana sy Afrikana ihany koa ny mpitsara. Nasongadin’ny mpitsara ny asany vao haingana tamin’ny fampifanatonana ny tanora, dia ny fananganana tetezana eo amin’ny literatiora sy ny zavakanto hafa.

Nadika any amin'ny firenena maro i Paulina Chiziane, ary iray amin'ireo feo malaza indrindra amin'ny tantara foronina afrikanina eo amin'ny sehatra iraisampirenena izy ankehitriny, efa nahazo mari-pankasitrahana sy loka maro.

Tao anatin'ny 33 taona, fanintelony izao ny mpanoratra mozambikana, toa an'i José Craveirinha sy Mia Couto tamin'ny taona 1991 sy tamin'ny taona 2013, no nahazo ny loka ho mpandresy .

Ny fankatoavana

Avy amin'ny lafivalon'izao rehetra izao ny fiarahabana, indrindra avy amin'ireo olom-pirenena Mozambikana. Na ny filohan'i Mozambika, Filipe Nyusi aza namoaka fanamarihana fankasitrahana.

Hoje é dia de festa para a Literatura Moçambicana. A nossa compatriota Paulina Chiziane venceu o prestigiado Prémio Camões 2021. É um merecido reconhecimento à obra desta escritora que com grande mestria tem sabido retratar o país.

Que este prémio atribuído por unanimidade pelo júri nos inspire a todos nós em tudo o que fazemos a dar o nosso melhor, sobretudo as novas gerações de autores.

Parabéns, Paulina Chiziane!

Andro fankalazana ny haisoratra Mozambikana androany. Nahazo ny loka lehibe Camões 2021 ny mpiray tanindrazana amintsika Paulina Chiziane.

Enga anie ka hanome aingam-panahy antsika rehetra amin’izay zavatra rehetra ataontsika ity loka niraisan'ny mpitsara omena ity mba hanomezana izay tsara indrindra vitantsika, indrindra ireo taranaka mpanoratra vaovao.

Arahabaina, Paulina Chiziane!

Olom-pirenena hafa nandefa fiarahabana mitovy amin'izany, toy ny avy amin'ilay mpanao gazety Rafael Machalela:

PAULINA CHIZIANE NO NAHAZO NY LOKA CAMÕES Fiarahabana indrindra ho an'i Paulina Chiziane, fankasitrahana manana amby ampy. Faly sy mirehareha aminao aho! ✌?

Na izany aza, tsara marihina fa naneho alahelo ny mpanoratra fa manan-danja kokoa ara-tantara sy ekena eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena noho ny ao amin'ny tany niaviany Mozambika ny sangan'asany:

“Ny alaheloko dia ny hoe ankatoavina any ivelany aho ary tsinontsinona eto amin'ny fireneko”, hoy i Paulina Chiziane taorian'ny fanambarana fankasitrahana #Camões

Etsy ankilany, niaiky izy fa tsy azony an-tsaina fa indray andro any dia hahazo ity loka ity izy:

Ity loka #Camões ho an'i #PaulinaChiziane ity dia “maneho hery fanamafisana fa tsy fantatro fa mety hitranga amiko izany,” hoy ity mpanoratra Mozambikana ity.

Ny fiainana sy ny asan'i Paulina Chiziane

Teraka tao Manjacaze, Mozambika i Paulina Chiziane, 66 taona ary nianatra momba ny Fiteny tany Maputo. Mpitantara nandritra ny androm-piainany, namoaka tantara fohy maromaro izy.

Namoaka ny tantarany voalohany “Balada de Amor ao Vento” izy taorian'ny nahazoan'ny firenena ny fahaleovantena tamin'ny taona 1990. Io no tantara voalohany navoakan'ny vehivavy Mozambikana iray. Navoaka tany Maputo tamin'ny taona 1995  ho fanontan'ny mpanoratra ny “Ventos do Apocalypse,” vita tamin'ny taona 1991  ary navoakan'i Caminho tamin'ny taona 1999.

Ao amin'ny bokiny, miresaka momba ny zavatra niainan'ny vehivavy, ny fijaliany, ary ny fahaizan'izy ireo mandresy ny fahasahiranana manoloana ny fiaraha-monina izay tsy dia manao firy amin'ny fampivelarana ny vehivavy i Chiziane. Tsy nety antsoina hoe mpanoratra tantara izy, fa aleony ny lohateny hoe “mpitantara.”

Tamin'ny fahatanorany, dia navitrika tao amin'ny antoko politika Frelimo — Frente de Libertação de Moçambique izy, saingy niala ny tenany nony farany  noho ny tsy fitovian-kevitra momba ny fitarihan'ny antoko sy ny politikany tamin'ny vanim-potoanana taorian'ny fahaleovantena. Rehefa afaka izany, dia nitsahatra tsy ho mpikambana mavitriky ny antoko izy ary nanomboka nanoka-tena ho an'ny literatiora.

Namoaka tantara tsy tapaka hatramin'ny taona vitsivitsy lasa izay — nanambara ny fisotroan-drononony tamin'ny taona 2016 izy — Notoloran'ny Fanjakana Paortiogey ny mari-pankasitrahana Grand Officer of the Order Infante D. Henrique i Paulina Chiziane tamin'ny taona 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.