Fahafatesana tovolahy miteraka adihevitra momba ny herisetran'ny pôlisy ao Môzambika

Sary namboarina avy amina pikantsary nalaina tamin'ny lahatsary YouTube miresaka ny fahafatesan'i Massacar ‘Cebolinha’ Abacar, nataon'ny mpanoratra. Fanomezan'i Giovana Fleck/Global Voices.

Ny 21 Jolay, niparitaka ny tati-baovao iray tao amin'ny WhatsApp sy Facebook nampiseho fa maty tany an'efitranokelin'ny Pôlisin'ny Repoblikan'i Môzambika (PRM) ny tovolahy iray.

Maty andro roa taorian'ny nisamboran'ny PRM azy tao afovoan'i Maputo renivohitra i Massacar Abacar, mpandihy fantatra amin'ny hoe “Cebolinha”. Lazain'ny loharano sasany fa nodarohan'ny pôlisy izy, fitantaràna iray izay lavin'ireo manampahefana ao Môzambika.

Raha izy handeha hamonjy trano fisotroana iny no nosamborina i Abacar, toa hoe hitaky ny handoavana ny trosan-drainy, fihetsika izay heverin'ny mpitantana ilay trano fisotroana ho fanalàm-baràka, ary ho setrin'izay dia niantsoany pôlisy mba hirotsaka an-tsehatra.

Notaterin'ireo gazety tao an-toerana fa rehefa nandre ny fisamborana ity tovolahy ity ny renin'i Abacar dia nandeha nankany amin'ny biraon'ny pôlisy, saingy nosakanana tsy hahita an-janany.

Quando cheguei na esquadra perguntei se o meu filho estava detido, responderam positivamente, disse que queria ver o meu filho e não me deixaram ver o meu filho…

Rehefa tonga tany amin'ny biraon'ny pôlisy aho dia nanontany raha voatazona ao ny zanako, ‘eny’ hoy izy ireo. Niteny aho fa maniry ny hihaona aminy, fa tsy navelan-dry zareo hahita ny zanako aho…

Toedraharaha niteraka onjam-piraisankina teny anivon'ireo Môzambikàna, izay nisarika ny saina hibanjina ny firongatry ny herisetran'ny pôlisy ao amin'ny firenena. Tao amin'ny X ( Twitter teo aloha), Valter Micas, tanora mpikatroka, dia niampanga ny filohan'ny Repoblika ho tsy niraharaha ilay raharaha fa naleony nandeha nandeha namita iraka tany ivelany:

Nanapaka hevitra ny handeha hitsangantsangana amin'ny anaran'i Môzambika ny filohan'ny Repoblika, ary namela indray ny fialàn'i  Bernardino Rafael tsy ho amin'ny fitantanana ny PRM. Mijanona ho tsy misy ilay didim-pitondràna tamin'ny 18 Martsa. Toy izany koa ny baiko hampijaliana an'i Cebolinha. Ary tsy manambara na inona na inona ihany koa ny biraon'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna.

Ny 26 Jolay, ny Ivontoerana ho an'ny Demaokrasia sy ny Zon'Olombelona (CDD), fikambanana sivily iray, dia nikarakara fiaretantory ho fanomezam-boninahitra an'i Abacar, izay avy hatrany dia nosakanan'ny pôlisy.

Fiaretantory ho fanomezam-boninahitra an'i Cebolinha, ao Maputo. Toerana: 3rd police station, Av. Mao Tse Tung, nr 586. 🗓️ Androany: 25 07 2023 // Time: 16.30

Sakanan'ny pôlisy ny fiaretantory ho fanomezam-boninahitra an'i Cebolinha.

Tao anaty fanambaràna iray, ny fikambanan'ireo Môzambikàna mpitantana trano fisotroana dia niantso ireo manampahefana mahefa mba hitazona ho tompon'andraikitra ireo manampahefana avy amin'ny pôlisy voarohirohy tamin'ny nahafaty ilay tovolahy ary hitondra fanonerana sy izay fanohanana ilain'ilay fianakaviana.

É também fundamental que sejam tomadas medidas para garantir que tais incidentes não se repitam no futuro e que a polícia esteja em conformidade com as normas internacionais de direitos humanos.

O direito à liberdade e vida é um dos pilares da democracia e deve ser respeitado pelas autoridades, que têm o dever de proteger e promover os direitos humanos dos cidadãos.

Tena ilaina ihany koa ny fandraisana fepetra hiantohana ny tsy hiverenan'ny tranga tahaka izany intsony amin'ny hoavy, sy mba hanarahan'ny pôlisy ny fenitra irasam-pirenena momba ny zon'olombelona.

Iray amin'ireo andy ijoroan'ny demaokrasia ny zo hanana fahalalahana, ary tsy maintsy hajain'ireo manampahefana, izay manana adidy hiaro sy hampiroborobo ny zon'olombelona ananan'ny olompirenena .

Andro vitsy taorian'ilay tranga, nisy tranga iray hafa niseho, izay nisarika ny sain'ireo Môzambikàna. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia noho ny fielezan'ny lahatsary iray ahitàna rangahy iray nofatoran'ny pôlisy avy ao an-damosin'ny fiara, avy eo nasaina nandady tamin'ny tany no sady nodarohan'io pôlisy io ihany.

Tsy maty ilay rangahy fa nampihoron-koditra ilay lahatsary. Setriny, ary mbola tamin'ny alàlan'ny taleny indray koa, nangatahan'ny CDD ny hampitsaharana ny herisetran'ny pôlisy ao amin'ny firenena [votoaty lahatsary mahatohina]:

Andrana famonoana olona nataon'ny pôlisin'i Môzambika – PRM. Heloka bevava imasombahoaka notanterahan'ireo notolorana fahefana araka ny lalàna hiaro ny #ZonOlombelona. ⁦@amnesty⁩ ⁦@zenaidamz⁩ ⁦@CDD_Mozpic.twitter.com/FRQ3UOLmCA

— Prof. Adriano Nuvunga (@adriano_nuvunga) 29 Jolay 2023

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.