Môzambika, miady ho an'ny zon'ny fikambanana ny fikambanan'ireo fiarahamonim-pirenena

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2023)

Ny fiarahamonim-pirenena ao Mozambika dia nanangana hetsi-panoherana iray atao “Ho fiarovana ny zon'ny Fahalalahan'ny Fikambanana ao Mozambika”. Sary an'i : Giovana Fleck/Global Voices

Ao Mozambika, nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2022, ireo fikambanana anaty fiarahamonim-pirenena (OSC) dia manohitra ny volavolan-dalàna vaovao mikendry ny handrindra ny fanatontosana ny asa ataon'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana. Tamin'ny Oktobra 2022, nalefan'ny governemanta ao Mozambika tao amin'ny Parlemantera ilay volavolan-“dalàna mikasika ny “Tsy Fitadiavana Tombony”.

Araka ny lazain'ny OSC dia tsy ara-dalàna ny fanomezana fahefana feno sy tafahoatra ho an'ny governemanta mba hankatoavany, hifehezana ny fomba fiasa ary hanafoanana fikambanana sy ny OSC; ny hametraka fepetra mitsabatsabaka sy fitakiana mihoa-pampana amin'ireo fikambanana sy ny mpikambana ao anatiny; ary ny hitanisa antony tsy mitombina toy ny “fampanarahan-dalàna, …fanarahamaso ny fomba fanao tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy…ary fanakànana ny famatsiambola ho an'ny asa fampihorohoroana….” mba haneriterena ny fahalalahan'ny fikambanana

Tohanan'ireo fikambanana ny hoe io lalàna io dia mikendry ny hametra ny zo ho afaka hanangana fikambanana, mifanohitra amin'izay andraikitra andrasana amin'ny fanjakana mba hananganana tontolo iray ahafahana mampivelatra ny fisitrahana ireo zo fototra. Io dia manitsakitsaka ihany koa ny Lalàm-panorenan'ny Repoblika (andininy faha-52, 43 ary 78) ary ny andraikitry ny firenena voafaritr'ireo fepetra iraisam-pirenena sy isam-paritra momba ny zon'olombelona

Niaro tena ny governemanta tamin'ny filàna mankato ilay lalàna ho fomba iray hiadiana amin'ny famatsiambola ny asa fampihorohoroana ao Cabo Delgado.

Mba hanamafisana ny tolony, ireo OSC ao Môzambika dia namorona hetsi-panoherana iray antsoina hoe “Ho fiarovana ny zo sy ny fahalalahan'ny fikambanana ao Môzambika”. Izy io dia “hetsika iray iarahan'olontsotra sy fikambanana avy any avaratra hatrany atsimo, miray mba hiaro ny zo sy ny fahalalahana hanana fikambanana ao Môzambika”, zo izay kitikitihan'ilay volavolan-dalàna indray.

Tranonkala hanoherana ilay lalàna vaovao. Sary : Pikantsary nalain'ny mpanoratra (Febroary 2023)

Teo amin'ilay tranonkala noforonina ho an'ity tanjona ity dia namoaka hevitra marobe ireo fikambanana mba hanilihana ilay sosokevitra. Tao anatin'ny iray tamin'ireo hafatra lehibe, dia nolavin'izy ireo ilay lalàna noho ny antony hoe:

A proposta de lei das organizações sem fins lucrativos, depositada na Assembleia de República em Outubro de 2022, pretende revogar a Lei das Associações (lei n° 8/91 de 14 de Julho), o instrumento que regula as Organizações Não Governamentais internacionais (decreto n. 55/98 de 13 de Outubro) e trazer uma nova designação por uma das suas características.

A denominação ‘sem fins lucrativos’, não tem reconhecimento e garantia constitucional, pois no código civil e na constituição da República de Moçambique só estão previstas associações e organizações sociais. Não existe nenhuma razão para que a noção constitucional de associação se afaste da noção corrente do Direito Civil, ou seja, uma organização de pessoas (o que as distingue das fundações), sem fins lucrativos (o que as distingue das sociedades).

Ilay tolodalàna momba ireo fikambanana tsy mikatsaka tombony ara-bola, napetraka eny amin'ny parlemanta tamin'ny Ôktôbra 2011, dia mikendry ny hanafoana ny lalàna momba ireo fikambanana (lalàna lah. 8/91 tamin'ny 14 Jolay), fitaovana iray andrindràna ireo fikambanana iraisampirenena tsy mitady tombony ara-bola (didy hitsivolana lah. 55/98 tamin'ny 13 Ôktôbra) ery hitondràna fomba famaritana vaovao ny iray amin'ireo toetra mampiavaka azy.

Tsy manana fankatoavana sy fiantohana ao anaty lalam-panorenana ny famaritana hoe “tsy mitady tombony”, satria ao anatin'ny lalàna sivily sy ny lalam-panorenana ao amin'ny Repoblikan'i Môzambika irery ihany no misy ny hoe fikambanana sy fikambanana sôsialy.  Tsy misy antony tokony hihatahan'ny vala famaritana mahazatra omen'ny lalam-panorenana amin'ny vala famaritan'ny lalàna sivily, izany hoe fikambanan'olona (mampiavaka azy amin'ny hoe orina – Fondation), tsy mitady tombony ara-bola (mampiavaka azy amin'ny hoe orinasa).

Ao amin'ny Facebook, ampitomboin'ireo fikambanana sivily ireo hafatra fanoherana an'ilay tolodalàna :

Entre outras violações às liberdades fundamentais e medidas inconstitucionais, é importante que saibas que a proposta de lei das organizações sem fins lucrativos pretende dar poderes ao Governo e extinguir os conferidos pelo artigo 5 da lei das associações em vigor, retirando às autoridades judiciais a sua competência na extinção e contestação da recusa de registo – e também remover os prazos.
E que todos os artigos sobre o papel do poder judicial nas associações e organizações nacionais foram removidos. Explicamos-te mais nesta mensagem e convidamos-te a visitar o portal https://www.liberdadeassociacaomz.org/ para mais mais informações sobre esta proposta de lei e os riscos que ela constitui.
Nada Para Nós Sem Nós!

Ankoatra ireo fanitsakitsahana hafa an'ireo fahalalahana fototra sy ireo fepetra tsy araka ny lalàm-panorenana, zavadehibe ny ahafantaranareo fa ny tolodalàna momba ireo fikambanana tsy mikatsaka tombony ara-bola dia mikendry ny hanome fahefana ho an'ny governemanta mba hahafahany manafoana ireo izay natolotry ny andininy faha-5 ao amin'ny lalàna amin'izao fotoana izao momba ireo fikambanana, amin'ny fakàna amin'ireo manampahefana ara-pitsaràna ny fahefan'izy ireo  hamono sy hanohitra ilay fandàvana tsy hisoratra anarana – ary koa hanafoana ireo fetram-potoana.

Ary nesorina avokoa ireo andininy rehetra momba ny anjara andraikitry ny fahefàna ara-pitsaràna any anatin'ireo fikambanana sy ireo fikambanana nasiônaly. Hazavainay misimisy kokoa aminareo ny momba izany ao amin'ity hafatra ity, ary manasa anareo izahay hitsidika ity tranonkala ity mba hahazoana torohay bebe kokoa momba io tolodalàna io sy ny ambana rehetra entiny.

Tsy misy ho antsika raha tsy misy isika!

Mitombo ireo fihetsiketsehana tahaka izany ao amin'ny Twitter mba ho fomba iray hisarihana ny saina hanohitra ilay lalàna. Tonga avy amin'i Rafael Machalela ny marika voalohany, ilay Mozambikàna mpanao gazety sady mpikatroka

Izahay dia mitaky lalàna manana fahamendrehana araka ny lalàm-panorenana

— Rafael Machalela 🇲🇿 (@rafaelmachalela)  16 Febroary 2023

Wilker Dias, mpikatroka sady mpandalina politika, dia nizara ihany koa ny fotoana izay nanaovan'ny parlemantera fihainoana momba ilay lalàna voalaza. Tamin'ny 16 Febroary no nitranga ny raharaha tao Maputo renivohitra.

Ny feon'ireo lehibe indrindra namonjy ny hazomeloka, nataon'i Mc Chamboco. Fakan-kevitra parlemantera momba ilay volavolan-Dalàna mahakasika ireo fikambanana tsy mampidi-bola
— Wilker Dias🇲🇿 (@wilkerDias13) 16 Febroary 2023

Efa im-betsaka io lalàna io no nomelohin'ny fikambanana iraisam-pirenena maromaro, anisan'izany ny tale lefitry ny Human Rights Watch, Ashwanee Budoo-Scholtz, izay niteny tamin'ny 10 Febroary fa :

Ireo Mozambikana manampahefana dia tsy tokony hampiasa ny ady amin'ny Al-Shabab ao an-toerana ho sahala amin'ny fialantsiny hamoretana ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena. Tokony hanaisotra haingana ao amin'ny Parlemanta ilay volavolan-dalàna mikasika ny fikambanana tsy mampidi-bola ny governemanta.

Ny governemanta Mozambikana dia tokony hiantoka fa ny lalàna rehetra ao amin'ny firenena dia mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena sy isam-paritra. Na mbola tsy nandray fepetra mihitsy aza ny governemanta hamelezana vondrona tsy miankina iray, hisy fiantraikany lehibe eo amin'ny zo hanana fahalalahana maneho hevitra sy fikambanana ao amin'ny firenena ny fisian'ny lalàna toy izany.

Nambara teny amin'ny Parlemantera fa alohan'ny volana Jona 2023 no hiadian-kevitra ary hankatoavina ilay volavolan-dalàna, saingy tsy azo antoka ny fanovàna azy noho ny hetsi-panoherana ataon'ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.