Mba hanomezana hery ireo olona ‘trans': ny fomba nataon'ny Salvadoariàna iray mpanakanto mba hanomezana aina vao ny teny iray azo lazaina ho efa saika fongana

Petrona Xemi Tapepechul. Sary nahazoana alàlana

Voadin'ny asa ataon'i Petrona Xemi Tapepechul ny hampitambatra vondrompiarahamonina roa atao anjorom-bàla: ireo mpiteny ny fiteny Nawat sy ny olona ‘trans’ (nanova taovam-pananahana). Amin'ny alàlan'ny asa feno famoronana ataony amin'ny maha-vehivavy teratany nanova taovam-pananahana azy,  manome voninahitra ny lovany izy amin'ny fampidirana ny fitenin-dreniny, Nawat, efa andalam-panjavonana, ho any anatin'ireo anjara fiakarana an-tsehatra artistika samihafa lalaoviny, tantaniny na soratany.

Nawat, fiteny iray an'ny foko Nahuatl, izay mivelatra manomboka ao Meksika hatrany Costa Rica, dia tena tandindonim-panjavonana miaraka amin'ireo olona vitsy an-jatony mampiasa azy. Efa zokiolona vazimba teratany vitsy monina any andrefan'i El Salvadaoro sisa izao no tena mampiasa ilay fiteny.

Sarin'ny asakanto voalohany nataon'i Xemi, nahazoana alàlana.

Namoy ampahany goavana tamin'ireo olona tao anatiny ny Nahuat na Nawat, noho ny fandripahana foko nitranga nandritra ny fitondrana jadon'ny tafika fony Maximiliano Hernández Martínez tamin'ny 1932 — 25.000 hatramin'ny 30.000 ireo tantsaha sy vazimba teratany natao vonomoka tamin'izany taona izany.

Ankehitriny, misy hetsika iray ho fanomezana aina vao ny Nawat eny anivon'ny tanora, izay misy an'i Xemi rahateo.

Taorian'ny nandaozany an'i “Kuskatan” toerana nahaterahany (El Salvador amin'ny fiteny Nawat), lasa mpikatroka sy mpitarika ao anatin'ny vondrompiarahamonin'ireo olona nanova taova ao Washington D.C. i Xemi. Niofana tao amin'ny National Conservatory of Dramatic Arts izy, ary nilalao tanatina fiakarana an-tsehatra marobe tao Washington, isan'ireny ny nilalaovany ireo tantaran'ny Angel Rose Artist Collective, tarika iray noforoniny tamin'ny 2015.

‘Siwayul (Ny fon'ny Womxn iray) dia fiakarana an-tsehatra ataona olona tokana momba ny fitakiana ny maripamantarana manana fanahy roa ao anatin'ny kolontsaina teratany salvadôriàna sy any am-pielezana, ary fanomezana hery ilay Andriamanibavy nentindrazana avy ao anaty.’

Tarika iray ivondronan'ireo mpilalao an-tsehatra manaraka fanahy roa ilay vondrona,  izay mankalaza ireo vazimba teratany razamben'ireo mpikambana ao anatiny sy manome voninahitra ny maripamantarana ny ‘trans’ amin'ny alàlan'ny taokanto.

“Ny hoe fanahy roa dia entina milaza olona iray manondro ny tenany ho sady manana fanahin-dahy no manana fanahim-bavy ihany koa, ary ampiasain'ny vazimba teratany sasany hamaritan-dry zareo ny maripamantarana ara-pananahana hisy azy, ny hoe lahy sa vavy, ary/na ny maripamantarana ara-pinoana,” araka ny  ambaran'ny fikambanana kanadiàna Re:searching for LGBTQ HealthVoafaokany ao daholo ireo maripamantarana masina sy ara-tantara efa hatrany amin'ny taonjato maro lasa tany aloha, ary mety hahitàna ihany koa ny maripamantarana an'ireo LGBTQ, saingy tsy voafetra ho hatreo amin'ireo ihany.

Tamin'ny WhatsApp dia hoy i Xemi tamiko:

Creamos el colectivo para instar a la comunidad teatral de D.C. a dejar de borrar las historias, las tradiciones y los artistas indígenas. También para elevar a las comunidades indígenas y transgénero de dos espíritus de Washington DC.

Noforoninay ny tarika mba hampiatoan'ny vondrompiarahamonin'ny teatra ao Washington ny fanesorana ireo vazimba teratany artista, ny fombandrazany ary ny tantaran'izy ireo. Ary koa, mba handrisihana ireo vondrompiarahamonina teratany sy ‘trans’ manana fanahy roa ao Washington DC.

Tany am-piandohana,  nantsoina hoe “Nelwat Ishkamewe” ny tarika, izay midika hoe “fàka vazimba teratany”. Novain'ilay tarika ny anarany ho fikambanana Artista Angel Rose mba hanomezany voninahitra an'i Angel Rose Garcia, vehivavy iray ‘trans’ 21 taona namoy ny ainy tamin'ny Desambra 2019.

The Cosmic Twins dia tantara an-tsehatra iray lalaovina ho an'ny tanora, arahana mozika sy dihy, miainga avy amin'ny Maya K'iche Pop Wuj, izay mitantara ny nanorenana izao tontolo izao, ary ny fomba nipoiran'ny masoandro sy ny volana.’

“Talen'ny fifandraisana tao amin'ny vondrompiarahamonin'ireo mahay fiteny roa i Angel Rose. Tena nampirehareha azy ny maha-Vehivavy Trans Nahua azy ary ny fandraisany anjara tanatina tarika iray mamàka ao anatin'ny fiteny Nawat,” hoy i Xemi tamiko.

Mamorona lalao an-tsehatra andraisan'ireo artista Nawat sy ‘Trans’ ny Fikambanana The Angel Rose. Roa tamin'ireo fiakarana an-tsehatra roa farany nontontosain'ny fikambanana ny Siwayul (Fon'ny Womxn iray) sy ny The Cosmic Twins. Rehefa nifandimby ny taona, niforonon'ny fikambanana ireo lalao an-tsehatra ho an'ny vondrompiarahamonina teratany ‘trans’,  isan'izany ilay tantara atao amin'ny fiteny telo antsoina hoe SIJSIWAYULU, izay midika hoe “Vehivavy Trans.” hoy i Xemi :

En los espacios, aseguramos que la comunidad Trans sea celebrada, y que puedan participar con su persona completa, mente, cuerpo, y espíritu.

Anatin'ireny habaka ireny, ataonay izay hiantohana ny hoe ankalazaina ny vondrompiarahamonina ‘Trans’ ary azon'izy ireo atao ny mandray anjara amin'ny maha-izy azy manontolo, ny sainy, ny tenany ary ny fanahin-dry zareo.

Tamin'ny 2020, najoron'ny Fikambanana Angel Rose ny sekoly virtoaly ho an'ny fiteny Nawat, tanjona amin'izany ny hitahirizana ilay fitenim-bazimba teratany izay efa toy ny nanjavona.

Ireo kilasy fampianarana fiteny dia ho an'ireo olona ‘trans’ sy olona cisgender izay manohana ny vondrompiarahamonina ‘trans’. Anaran'ny sekoly ny hoe Tamachtiluyan Shuchikisa An Ne Nawat, izay midika hoe “Sekoly Iroboroboan'ny Nawat amin'izao fotoana izao,”.

Xemi nilaza tamiko:

Abrimos nuestra escuela virtual con la meta de crear espacios alternativos para las comunidades Trans, Cuir, Inglesparlante, y migrante en la Diáspora y en El Salvador. Muchos espacios virtuales de aprendizaje del idioma Nawat son transmisogynistia, anti-Indigena, y solamente en Castellano.

Nosokafanany ny sekoly virtoaly miaraka amin'ny hetaheta hamorona habaka azo ianteherana ho an'ireo vondrompiarahamonina ‘trans’, pelaka, ny mpiteny anglisy, ary ny vondrompiarahamonin'ireo mpifindramonina sy ireo ao anatin'ny zanaka am-pielezana avy any Salvadaoro. Marobe ireo habaka virtoaly fianarana ny fiteny Nawat no mpankahala vehivavy ‘trans’, mpankahala vazimba teratany, ary [ampianarina] amin'ny fiteny espaniôla monja ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.