Manana hafatra ho an'ny mpiondana ‘Attack on Titan’ ny ‘Nosy Paradisa’ Filipina

Nendoroid Colossal Titan & Attack ao amin'ny andian-kilalao Titan Playset. Saripikan'i Charlie, Flickr (CC BY 2.0)

Paradis Island PH dia toeram-pialantsasatra iray ho an'ny mpizahatany ao Filipina ary tsy misy ifandraisany amin'ny Nosy Paradisa ao amin'ny andia-tantara mitohy manga sy anime “Attack on Titan” (進撃の巨人). Mba hampahazava izany kokoa, nanangana pejy Facebook ny Paradis Island PH [Nosy Paradisa PH] iantohana ho an'ny mpamaky sy izay mety ho mpitsidika fa tsy misy “titans” ao amin'ny toeram-pialantsasatra—ary nalaza haingana dia haingana ity resaka tsy misy ifandraisany ity.

Ity nosy fialan-tsasatra ity moa dia miorina ao amin'ny Farihy Lumot, Cavinti, ao amin'ny faritanin'i Laguna, atsimon'ny renivohitry ny faritra Metro Manila. Tolotr'ity toerana ity ireo karazam-pialam-boly ho an'ireo izay te-hanofa villas “sakaizan'ny tontolo iainana sady voakajy” eo amin'ny nosy an'olontsotra tsy azo idikidiram-poana.

Mandritra izany fotoana izany, ny Nosy Paradisa ao amin'ny “Attack on Titan” dia ilay toerana izay nifindràn'ny vahoaka Eldian indray sy nananganany rindrina avo dia avo ho fiarovana amin'ireo goavambe, izay tsy iza fa ny “titans.” Ny andian-tantara mitohy manga japoney ôrizinaly dia nosoratana sy no ravahan'i Hajime Isayama, ary ny endrika sarimiaina amin'ny andian-tantara no malaza tsy voafehy manerana izao tontolo izao amin'izao fotoana izao.

Ity taona ity no manamarika ny fizarana farany amin'ny andian-tantara ka mety hitarika ny olona hijery torohay momba ilay manga, ka ao anatin'izany ny fametrahana ny tantara ao amin'ny “Nosy Paradisa.”

Eken'ny Paradis Island PH ny fifanandrifiana anarana amin'ilay nosy ao amin'ity manga malaza ity ary nampiasainy izany hamoahana lahatsoratra manala azy kely amin'ny disclaimer [fanambaràna] ao amin'ny Facebook:

Disclaimer: Maraming kumakalat na balita online na ang Founding Titan ay nasa Paradis Island PH at itinatago daw namin ito. Sa mga hindi po nakakaalam, ang Founding Titan ay na kay Eren Yeager na, kasama ng Attack Titan at War Hammer Titan.

Kami ay isang inosenteng isla lamang sa isang lake sa Laguna at walang kinalaman sa mga Titans. ?
Maaari po kayong magpabook sa amin ng inyong events ngayong summer, masisiguro po naming magiging masaya at enjoyable ang inyong stay (at wala pong Titan na mambubulabog)

Fanambarana: Misy vaovao miely anjotra fa eto amin'ny Nosy Paradisa PH ny Mpanorina ny Titan [Founding Titan ] ary manafina izany izahay. Ho an'izay tsy mahafantatra, efa miaraka amin'i Eren Yeager i Founding Titan, ao anatin'izany ny Attack Titan sy ny War Hammer Titan.

Nosy tsy manantsiny ao amin'ny farihin'i Laguna izahay ary tsy misy ifandraisany velively amin'ny Titans. Afa-mamandrika ireo lanonana miaraka aminay mandritra ny andro mafana ianareo, manome antoka anareo izahay fa hahafinaritra tokoa ny fotoana iarahanareo aminay (ary tsy misy Titans hanelingelina anareo)

Ny Nosin'ny Paradisa ao Philippines. Tsy tokony afangaro amin'ny ‘Nosy Paradisa’ ao amin'ny Attack on Titan [Fanafihana ny Titan]. Pikantsary avy amin'ny Google Map

Lasa nalaza sy nifampizaran'ny olona ity lahatsoratra ity indrindra moa fa eo amin'ireo mahalala ny andiantsarimihetsika manga sy anime. Nisy ihany koa tranonkalam-baovao iray ao an-toerana namoaka tantara momba ilay filazana nalaza haingana ao amin'ny media sosialy.

Namoaka filazana mampihomehy ny pejy Facebook The Paradis Island PH mitsipaka ny hoe ry zareo no ao ambadiky ny lazaina ho Mpanorina ny Titan avy amin'ny horonantsary mitohy anime malaza hoe “Attack on Titan”.

Nahazo laza ihany koa ny lahatsoratra Facebook iray hafa avy amin'ilay orinasa mpandray vahiny (resort). Izany dia manondro ilay feon'ilay anime izay manasongadina ilay voambolana Japoney sasageyo (捧げよ, miantso iray hafa hanao sorona ny tenany ao anaty ady).

Paalala madlang citizen:

Napag-alaman po namin nitong nakakaraan na maraming nagchecheck at gusto bumisita sa lake at sa paligid ng Paradis. Pakiusap po sana, bawal po mag-ingay lalo na ang sumigaw ng “SASAGEYO SASAGEYO” pag nandon na sa lake. Ninenerbiyos po kasi yung mga guests pati yung caretakers namin.
Pag po ganyan, wala na po kaming choice, mapipilitan na kami magpalagay ng walls sa Paradis Island.

Fampahatsiahivana ho an'ny mpiray firenena:

Vao haingana izahay no nahalala fa betsaka ireo manadihady sy liana hitsidika ny farihy sy ny Paradisa. Miangavy anareo izahay, fero ny tenanareo tsy hitabataba ary aza mihiaka hoe “SASAGEYO SASAGEYO” rehefa eny amin'ny farihy ianareo. Mampatahotra ny vahininay sy ny mpikarakara izany. Fa raha mbola mitohy izany, dia tsy hanan-tsafidy izahay ka voatery hanangana rindrina amin'ny Nosy Paradisa.

Manantena isika fa hisy ireo fanavaozam-baovao hampihomehy hafa avy amin'ny Paradis Island PH hiresaka sompirana ny “Attack on Titan” indrindra moa fa mbola hamoaka tokon-tantara hafa ry zareo mandra-pahatonga ny volana Avrily.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.