Na inon-kidona, na inon-kihatra, isisihan'i Alpha Condé ny tsy maintsy hahazoana fepotoam-piasàna fanintelony

Mpitandro filaminana nandritra ny hetsika iray nataon'ny mpanohitra gineàna avy amin'ny Mandatehezana ho Fiarovana ny Lalampanorenana. Sary an'i Aboubacarkhoraa, nalaina tao amin'ny Wikimedia ary nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 4.0
Ny 15 Desambra, nanao fianianana ho an'ny fepotoam-pitondrany fanintelony ny filoha gineàna Alpha Condé taorian'ny fandresena azony tamin'ny fifidianana izay ho filohampirenena natao tamin'ny 18 Oktôbra ary nahazoany alàlana taorian'ny fitsapankevibahoaka iray natao tamin'ny 22 Martsa 2020, niaraka tamin'ireo fifidianana ny ho solombavambahoaka. Efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny taona 2010 ary tokony efa niala tamin'ny fitondrana i Alpha Condé ny taona 2020 raha ny voalazan'ny lalampanorenana gineàna izay tsy manome alàlana afa-tsy fepotoam-piasàna dimy taona roa misesy ihany ho an'ny tsirairay. Na izany aza, vao tonga ny lohataona 2019, nampahafantatra izy fa mety hanova lalampanorenana amin'ny fampanaovana fitsapankevibahoaka mba hahazoana fepotoam-piasana fanintelony indray.
Nanomboka tamin'ny 2019, niasa fatratra ho amin'io tokoa izy tamin'ny filalaovana ny rafitra pôlitika ka tsy nisalasala nanao hosoka tamin'ny dingam-pifidianana mba hahatratrarany ny tanjony. Nitoroka ireny tsy fanjariana gaovana ireny ireo fikambanana iraisampirenena, ary hatramin'ny fiarahamonim-pirenena sivily gineàna, saingy tsy nisy vokany satria mbola vitany ihany ny nampandany azy indray.
Nandritra ny fifidianana izay ho solombavambahoaka natao tamin'ny 2018, nandefa iraka roa tany Ginea ny Organisation internationale de la francophonie (OIF), mba hanampy io firenena io tamin'ny fizotry ny fifidianana, ary nahamarika tsy fahatomombanana goavana, ary dia nisintaka tamin'ny dingana fanarahamaso. Ao anaty tenimita iray tamin'ny 24 Febroary 2020, manamarika ny OIF fa na teo aza ireo fanamarihana nataon'ny mpitsirika tamin'ny 2018, mbola nahitàna “mpifidy miisa 2 490 664 niteraka olana ihany” tao anatin'ireo taratasy momba ny fifidianana, mpifidy izay tsy nanavao ny fisoratany tamin'ny 2019 teny anoloan'ny Kaomisiôna misahana ny fandrafetana sy fanitsiana ny lisitry ny mpifidy (CAERLE) kanefa dia mbola hita foana ao anatin'ireo taratasy momba ny fifidianana:
Ny fahabangana tsikaritra tao anatin'ireny tarehimarika ireny dia nahitàna betsaka indrindra ny momba ireo mpifidy efa nodimandry, tsy voasoratra anarana ary hatramin'ny anarana miverina. Rehefa atambatra, 98% amin'ireo mpifidy 4 490 664 no tsy manana antontan-taratasy ahafahana mamantatra azy, na dia karazana 6 aza ny taratasy voalazan'ny lalàna fa azo anamarinana ny mombamomba sy ny taonan'ny mpifidy.
Tsy ny OIF irery no nahatsikaritra tsy fetezan-javatra: ny Fiombonamben'ireo firenena ao Afrika Andrefana (CEDEAO), izay fantatra ihany koa fa mankasitraka ny fitondrana amperinasa, dia nisintaka koa tamin'ny zotram-pifidianana gineàna, narahan'ny Firaisambe Afrikana.
Nobodoin'ny fiarahamonimpirenena gineàna
Noho ny fisian-javatra hafahafa, naloan'ny ampahany tamin'ny Kaomisiôna tsy miankina misahana ny fifidianana (CENI) ao Ginea ihany koa ilay fitsapankevibahoaka natao tamin'ny Martsa 2020, ka notsipihany tamin'izany ireo tsy fahatomombanana tao anatin'ny lisitry ny mpifidy.
Araka izany, toy ny fanazavan'ireo mpanao gazety roa avy ao amin'ny guineematin.com, tany amin'ireo faritra rehetra mpanara-dia ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny Rassemblement du peuple de Guinée (RPG)-Arc-en-ciel, dia nahitàna tsy fahatombombanana goavana tamin’ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana:
Fitomboana mihoatra ny 54% teo anelanelan'ny 2015 sy 2019 no nomen'ireo namorona io lisitra io ho an'ireo mponina mpifidy ao Kankan fotsiny [ny tanàna faharoa ao amin'ny firenena]. Ho an'ny firenena manontolo dia 30% io fitomboana io.
Tena ratsy, tsikaritry ny sasany tamin'ireo kaominina ao amin'ny firenena fa nitombo avo roa heny ny isan'ny mponina afaka mifidy tao aminy tao anatin'ny 4 taona.
Mbola tena ratsy koa, lasa nihoatra noho ny isan'ny mponina afaka mifidy ao aminy ny an'ny sasany amin'ireo kaominina : Mandiana Afovoany (mpifidy = 133.75% amin'ny mponina), Doko (Siguiri) : 104.78%, Kouriah (Coyah : 102.07%).
Baiko tokana ny an'i Alpha Condé : mifikitra amin'ny fitondrana amin'ny fomba rehetra
Noho ny tsindry avy eny an'arabe, neken'i Condé ny hangataka amin'ny CENI mba hamerina hijery ny lisitry ny mpifidy mialoha ny fitsapankevibahoaka, no sady mandà ihany ny hilefitra manoloana ny fitakian'ireo mpiaradia aminy ao amin'ny CEDEAO mba tsy hisisika haka fepotoam-pitondrana fanintelony intsony.
Araka izany, ny isan'ireo mpifidy dia tafaverina ho 5.325.137 raha 7 764 130 teo aloha. Taorian'io fihenana io, vitan'ny Firaisambe Afrikàna sy ny CEDEAO ny niverina nitondra fanohanana ny fifidianana tao Ginea tamin'ny faran'ny Febroary, rehefa noheveriny ho ampy ireny fanitsiana natao tamin'ny lisi-pifidianana ireny.
Ao Ginea, nandà tsy handray anjara tamin'ilay fitsapankevibahoaka anefa ny mpanohitra sy ny fiarahamonina sivily mivondrona ao anatin'ny Mandatehezana ho Fiarovana ny Lalampanorenana (FNDC), ary nampitombo ireo hetsipanoherana. Herisetra no navalin'ny fitondrana izany tamin'ny fanapariahana ireo mpitandro filaminana. Ny 12 Oktôbra, nampahafantarin'ny FNDC fa tao anatin'ny taona iray, tafakatra 90 ny isan'ireo niharamboina.
Naboraky ny Amnesty International (AI) tao anaty tatitra iray tany ampiandohan'ity taona ity fa teo anelanelan'ny Oktôbra 2019 sy ny Febroary 2020:
10 raha kely indrindra ireo fihetsiketsehana noraràn'ny manampahefana, fanitsakitsahana ny zo hanana fahalalahana hanao fihaonana am-pilaminana. Olona efapolo any ho any no tratry ny fitànana am-ponja miafina, any anaty tobin-tafika ao Soronkoni, ao amin'ny faritra Kankan.
Vakio ihany koa: Nahazo alàlana hitifitra raha vao mahita ireo miaramila gineàna
Ao Conakry renivohitra, na ny fitanjozoran'ny mpandevina aza dia petahan'ny mpitandro filaminana ihany koa, hoy ny AI:
Ny 4 Novambra [2019], efatra raha kely ireo olona maty voatifitra tao Conakry nandritra ny filaharana handeha handevina, nokarakaraina hanomezana voninahitra an'ireo olona 11 maty nandritra ireo hetsipanoherana tamin'ny volana lasa. Ny 14 sy 15 Novambra, efatra raha kely ny olona maty nandritra ny hetsipanoherana iray naparitaky ny mpitandro filaminana. Ny 21 Novambra no maty noho ny ratra nahazo azy ny olona fahadimy.
91,59% tamin'ireo vato 2.856.675 nanan-kery tamin'ireo mpifidy niisa 5.325.137 neken'ny CENI no nandàny ny lalampanorenana vaovao, nandritra ilay fitsapankevibahoaka tamin'ny 22 Martsa. Nandritra io fifidianana io, niantso ireo rehetra mpikatroka ao aminy ny mpanohitra mba hanakana ny fanaovana azy io, tamin'ny fanamarihana fisiana tsy fahatomombanana maro hafa toy ny fanovàna ny votoatin'ny lalàna nankatoavina.
Fandresena ho an'i Condé
Ny niafarany dia natao tamin'ny 18 Oktôbra 2020 ihany ny fifidinana izay ho filohampirenena, ka 12 no fitambaran'ireo mpifaninana, izay marobe no minisitra taloha nivoaka avy tao amin'ny governemantan'ny filoha nitondra farany.
Ny kandidà roa nisongadina dia ny filoha Alpha Condé sy Cellou Dalein Diallo, filohan'ny mpanohitra, mpitarika ny Fikambanan'ny Hery Demaokratika ao Ginea (UFDG) ary avy amin'ny foko “peul” monina ao avaratry ny firenena izay manome ny ampahatelon'ny mponina. Tsy nisalasalan'i Condé ny nampiasa ny fanondroana ny foko niavian'i Diallo ho entina manaratsy azy. Tao amin'ny faritr'i Kankan, nosakanan'ireo mpikatroka mpiaradia amin'i Condé tsy hanao fampilelezankevitra i Diallo.. Norobain-dry zareo ireo toerampivarotana an'ny Peuls hitany tao an-tanàna ary novonoin-dry zareo ny ombin'ireo mpiompy avy amin'io foko io tao amin'ny soba-prefektioran'i Koumban.
Ny vokany, raha ny vokatra ofisialy dia nandresy tamin'ny fifidianana i Condé ary azony tamin'ny 60% latsaka kely tamin'ireo vato manankery ny fepotoam-pitondrana fanintelony, raha 33% kosa no azon'i Diallo, ilay mpifaninana mivantana taminy. Hatramin'ny andro nanaovana ny fifidianana, ireo mpitandro filaminana no nameno ireo biraon'ny UFDG, tsy nisy anefa na kely aza fanenjehana ara-pitsarana natao azy.
Toy ny fitanisàn'i Elhadj Ousmane Baldé azy araka ilay lahatsoratry ny mpanao gazety Pathé BAH, ho an'ny VisionGuinee.Info, mitohy ny fanamparam-pahefana:
’Miditra an-kery any an-tokantranon'olona ny mpitandro filaminana, mamotika toeram-pivarotana, manjera vilany, manimba fiara sy môtô, fahitalavitra, manapitsoka armoara, manolana vehivavy sy ankizivavy, mangalatra firavaka sy vola, solosaina, telefaona, akanjo, vary, siramamy sy menaka’’ El Hadj Baldé nomena anaram-bosotra hoe “Ilay ambonin'ny lalàna” no Filohan'ny Fandrindràna nasiônalin'ireo “fulbés” [dika ho an'ny peuls] sy ny “haali pular” [dika ho an'ireo mampiasa ny fiteny peul] ao Ginea (CNFHPG).
Tamin'ny kabariny i Condé dia nanasa ireo mpiray tanindrazana aminy “hanadino ny lasa” ka hibanjina “hoavy iray misy firaisankina sy fanantenana”. Saingy ao anatin'ny toedraharaha misy amin'izao fotoana izao, toa sarotra ho tanterahana ny faniriana tahaka izany: mbola maro ireo mpanohitra no any am-ponja ary namoy ny ainy ny mpiaramiasa iray amin'i Diallo; toy ny nanamarihan'i Souleymane Souza Konaté, mpikambana iray avy amin'ny UFDG:
Détenu à la sûreté, célèbre prison du régime actuel, l'activiste et prisonnier politique Roger Bamba est mort.
Nous appelons le monde à tenir les dirigeants guinéens pour responsables de l'assassinat des prisonniers politiques.
Repose en paix cher oncle ! @Cellou_UFDG pic.twitter.com/eOWND9ter8— Souleymane souza Konaté (@Dimiola_soloman) December 17, 2020
Voafonja ho fitsinjovana ny filaminana, fonja malazan'ny fitondràna amin'izao fotoana, maty i Roger Bamba ilay mpikatroka sady gadra noho ny pôlitika .
Antsoinay izao tontolo izao hitazona an'ireo Gineàna mpitarika ho tomponandraikitra amin'ny famonoana olona nogadraina noho ny pôlitika.
Mandria am-piadanana dadatoa malala ! @Cellou_UFDG
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...