Ny 14 Desambra, miaraha aminay HIRESAKA MIVANTANA ny ‘Belarosia 2020: Mbola mampakatra hatrany’

Ny 14 Desambra amin'ny 3 tolakandro UTC/GMT miaraha amin'ny Global Voices mandritra ilay andiana fifampiresahana virtoaly voalohany amin'ny GV Insights : “Belarosia 2020:  Mbola mampakatra hatrany?”— adihevitra mivaingana momba ny revôlisiôna belarosiàna 2020 iarahana amin'ireo manampahaizana manokana avy any Belarosia sy ny faritra ary ireo mpikambana ato amin'ny vondrompiarahamonina Global Voices. Alefa mivantana amin'ny Zoom sy Facebook Live ny hetsika.

Taorian'ny fifidianana izay ho filohampirenena natao tamin'ny 9 Aogositra, novakian'ny resaka pôlitika ho roa ny fiarahamonina belarosiàna, ka ny iray manohana an'i Alyaksandr Lukashenka,  izay nitàna ny fahefana teo amin'ny firenena nanomboka tamin'ny 1994, ary ny iray manohana an'ilay mpirotsaka avy amin'ny mpanohitra Sviatlana Tsikhanouskaya ho toy ny filohampirenena efa voafidy raha ny marina. 

Ny revôlisiôna misy amin'izao fotoana izao ao amin'ny firenena dia niainga tamin'ny endrika fihetsehana an-dalambe tsy mbola nisy toa azy, nahitàna fanetsehana vehivavy marobe, sy fandrindràna vaovao nataon'ireo mpikatroka teny anaty tambajotra, ary koa ny herisetra tafahoatra nataon'ny fanjakana, isan'ireny ny fanjavonan'olona, fahafatesana, fanolanana, fampijaliana ary ny fampidirana am-ponja olona an'arivony maro. 

Tsidiho ny Belarosia anaty fisafotofotoana, fanangonana ireo fandrakofana midadasika be nataon'ny Global Voices tamin'ireo tranga misy any Belarosia nandritra ny 2020

Hanaovana jeritodika sy ho fanazavana ireo tranga niseho tao anatin'ny volana efatra dia nasainay i:

  • Maryia Sadouvskaya-Komlach, mpandalina media sady mpanao gazety avy amin'ny Belarus and Team Lead ho an'ny faritra Eurasia ao amin'ny Free Press Unlimited any Pays-Bas. i Mariya koa, manana Master amin'ny asa Fanaovana Gazety miresaka pôlitika avy amin'ny Anjerimanontolon'i Kôlômbià, dia namana mpivahiny ao amin'ny Center for European Policy Analysis (CEPA) – Ivontoerana Fandalinana ny Politika Eorôpeàna.
  • Rufina Bezlova, artista avy any Belarosia mipetraka ao Prague izay nandrary ilay taokanto vita tamin'ny amboradara lasa iray amin'ireo sary famantarana tena fanta-bahoaka tamin'ireo hetsipanoherana belarosiàna.
  • Gregory Asmolov, manampahaizana amin'ny sehatry ny fandraharahàna nomerika, ny haivarotra ary ny fampitambaovao anaty krizy miaraka amin'ny fahalinana manokana amin'ny fomba ahafahan'ny fandraharahàna nomerika mandray anjara amin'ny fizakàna dona sôsialy sy ny fiatrehana ireo kazarana endrika krizy. Gregory, toniandahatsoratra fahiny tato amin'ny Global Voices, dia nonina sy nianatra tany Rosia, Israely ary UK izay toerana nahazoany ny PhD tao amin'ny “London School of Economics and Political Science (LSE).

Handrindra ny hetsika i Maxim Edwards, toaniandahatsoratry ny Global Voices Rosia sy Eurasia, hotronin'i Filip Noubel, lehiben'ny toniandahatsoratra ato amin'ny Global Voices, samy efa nanao fandrakofana ireo hetsika no sady nitafa tamin'ireo mpisehatra fototra sy vavolombelona tamin'io revôlisiôna io

Malalaka sy misokatra amin'ny daholobe ny adihevitra ary ho alefa mivantana amin'ny Zoom ao amin'ny https://us02web.zoom.us/s/89146898846, sy Facebook Live ao amin'ny https://www.facebook.com/globalvoicesonline.  Ho afaka mitondra fanehoankevitra ireo mpijery ary koa mametraka fanontaniana amin'ireo mpandray fitenenana. Hatao amin'ny fiteny anglisy ny fotoana. Misorata anarana eto mba hahazo fampahatsiahivana momba ilay fivoriana.

Manantena ny hahita anareo hiaraka aminay amin'io Alatsinainy 14 Desambra io, amin'ny 3 ora tolakandro UTC (potsiro eto hahitanareo ny ora mifanandrify amin'ny faritra misy anareo)!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.