Pakistàna : Nibaboka ilay mpamono olona misesisesy fa nampiasa ny tambajotra sôsialy hamandrihana ireo pelaka hovonoiny

Pikantsary avy amin'ny tatitra fanadihadian'ny Samaa TV. 26 Aprily 2013, nandritra ny antsafa iray nifanaovany tamin'ny Sama TV, niaiky fa namono lehilahy 3 pelaka ny lehilahy iray 28 taona.
Lahatsoratra anglisy niandohana, nivoaka tamin'ny 3 May 2014
Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amina tranonkala amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato.
Tsy nahavita nampitony ny ahiahin'ireo vondrompiarahamonina LGBT ao Pakistàna ny nisamborana tamin'ny faran'ny Aprily 2014 an'ilay mpanao vonjy aina, 28 taona, niteraka roa: nampangaina ho namoky zavamahadomelina ary avy eo namono pelaka telo tao Lahore ity lehilahy ity, rehefa avy nifandray tamin'izy ireo tao amin'ny tambajotra sôsialy.
Taorian'ny nisamborana azy, niaiky ho nanao ireo heloka bevava ireo ilay lehilahy mba hiampangàna ny fiparitahan'ny fametavetàna zaza sy ireo firaisana ara-nofo ifanaovan'ny olona mitovy taovampananahana. Atahoran'ireo mpikatroka sasany ny hitehafana azy ho toy ny maherifo « mpankahala-LGBT ».
Sarotra be izany hoe ho pelaka izany ao Pakistàna. Mifanohitra amin'ny lalàna [fr] ny fahapelahana ao, ary na ohatra aza ny fanjakàna ka tsy mikendry mibaribary ireo pelaka sy zara raha manameloka azy ireny amina sazy mavesatra voarakitra ao anatin'ny lalàna, tsy dia leferina loatra ireo pelaka sahy miseho masoandro.
Ao anatin'io firenena io izay miozolmàna ny ankamaroan'ny mponina, voahilikilika ara-tsôsialy ireo pelaka, lahy sy vavy, ary miatrika ny tsy fankatoavana sy ny fanavakavahana any anaty toedraharaha maro isankarazany any. Misy mitazona ny maha-izy azy ny sasany amin'ireo mpikambana ao anatin'ny vondrompiarahamonina LGBT ary miady ny mba hanekena ny zon'izy ireo ao Pakistàna. Saingy marobe ireo lehilahy misafidy ny hiaina miafina : mitady vehivavy, sy zanaka ry zareo, ary ny fanajàna ara-piarahamonina [mifamatotra amin'io sata ara-panambadiana io], nefa etsy andaniny dia, somary miafinafina, manao ilay fomba fanaony pelaka eny ihany tsindraindray.
Nolalovan'ilay voalaza ho mpamono olona ny tao amin'ny Manjam, ilay milaza azy ho « tambajotra sôsialin'ny pelaka », mba hifandraisany amin'ireo hovonoiny. Izany no fibabohana nataony nandritra ny antsafa iray naharitra 20 minitra [ur] nataony ho an'ny Samaa TV, ilay mpampahalala vaovao ety anaty aterineto amin'ny fiteny ourdou , avy any am-ponja nitazonana azy. Avy eo ny Samaa TV dia norarafan'ny fantsy avy amin'ireo mpikatroka ety anaty tambajotra, izay miampanga azy ho nanome sehatra an'ilay voalaza ho mpamono olona. Voarara ao Pakistàna izao ilay tranonkala ary nanambara fa mety tsy hisokatra amin'ireo tsy mpikambana ao Pakistàna mandra-pisian'ny fepetra vaovao indray.
Nandritra ilay antsafa, niaiky ny vono nataony ilay lehilahy. Notantarainy ihany koa fa efa nisy namandrika izy ary nisy mpianatra be taona noho izy nanolana azy fony izy mbola tany amin'ny kilasy CM2 [kilasy fahadimy amin'ny ambaratonga fototra]. Nohamafisiny fa notateriny tamin'ny polisy sy ny tao an-tsekoly ny zava-nitranga, saingy tsy voahelingelina mihitsy ilay nanolana azy satria avy amina fianakaviana matanjaka.
Ato ny sombiny avy tamin'ilay antsafa [ur] voadika avy amin'ny fiteny ourdou :
« Ananako tsara ny antony : ny ratsy miparitaka eny anivon'ny fiarahamonintsika noho ireo olona manome lamosina miala amin'ny làla-mahitsy ary manimba ny fiainan'ny hafa. Tsy noho ny filàna no maha-pelaka azy ireny. Fialamboly ho azy ireo ny fanaovana firaisana samy pelaka. Toy ny hoe manao fanatanjahantena no fandraisan-dry zareo azy io. » [04:13-31]
Ny mpanadihady : « Tsy nanenina ve ianao hoe namono olombelona iray? »
Ny voampanga: « Tsia, nanadio ny fako aho […] Saingy malahelo aho ho an'ireo olona akaiky an-dry zareo […] Tsy ny tsara ilay fomba nataoko […] » [08:00-45]
« Miteraka tsy rariny marobe eny anivon'ny fiarahamonintsika ny fahapelahana. Misy olona iray manao azy io amina iray hafa, manazatra azy amin'izany, ary ity farany dia manery [amin'ny toerany indray avy eo] olona iray hafa hiaraka hanao toy izany aminy. » [13:35-49]
« Tsy mihevitra an'ireny olona ireny ho fako aho. Fa ny fahazaran-dry zareo dia izay mihitsy […]. » [14:45-54]
Ho setrin'ity fibabohana tao amin'ny Samaa TV ity, ilay Pakistaney mpiaro ny zon'ny LGBT, Hadi Hossain, dia namoaka taratasy misokatra iray tao amin'ny Scroll.in, ka ao anatin'izany no anamafisany fa novakian'ilay raharaha, tamin'ny fomba tsy nampoizina, ny fahanginan'i Pakistàna manoloana ny fahapelahana :
I want to respond to some things you said on that show. That is important for me because I am part of the “kachra” (garbage), the word you used to describe gay men.
[…]
You thought that your actions would instill fear of death in us. Community members initially panicked. Some existing online forums and groups were deleted. But you forgot our undying resilience which has motivated us since childhood. We have been bullied, abused, kicked, mocked, shoved, taunted, punished, violated. All our lives, we have been told by the zealots of this hetero-normative society that we need to change, or live in shame for being who we are, live in constant fear of being discovered and to remain guilty of what we do. What we have faced has been more fearful than death.
Te-hamaly zavatra vitsivitsy voalazanao tao anatin'io fandaharana io aho. Manandanja be izany amiko satria isan'ireo «kachras» (fako) aho, teny nampiasainao hanondroana ireo pelaka.
[…]
Nino ianao fa hiteraka tahotra fahafatesana tao anatinay ny hetsika nataonao. Tamin'ny voalohany dia nisavoritaka ireo mpikambana ao anatin'ny vondrompiarahamoninay. Nisy vondrona sasantsasny sy karajia an-tserasera nofoanana. Saingy tsy isalasalàna fa adinonao ny fikirizana tsy misy tomika lalimpàka ao anatinay efa hatrany amin'ny fahazazàna. Nozakainay ny setrasetra, ny fanaovana tsinontsinona, ny daka, ny esoeso, ny tositosika, ny fihomehezana, ny fanasaziana, ny fanolànana. Nandritra ny androm-piainanay, niteny taminay ireo mafana fo tafahoatra mpandàla ity fiarahamonina miaina ny fenitry ny fifanambadian'ny lahy sy vavy ity hoe tokony hiova izahay, raha tsy izany dia hiaina anaty henatry ny maha-izahay anay hatrizay, hiaina anaty tahotra tsy mitsahatra sao ho tratra ary hahatsapa tena mandrakariva ho meloka amin'ny ataonay. Mbola mampivarahontsana lavitra noho izay fahafatesana raha ny efa natrehanay.
Bilaogera iray tsy nitonona anarana tao amin'ny Pious Sluts no niampanga ny Samaa TV tamin'ny nanandratana ilay mpamono olona ho amin'ny toeran'ny maherifo ara-pinoana tao amin'ny fandaharana nalefan-dry zareo :
Have you ever wondered that the guy who killed three other guys is a monster? What’s worst that you made a patient of necrophilia a hero! Wow! I must laud your efforts for actually shifting the blame onto victims. Isn’t it what this society told you? Like we have our national leaders and Islamist barons demanding that if a raped woman cannot bring 4 male eye-witnesses she must keep her silence or die!
Dia tena tsy tao an-tsainareo mihitsy ve hoe toy ny biby anie ity lehilahy nahavita namono lehilahy telo hafa ity ? Inona no ratsy indrindra miohatra amin'ny zavamisy hoe nasandratrareo ho maherifo ny olona iray mpankamamy filalaovana faty ? Ouah ! Tokony hiarahaba anareo angamba aho satria vitanareo ny nanjera ny hadisoana ho any amin'ireo niharam-boina. Moa tsy izany ve no nampianarin'ity fiarahamonina ity anareo ? Tsy misy hafa amin'ireo mpitondra antsika eto amin'ny firenena sy ireo olobe islamista mitaky hoe mila mitondra lehilahy efatra ny vehivavy iray voaolana mba hataony vavolombelona nahita maso, raha tsy izay dia akombony ny vava na matesa any!
Matetika mampanontany tena ny anjara toeran'ireo media pakistaney amin'ny adihevitra momba ny zon'ireo olona pelaka. Tonga tao amin'ireto olondroa miara-miaina ny mpanangom-baovaon'ny fantsona iray, ary niampanga ilay lehilahy ho nanao firaisana samy pelaka, dia nametraka izany tany amin'ny pôlisy no sady nitaky ny hanamafisana ho henjana ny lalàna manenjika ny fahapelahana. Fa nandritra ny antsafa nifanaovany tamin'ilay voalaza ho mpamono olona, ilay mpitatitra vaovao tao amin'ny Samaa TV kosa, tsy nitsara mihitsy (na namoaka hevitra) momba ny maha-pelaka.
Tao amin'ny Twitter, tsikaritr'ilay mpanatontosa, Sana Haq, ny fiantraikan'ilay raharaha:
Le Pakistan n’est pas prêt pour cette conversation, mais cela s’impose à nous ici sous la forme de trois homosexuels morts.
— Sana Haq (@sanaattiqhaq) 29 Avril 2014
Tsy vonona ho amin'io adihevitra io i Pakistàna, saingy mitambesatra amintsika eto ilay izy, amin'ny endrika lehilahy pelaka telo maty.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...