Lasibatra kokoa mihoatra noho ny hafa ve ny olompirenena sasany ao Trinidad-sy-Tobago raha resaka lalàna momba ny COVID-19 no resahana?

Sombin-tsary tamin'ny bemidina nataon'ny sampandraharahan'ny pôlisin'i Trinidad-sy-Tobago (TTPS) tamin'ny fety “Zesser” tao afovoan-tanànan'i Trinidad ny 22 Novambra 2020. Pikantsary nalaina tao amin'ny tati-baovao iray an'ny TTT momba ilay lanonana, napetraka tao amin'ny fantsona Youtube-n'ny TTT Live Online.

Taorian'ny nanaovan'ny polisin'i Trinidad-sy-Tobago (TTPS) bemidina tao amin'ny fety iray nisy vidim-pidirana izay tena mbola tao anatin'ny hafanany tanteraka ny maraimben'ny 22 Novambra, nefa tsy nisy nanao arotava na fanajàna ny elanelana sôsialy akory, dia nihevitra ireo mpampiasa aterineto fa misy ny mizàna tsindrian'ila, raha vao fampiharana ny fepetra momba ny COVID-19 no resahana..

Niato tampoka ilay “Fety Zesser,” araka ny fiantso azy, rehefa nosamborina ny olona 250 teo ho eo nanatrika ilay hetsika tao afovoan-tanànan'i Trinidad. Ambaran'ireo tatitra avy ao an-toerana fa isan'ireo voatàna ny vehivavy, ankizy ary ireo mpandihy tao an-toerana, ary nambara koa fa isan'ireo nanatrika tao ireo tondroina ho mpikambana anaty andian-jiolahy.

Tanaty fanambaràna fohy iray teo amin'ny pejiny Facebook ofisialy, nanamarika ny pôlisy hoe ireo tonga nanatrika ilay fety dia nanitsakitsaka ny andininy iray ao anatin'ny fepetra ara-pahasalamana natao ho an'ny daholobe momba ny COVID-19 izay mifandraika amin'ny fanaovana lanonana sy fety ho an'ny daholobe.

Tao amin'ny pejy Facebook azy manokana, nilaza ny kaomiseran'ny pôlisy, Gary Griffith, fa “ho henjanin'ny pôlisy ny fikendrena sy fanakatonana ireo fety rehetra manana izay endrika izay sy atao any anaty toerana an'olontsotra, na natao ho an'ny daholobe.”

Kanefa, ny 21 Novambra, nisy fampakarambady “goavana” tao amina toeram-ponenana iray  misy ireo manankatao tsy lavitra teo, izay voalaza fa notronina vahiny maro nasaina, ka isan'izany ireo “olobe avy amin'ny fanjakàna” izay ny vitsivitsy ihany no nanao arotava, saingy tsy natsahatra, mahatonga ireo maro mpampiasa media sôsialy hanontany tena momba ny mampahomby na tsia ireo fepetra napetraky ny firenena hiadiana amin'ny COVID-19 sy ny fomba fampiharana azy ireny.

Amin'izao fotoana izao ireo fepetra momba ny fahasalamambahoaka ao Trinidad-sy-Tobago dia mametra ny famoriambahoaka tsy hihoatra ny olona 10, na tsy dia mazava loatra aza ny hoe mihatra sa tsia amin'ny tanànan'olontsotra ireo fepetra.

Notohizan'i kaomisera Griffith :

Ny tanjona manaraka dia ny hanakana ireny fety Zesser ireny, izay anandraman'ireo mpikarakara manao fanamby amin'ny rafitra napetraka, amin'ny fampiasàna ny karatra fahafahana mivezivezy malalaka ka ilazàny fa anaty fari-ponenan'olontsotra ilay izy.

Ny fanambaràny, izay mikendry manokana ny kolontsaina Zesser, dia mahatonga ireo marobe mpampiasa aterineto hihevitra hoe mifototra amin'ny saranga sy foko niaviana ny fampiharana ny lalàna, fa tsy ampiharina amin'ny sehatra rehetra.

Tena zavatra hafa mihitsy ny momba ireo olona manasa ny fianakaviany na namany miisa vitsivitsy ho ao an-tranony, anaty faritra mihidy azy manokana, satria tsy misy lalàna nohitsahina, saingy manana andraikitra ry zareo hanao zavatra mifanaraka amin'ny fepetra sy torolàlana momba ny COVID-19. Tsy misy mihitsy itovizan'io amin'ireo fety Zesser, izay alohan'ny lanonana dia anaovan'ireo mpikarakara azy dokambarotra, ary mandoa vola ny olona mba ho afaka miditra ao amin'ilay toerana izay tsy fantany akory aza ny tompony, ary mbola misy koa aza ny toerana fisotroana aloa vola mandritra ilay lanonana. Manaisotra ny zo fampiasàna ny karatra hahafahana mivezivezy malalaka io, noho izy atao anaty toeram-ponenan'olontsotra, satria horaisin'ny pôlisy ho toy ny fanitsakisahana ny lalàna.

Namparikivy ny vavan'ny olona ilay fifanoheran-javatra, ary dia nizara ny ahiahiny ry zareo  — tamin'ny alàlan'ny WhatsApp sy ireo sehatra media sôsialy hafa — hoe ny sampontsampona tahaka izany dia hanampy trotraka ny ahiahin'ny vahoaka, hiafara amin'ny tsy fanajàna misimisy kokoa ireo fepetra napetraka.

Toy ny nanontanian‘ilay mpampiaza Facebook Panchoo Narine:

Fety Zesser vs Fampakarambady Mizintizinty…Izany no ilazàna azy hoe misy Lalàna 1 ho an'ny Mpanana & Lalàna 1 ho an'ny Mahantra….Malalaka ve ny fety Zesser? Natao ho an'ny mahantra ve ny fety Zesser?

Ho avy izao ny Krismasy, fotoana iray ao anatin'ny taona izay efa mahazatra ny fahitàna fitomboan'ny lanonana sy fihaonambe (nilaza ny praiminisitra Keith Rowley fa tsy hisy amin'ity taona ity fety hotohanan'ny fanjakàna izany hataon'ny eny amin'ireo sehatry ny asam-panjakàna, ary nangatahany mba hanao toy izany koa ireo orinasa tsy miankina amin'ny fanjakàna sy ny olompirenena rehetra) ary mbola mitohy mitombo ny tranga COVID-19 ao amin'ny firenena, ny hantsana eo anelanelan'ny lalàna sy ny fomba fampiharana azy dia olana iray tsapan'ny maro fa mila jerena tsy misy hatak'andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.