
Pakistan International Airlines Zotra PK-8303 – Sary fanehoana: AP-BLD, ilay fiaramanidina niharan-doza tamin'ny taona 2015. Sary tao amin'ny Wikipedia avy amin'iAasif Azaan. CC BY-SA 4.0.
Tamin'ny 22 Mey, nianjera minitra vitsy talohan'ny nitodiany ny zotram-piaramanidina Pakistan International Airline (PIA) niala tao Lahore, faritanin'i Punjab, ho any Karachi, faritanin'i Sindh. Olona miisa roa no velona tamin'ireo mpandeha rehetra miisa 99 tao anaty fiaramanidina. Tamin'ireo mpandeha, nandray fiaramanidina mba hankalaza ny Eid hiaraka amin'ireo hava-tiana ny ankamaroany, sivy ny isan'ny ankizy tao anatin'izany. Nianjera tamin'ny toeram-ponenana ny fiaramanidina ary naharatrana olona miisa 11 teo amin'ilay toerana sy nahafatesana olona iray. Nanimba trano maro ihany koa izany.
Maro no nanakiana ny tsy fahombiazan'ny fitondram-panjakana tao an-toerana sy ny orinasam-piaramanidina rehefa nikasa hamantatra ireo havan-tiany ny fianakaviana nidonam-pahoriana. Nahazo fanakianana ihany koa ny anjara asan'ny fampitam-baovao sy ny fiparitahan'ny fampahalalam-baovao diso momba ilay fianjerana.
Nahatara ny ezaka tamin'ny famantarana ireo niharam-boina ny tsy fisian'ny fiaraha-miasa teo amin'i Sindh sy Punjab
Tamin'ny alàlan'ny fampitoviana ADN no hany safidy tokana nahafahana namantatra ireo niharam-boina noho ny ratra nahavoa azy ireo. Nangatahana hanome sationana ADN ny fianakavian'ny niharam-boina; nilona ny dingana anefa noho ny tsy fifanarahana teo amin'ny mpitondra fanjakana any Punjab sy Sindh. Tsy namela ny Sampan-draharaha Ara-tsiantifika any Punjab (PFSA) hitondra ny santionan'ny ADN ho any Lahore (any amin'ny 1200 km) any amin'ny faritanin'i Punjab i Dr Azra Fazal Pechuho, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka any amin'ny faritanin'i Sindh. Nilaza kosa izy fa hotiliana ao amin'ny Laboratoara Ara-tsiansa/Zenôma akaikin'ny Oniversite Karachi, faritanin'i Sindh ny santionana ADN.
Fianakaviana maro no nitaraina herinandro taorian'ilay fianjerana fa mbola miandry ny manampahefana hampahafantatra azy ireo momba ny famantarana ny havany sy ny dingana amin'ny famerenana ireo olon-tiany. Nilaza ihany ny olona sasany fa manana laboratoara ara-tsiansa tsara kokoa izay afaka manome ny valim-pitiliana ao anatin'ny iray andro ny faritanin'i Punjab.
1 week on,mother who lost 2 children in #PIACrash still trying to find their remains
Flawed DNA sampling & delay in results adding to the pain of victims
I wish Pak govt rather than get 2gether in saving head of PIA,ensure the quick identification process
pic.twitter.com/KUmKDQqPae— Nida Peerzada (@PeerzadaNida) May 30, 2020
Herinandro no lasa, mbola miezaka mitady ny vatana mangatsiaka an'ireo zanany roa maty tamin'ny fianjeran'ny PIA ny renim-pianakaviana iray.
Nanampy trotraka ny alahelon'ireo nidonam-pahoriana ny tsy fahombiazana sy ny fahataran'ny valim-pitiliana ADN.
Manantena aho fa hamaha haingana ny dingana famantarana ireo niharam-boina ny governemantan'i Pakistan fa tsy hamonjy fotsiny ny lohan'ny PIA.
Nentina tany amin'ny hopitaly roa samihafa tany Karachi ireo razana ary tany ireo fianakaviana sasany no niezaka nitady ireo olon-tiany tamin'ny alàlan'ny entan'izy ireo. Naneho ny ahiahiny i Faisal Edhi, filohan'ny fikambanana fiahiana ara-tsosialy Edhi Foundation, rehefa nalain'ny fianakaviany ankeriny tsy nisy fitiliana ADN ny razana miisa 19:
…since the bodies were badly burnt, there are high chances that they were wrongly identified, considering that there are possibilities of deceased belongings getting exchanged.
… Satria may tanteraka ireo razana dia mety hitranga ny fahadisoana eo amin'ny famantarana azy ireo satria mety nisy ny fanovana teo amin'ireo entan'ireo maty.
Niteraka fahatarana bebe kokoa tamin'ny fizotran'ny famantarana ny ambin'ireo razana izany.
Anisan'ireo mpandeha ny vadin'i Arif Iqbal Faruqui sy ny zanany miisa telo ary raha efa hita mialoha tamin'ny dingana ny vadiny sy ny zanany iray dia voalaza fa mbola tsy hita kosa ny zanany roa. Niangavy fanampiana tamin'ny Praiminisitra Imran Khan izy tao anatin'ny horonantsary Facebook.
Herinandro vao hitan'i Faruqi ny zanany roa noho ny fanampian'ny zaodahiny, Faizullah Jawad sy Dr. Khurram, lehiben'ny Laboratoaran'ny Siansa sy ADN ao Punjab. Nilaza izy fa mila fanatsarana ny rafitra mba hiatrehana ny toe-javatra toy izao amin'ny hoavy.
Ny andraikitry ny PIA
Naneho ny ahiahiny ny fianakaviana momba ny tsy firaharahian'ny PIA, ny tsy fisian'ny fandrindrana ary ny fomba fikarakaran'ny tompon'andraikitra voakasiky ny raharaha. Nitaraina ireo fianakaviana momba ny tsy maha-matihanina sy ny fomba fandraisan'ireo mpiasan'ny fiaramanidina rehefa miresaka na mamaly fangatahana.
Nisioka momba ny fihetsika tsy misy fanajana, tsy miraharaha ary tsy matihanina avy amin'ny PIA i Adil Rahman, izay namoy ny ray aman-dreniny nandritra ny fianjerana ary nitantara ny fahoriany ihany koa tao anatin'ny sioka manaraka.
I lost both my parents in this tragic & horrific crash. I submit to Allah’s will. However the ordeal we are suffering at the hands of #PIA is inexcusable. Callous, Insensitive, incompetent…. #PIAPlaneCrash
— Adil Rahman (@Arnahstl) May 26, 2020
Namoy ny ray aman-dreniko tamin'ity voina mahatsiravina ity aho, apetrako amin'ny sitrapon'i Allah izany. Na izany aza tsy azo ekena ny fahoriana atrehanay amin'ny PIA. Tsy misy fanajana, tsy miraharaha, tsy mahay miasa…
@Official_PIA it has been 4 days, how hard is it to organize a communication protocol that is both accurate and compassionate. Why are we getting multiple phone calls at every shift change asking extremely crudely, “aap ko bodies mil gai hain?”
— Adil Rahman (@Arnahstl) May 26, 2020
@Official_PIA Efa ho 4 andro izao, tena sarotra ve ny mikarakara arofenitra ho an'ny serasera izay sady azo antoka no mangoraka. Nahoana izahay no mahazo antso samihafa isaky ny miova ny mpiasa mandray anay ary manontany anay amin'ny fomba tsy mahafa-po hoe: Efa azonareo ve ny razana ?
Rehefa afaka herinandro ihany koa vao afaka namantatra ny ray aman-dreniny i Adil Rahman.
Tao anatin'ny antsafa an-telefônina nifanaovana tamin'i Asif Khan, zaodahin'ilay vehivavy mpikarakara anaty zotra ao amin'ny PIA Amna Irfan dia nilaza izy hoe:
My brother and her father went to Karachi to give DNA samples. PIA had assured us that they will help us find her and on 30 May her body reached Lahore. Funeral prayers were offered at the airport first and then at our house.
Nandeha tany Karachi ny rahalahiko sy ny dadany mba hanome santionana ADN. Nanome toky anay ny PIA fa hanampy anay hitady azy izy ireo ary tonga tao Lahore ny razana tamin'ny 30 Mey. Nisy ny fotoam-bavaka natao aloha tao amin'ny seranam-piaramanidina taloha ary tany an-tranonay avy eo.
Tamin'ny 4 Jona, nanambara ny lehiben'ny Minisitra ao Sindh, Syed Murad Ali Shah tamin'ny farany fa vatana mangatsiaka miisa 94 no natolotra ny havany taorian'ny famantarana azy ireo.
#PlaneCrash Update: So far a total of 94 bodies have been identified and all 94 bodies have been handed over to their families. 3 bodies remaining to be identified.
— Health and Population Welfare Department, Sindh (@SindhHealthDpt) June 4, 2020
Vaovao farany: Razana miisa 94 hatreto no voamarina ary efa natolotra ny fianakaviany avokoa. Razana 3 sisa no mbola fantarina.
Nangataka ny Tale Jeneralin'ny PIA, vice-maréchal Arshad Malik, hiantoka ny fanonerana ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina ihany koa ny filohan'i Pakistan, Dr. Arif Alvi.
Ity no lozam-piaramanidina faha-18 ho an'ny PIA hatramin'ny taona 1965. Nanambara ny governemanta fa horesahina eo anatrehan'ny parlemanta ny 22 Jona ny valin'ny tatitra momba ny fianjeran'ny fiaramanidina .