Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tokony hidika zavatra maro amin'i Trinidad & Tobago ny andro erantany ho an'ny tontolo iainana amin'ity taona ity

Pikantsary ahitàna sokatra foy tao amin'ny valanjavaboary Emperor Valley Zoo ao Trinidad, nalaina tamin'ilay  lahatsary nozarain'ny pejy Facebook an'ny loholona Clarence Rambharat.

Fihetsehampo nifamahofaho be ihany no nandraisan'i Trinidad sy Tobago ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana tamin'ity taona ity, nankalazaina tamin'ny 5 Jona teo.

Raha nisy ny vaovao nankahery, toy ny momba ilay sokatra an-dranomamy amerikàna efa nahatratra zato taona, miaina ao amin'ny “Emperor Valley Zoo” ao amin'ny Seranan'i Espaina, nandray zanaka sokatra vao foy miisa 18, dia nisy ihany koa ny ahiahy momba ny fitohizan'ny fiantraika ratsin'ny ataon'ny olombelona amin'ny tontolo iainana.

Nizara lahatsary iray ny loholona Clarence Rambharat, minisitry ny fambolena, ny Tany ary ny Jono ao amin'ny firenena, ka hita amin'izany ao amin'ny pejiny Facebook ireo sokatra vao foy. Nomarihany fa tao anaty fahalemana sy filaminana nandritra ny fihibohana nateraky ny COVID-19 ny reniny no nikotrika ireo atody ireo:

100 taona, sokatra kely 18! […] hafatra mazava tsara nalefan'ny COVID 19. Raha mivoatra anatina hafainganampandeha tsy mbola nisy toa azy ny tany misy antsika, tsy maintsy miahy ny natiora isika. Vao volana roa monja izay no nambaran'ny Valanjavaboary fa nanatody tao amin'ny faritry ny taniny ny sokatra iray fa tsy teny amin'ny kamory izay nanatodizany tany aloha. Noheverin'ny tao amin'ilay valanjavaboary fa ny anton'izany dia noho ny fankatonana ilay toerana tany amin'ny tapaky ny Martsa tany sy noho ny fahatsapàn'ilay sokatra fa tsy misy mampanahy azy ny hikarenjy ivelan'ilay kamory sy ny faritra be fasika ka hametraka ao ireo atodiny. Ny fahafoizana androany dia vaovao tsara sady manaporofo ny lanjan'ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana, amin'ny fijerena ny fifandanjàn'ny hetsika ataon'ny olombelona sy ny fanajàna ny natiora. Araka ny tenin'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana, António Guterres, tamin'ny hafatra nataony ho an'ny taona 2020, hoe mba hikarakaràna sy hanajana ny maha-olombelona dia tsy maintsy karakaraintsika ny natiora.

Mandritra izany, ny vondrona Facebook The Land of the Hummingbird (Tanin'ny Kôlibry) dia namoaka saripika mahafinaritra ahitàna karazana Kôlibry, tamin'ny fanazavàna :

Ho fankalazàna ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana, enina amin'ireo Kôlibry mahafatifatinay. Tena voatahy mihitsy i Trinidad &Tobago manana karazana Kôlibry miisa 19.

Mitovy amin'izay ihany, i Raquel Thomas-Caesa mpampiasa Facebook dia nihevitra fa ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana no fotoana tsara indrindra hanekena ny fandraisana anjaran'ny sasany amin'ireo mpiaro tontolo iainana ao amin'ny faritra, amin'ny fanavahana ireo roa “sangany amin'ny mpahay vorona ao Goiàna,” izay miteny fa ry zareo ireo “dia tena manetry tena sy vonona ny hizara ny fahalalàna ananany.”

Ian Lambie, mpiaro tontolo iainana isan'ny iray tena be mpahafantatra no sady efa filoha nitarika ilay Asa Wright Nature Centre fantadaza erantany, dia be fanantenana hoe mety homarihana amin'ny fomba miavaka ilay andro ka dia nizara hevitra vitsivitsy momba ny fomba mety hanatanterahana izany:

Tonga saina […] aho fa ny valanaretina COVID-19 misy amin'izao fotoana izao dia hametraka ‘hisatra’ amin'ireo fankalazàna. Na izany aza, feno fanantenana aho hoe haka ampahany amin'ny fotoanany ny praiminisitsika sy ny minisitry ny fambolena ka mba samy hamboly hazo araka izay safidiny ao anatin'ny faritry ny  “Queens Park Savannah” na any amin'ireo “Botanical Gardens”. Faniriako ny hoe ilay sekretera voalohany vao voatendry ao amin'ny antenimieram-pirenena sy ny sekretera misahana ny fambolena ao amin'ny THA, dia samy hamboly ihany koa hazo mamelana, any amin'ny toerana sahaza izany.

Na eo aza ireo andiam-pandaharana alefan'ny fahitalavi-panjakàna mialohan'ny hahatongavan'ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo iainana, izay nafantoka amin'ny zavatra rehetra, miainga amin'ny “trondro kely avy any Trinidad izay nahafahan'ireo mpahay siansa nahatakatra ny fivoarana sy ny fifantenana ara-boajanahary” ka hatramin'ny “fifandanjàna saropady […] tratra teo amin'ny resaka varotra sy ny natiora,” ireo hafa mpampiasa ny media sôsialy kosa mijery kokoa ny tena zavamisy.

Nanakaiky kokoa ny zavamisy ny trano fakantsary Rapso Imaging raha niresaka ireo fanamby, tamin'ny namoahany ireo saripika ahitàna ny toerana fanariana fako ao amin'ny firenena — sary nahazoan'ilay mpakasary, James B. Solomon, ny toerana voalohany tamin'ny sokajy mpakasary matianina nandritra ny fifaninanana momba ny tontolo iainana nampanaovin'ny Fiombonambe Eoropeàna 2019:

Samy mifamatotra amin'ireo toerana fanariana fakontsika daholo isika rehetra satria isika no miteraka ireny fako ireny izay avy eo indray misy fiantraikany henjana amin'ny tontolo iainantsika. Ny fandehandehanana teny anatin'ireo fofona maimbo no hany fomba tokana azony natao hiverenana miaraka aminà saripika milaza ny tantara izay iniantsika tsy jerena.

Mazava ho azy, azontsika atao ny mizara mora foana ireo sary tsara tarehy, mahafinaritra sy mampitolagaga, no sady mody fanina tsy mahita hoe isika ihany no manao izay hahasempotra ny tany iainantsika noho ireo loto vokarintsika, raha tsy mitandrina isika, ny zanak'olombelona no hanefa be amin'izany.

Solomon ihany koa nanampy hoe:

Androany mandritra ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana, safidiko ny tsy hizara saripika mahafinaritra, io no fahamarinana eto amintsika, io no zavamisy ary fotoana tsy tokony hanafenantsika ny lohantsika anaty fasika intsony izao. [Tsy] olana iray hafa fotsiny ilaina resahana ao anatin'ny Tontolontsika ankehitriny io, fa tena miankina be amin'io ny fahavelomantsika.
#sharethetruth (#zaraonymarina), #worldenvironmentday (#androerantanyhoantontoloiainana)

Tsy isalasalàna, ny firenena sy ny faritra ao Karaiba amin'ny ankapobeny dia manana zavatra betsaka azo andrandraina raha resaka tontolo iainana. Ireo fanjakana nosikely an-dalampandrosoana dia tena miatrika loza mitatao amin'ny fiantraika mandravaravan'ny fiovàn'ny toetrandro, isan'izany ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, ny fihafotsian'ny vato haran-dranomasina, ary ny fiantraikan'ny firoboroboan'ny fizahantany any amin'ireo faritra amorontsiraka. Isaky ny fotoanan'ny rivomahery ao Atlantika, tafiotra mahery no mandravarava ilay faritra miaraka amina tanjaka tsy mitsahatra mitombo.

Anatin'izany rehetra izany, tao anatin'ny sata iray nohavaoziny ary naverina navoaka eto rehefa nahazoana alàlana taminy, nentin'ilay mpanao gazety Wesley Gibbings, ho lalindalina kokoa ny adihevitra:

Toa sarotsarotra kokoa anatin'ny tontolo politika erantany misy amin'izao fotoana izao ny tsy hieritreritra ny fankalazana ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana ho toy ny fotoana iray hanaovana tsindry bebe kokoa hisian'ny rariny ara-toetrandro sy ireo kasinga sosialy rehetra miaraka aminy. Ivelan'izany, tsy midika zavatra betsaka ho ahy ireo baoty sy arotànana tsara tarehy ary ny fasiana fako eny amin'ireo torapasika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.