Na eo aza ny habeny azo lazaina ho somary kely ihany, fananan'i Nepal ny efa ho 9% amin'ny fitambaran'ireo karazam-borona fahita erantany. Araka ny voalazan'ny Bird Conservation ao Nepal, karazana vorona miisa 886 no voarakitra fa misy ao amin'io firenena io.
Raha nihena be ny isan'ireo vorona ao Nepal noho ny fahasimban'ny toerana fonenan'izy ireny sy ny fiantraikan'ny fiovaovàn'ny toetrandro, ankoatra ireo anton-javatra hafa, niteraka fidinan'ny fandotoana no sady niteraka tontolo nanome vahana ireo biby ny fepetra noraisina ho fisorohana ny COVID-19. Araka ireo fanadihadiana, nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana firaisan'ny ankamaroan'ireo vorona an-tanandehibe ilay fihibohana, ary dia nozarain‘ireo mpakasary matianina na mpankafy tsotra fotsiny ireo tsikaritr'izy ireny tany ambadikin'ny tokontaniny tany.
Vakio koa (teny anglisy): Ny Spiny Babbler, vorona mampiavaka manokana an'i Nepal, mahavariana ireo mpandinika manokana sy mpahay momba ny vorona
Mizara ireo saripika avy aminy eo ambanin'ny tenifototra #TheJoyOfSmallThings ao amin'ny Twitter i Mira Dhakal, mpankafy maka sary. Ny traikefa ananan'ny reniny tamin'ny fikirakiràna sary tao amin'ny ‘studio’ -mpianakaviana no aingampanahy nanosika azy, natombony tamin'ny fanapihana sary ireo vorona tamin'ny alàlan'ny fakantsariny, taona dimy lasa izay.
#DiaryOfABirder #BirdWatching #Birding #BirdPhotography
ID: Long-tailed Shrike (भद्राई) , Oriental White-Eye (कांकीर), Spotted Dove (कुर्ले ढुकुर), Oriental Magpie Robin (धोबीनी) pic.twitter.com/w9ZqsNpMYa— दोस्रो दर्जाकी Mira Dhakal (@dhakalmira) May 10, 2020
#BirdPhotography #Birding #BirdsOfPokhara #TheJoyOfSmallThings #NaturePhotography #DiaryOfABirder #NatureWalk #Birds #BirdsOfNepal
IDs: Could not track?, Red-vented Bulbul, Long Tailed Shrike, RoseRinged Parakeet pic.twitter.com/ZvK0Je32X1— दोस्रो दर्जाकी Mira Dhakal (@dhakalmira) March 15, 2020
Hoy i Dhakal tao anaty tafa iray tamin'ny alàlan'ny imailaka nifanaovany tamin'ny mpanoratry ny Global Voices, Sanjib Chaudhary:
Rehefa manapika sary vorona iray aho, dia mahatsapa ho toy ny tsara tarehy sy afa-patorana toy ny vorona. […] Rehefa nanomboka ny fakàna sarim-borona aho, dia nanomboka nijery ny vorona teny rehetra teny sy nihaino azy ireny matetika. Vitako ny nahamarika vorona marobe tsara tarehy sy ny akanin'izy ireny na dia tany anaty fiara eny am-pandehanana aza. […] Velombolo ery ireo vorona, mahery vaika sy miteraka hafaliana tsy misy toy izany.
Ireto ny sasany tamin'ireo sarim-borona nopihan'i Dhakal tamin'ny fakantsariny: