Loza mitatao ho an'ny taokanto fahagola ao Punjab, India ny sondrobidin'entana sy ny haba lafo loatra

Rajesh, Wood Carver. Image via Kirrt.

Rajesh, mpanao sokitra. Sary an'i Kirrt.

Efa an-jato taona maro no nalaza erantany ny haingontrano sokitra vita amin'ny hazo sy raritakelaka (inlay [angl] – marqueterie [Fr]) ao Hoshiarpur ao amin'ny faritra Doaba, fanjakàna indiàna ao Punjab. Kanefa, nanova tanteraka ilay asa ny fiarovana ara-tontolo iainana ireo hazo sarobidy sy ny fandraràna iray tamin'ny 1989 tsy ahafahana mampiasa intsony ny vangin'elefanta, ary hatramin'ny fampidirana ireo fomba manahirana fanao ara-pitantanana tamin'ny fanondranana. Noho ny fanaovana sokitra lasa tsy dia mampiditra vola intsony, manomboka miala aina ilay asa, mahatonga ireo maro mpanao taozavatra tsy mahita izay hiainana intsony tsy ho afaka hanohy.

Eo am-pototry ny Himalayas no misy an'i Hoshiarpur, ary izy no tanànan'ny taokanton'ny raritakelaka efa ho taonjato vitsivitsy.

Tadiavina fatratra any amin'ireny trano fanaovana lavanty, tsy ao India fa hatrany ivelany mihitsy, ireo vokatra fahagola vita avy amin'ny vangin'elefanta tao Hoshiarpur. Taorian'ny nandraràna ny varotra vangin'elefanta, nitodika nankany amin'ny taolana, vy ary ny loko menaka sy plastika ireo mpanao taozavatra, izay hita any anatin'ireo zavatra miverimberina amin'ny taozavatra maoderina.

Na fahiny na ankehitriny, aleon'ireo mpanao taozavatra mifidy ny hazo tsara kalitao avy amin'ny hazo ao Shisham (andramena avy any avaratr'i India) izay heverina ho maharitra sy mahatohitra ny fiovàna.

Kanefa, taorian'ny nisian'ny fitarainana momba ny fitontonganana faoben'ireo ala ao Amerika Latina vokatry ny fitomboan'ny tinady shinoa, napetraka ho anaty lisitr'ireo varotra arahana fepetra ny hazo avy ao Shisham tamin'ny 2017. Io tsy fahampian'ny hazo io no nanosika ny fisondrotan'ny vidin'ireo vokatra raritakelaka vita tamin'ny hazo, nitondra ho amin'ny fidinan'ny tinady tao an-toerana sy fiankinandoha betsaka tamin'ny fanafàrana.

Furnitures and items created using the wood inlay technique. Image via Kirrt.

Fanaka sy haingo nampiasàna ny teknikan'ny raritakelaka vita amin'ny hazo. Sary an'i Kirrt.

Mandritra izany fotoana izany, namorona ny sertifikà iraisampirenena fanamarinana azy manokana ny governemanta indiàna, nomeny anarana hoe Vriksh, izay manamarina fa ny hazo nampiasaina tamin'ilay taozavatra dia ara-dalàna sy tamin'ny fomba mandray andraikitra. Kanefa, ny fakàna io sertifikà io dia niteraka hosona iray hafa amin'ny resaka fitantanan-draharaha izay nitondra fisondrotam-bidy ho an'ireo mpanelanelana amin'ny varotra hazo. Io, miaraka amin'ny fisondrotan'ny hetra napetraky ny fanjakàna, no mitondra mankany amin'ny fikororosiana miandàlana mahazo ireo mpanao taozavatra ao amin'ny faritra.

Ny tranonkalan'ny governemanta ao Hoshiarpur milaza fa 100-150 ireo mpanao taozavatra amperinasa ary manamarika fa loza mananontanona tsy hitohizan'ilay fandraharahana ny tsy fahampian'ny hazo avy ao Shisham.

Kirrt, mpiaramiasa amin'ny Global Voices, dia toerana iray fampisehoana haikanto ety anaty aterineto izay iraketana ny asa sy ny fiainan'ireo mpanao taozavatra avy ao amin'ny faritr'i Punjab. Tamin'ny 2018, nasongadin'i Kirrt i Rajesh, olona iray mpanao sokitra avy any Hoshiarpur, izay nanoritsoritra ny fomba niovàn'ilay asa tao anatin'ny taona maro:

Efa nodimandry daholo iIreo rehetra mpanao taozavatra, izay nahay ny fomba fanaovana sokitra amin'ny hazo ary nizara azy ireny. Iray amin'ireo roa sisa tavela ao anatin'ny fandraharahàna aho. Kapurthala dia fantatra amin'ireo fanaka voasisika vangin'elafantaary tsy misy mpanana vita ao aminy. Saingy rehefa noraràn'ny fanjakana ny vangin'elefanta, nanomboka nampiasa ny loko menaka izahay mba hitazonana ny loko fotsy. [..]

Tamin'ny 1911, nandeha nankany Angletera ny raibeko, tao anaty tarika iray hanao asa rafitra hazo tamin'ireo trano anglisy. Mbola voatahirinay hatrizao ny sertifikà nentiny niverina avy any. 10 taona aho tamin'izany fony sambany mba nitazona ny pensily fandokoana aloka. [,,] Tsy mba namiratra velively aho tany an-tsekoly. Nanapaka hevitra ny hanàla ahy tany an-tsekoly ny fianakaviako ary nampianatra ahy ny asan'ny fianakaviana.

Wood Carver at work. Image via Kirrt.

Mpanao sokitra ao amperinasa. Sary an'i Kirrt.

Faritany ho asa kely fidirambola izy io:

Nefa na taorian'io fisasarana mafy io aza, tsy dia nahavita zavatra betsaka aho. Tsy mba nahavita nanangona iraiventy avy amin'io asa io aho. 300-400 Rs (US$ 4-6) isanandro ny vola miditra amiko, izay zara raha ampy hivelomana isanandro.

Resahan'i Rajesh ny momba ireo fanamby atrahan'ireo marobe mpanao taozavatra:

Raha be taraina aho tsy hoe manatsiny ireo mpitazona toerampivarotana nampiasa ahy akory, sarotsarotra ihany koa na ny toerany aza. Misy ireo fanaka misanda lakhs marobe no mitsirara fotsiny miandry mpividy any anaty toerampivarotana. Tsy mahita mpanjifa eto an-toerana ny vokatra atolotray, lafo izy ireny ho an'ny eto an-toerana. Any ivelany no tena misy ny famarotana saingy amin'izao fotoana izao dia asian'ny fanjakana hetra ambony be ny fanafarana entana, ary ianao tsy maintsy mametraka taratasy (marobe) momba ireo zavatra rehetra ampiasainao ho an'ny vokatra iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.