Sambany nahitana leopara maramara tany amin'ny faritra avo Himalayas ao Nepal. Fa ho afa-miangana amin'ny fikorontanan'ny toetrandro ve ireo?

Leopara sada. Saripikan'i Charles Barilleaux ho an'ny Flickr. CC BY 2.0

Sambany nahitana leôpara maramara, iray amin'ireo saka mipirimpirina indrindra, tany amin'ny haavo 3498 metatra ambonin'ny ranomasina tao amin'ny Valan-Javaboarim-Pirenena Langtang tao Nepal. Nanamafy ny fisian'ity karazan-tsaka any amin'ny haavo ambony tahaka izany ny fikarohana notarihan'i Özgün Emre Can avy ao amin'ny Oniversiten'i Oxford:

Nahita leôpara maramara tany amin'ny haavo 3500 metatra tao amin'ny valan-javaboarim-pirenena Langtang tany Nepal izahay. Tsy voarakitra tao amin'ity faritr'i Himalaya ity izany karazam-biby izany. Avo indrindra manerantany ho an'ireo leopara sada izany haavo izany.

Tamin'ny fikarohana navoakan'i Can sy ny mpiara-miasa aminy, nilaza ireo mpanoratra hoe:

Before this study, there was no hard evidence that clouded leopards occurred above 2300 meters above sea level, having documented them at almost 4000 meters above sea level in the Himalayas, we emphasise the importance of this extreme portion of the species’ range where climate is likely to change more rapidly and with greater consequences, than the global average.

Talohan'ity fikarohana ity, dia tsy nisy ny porofo azo antoka fa ahitana leôpara maramara any amin'ny mihoatra ny 2300 metatra ambonin'ny haavon'ny ranomasina, raha any amin'ny efa ho 4000 metatra ambonin'ny haavon'ny ranomasina ao Himalayas ny andraketana ny fisiany, dia soritanay mazava tsara ny mahazava-dehibe ity ampahany farafahaivany (na farafahaavony) amin'ny fametrahana karazam-biby ity izay mety hiova haingana kokoa ny toetr'andro sady misy fiantraikany goavana kokoa tsy toy ny amin'ny ankapobeny manerantany.

Nomena anarana noho ny lokon'ny hodiny misy pentina rahona, hita ao Himalayas Nepaley ao andrefana, hatrany atsimon'i Shina ao avaratra sy atsinanana ary ny Saikanosy Malezia ao atsimo ny leôpara maramara. Voatanisa ho isan'ny karazam-biby marefo ao anatin'ny Lisitra Mena misy ireo Karazam-biby Tadindonin-doza ao amin'ny UICN (Vondrona Iraisam-pirenena ho an'ny Fitehirizana ny natiora) ny leôpara maramara.

Milaza ny tombatombana fa leôpara sada 100 eo no misy ao Nepal ary noheverina fa lany tamingana izy ireo tao amin'ny firenena hatramin'ny taona 1987. Ankoatra ny Valan-Javaboarim-pirenena Langtang, misy ihany koa ireo tatitra voarakitra tao amin'ny Toerana Fitehirizana Annapurna, Valanjavaboarim-Pirenena Chitwan, Toerana Fitehirizana Kanchenjunga, ary ny Valanjavaboarim-Pirenena Makalu-Barun, Rara sy Shivapuri Nagarjun

Fahombiazana teo amin'ny fitehirizana zava-maniry sy bibidia: Voasokajy ho 5 Voalohany amin'ireo firenena mitahiry ny leôpara maramara i Nepal, araka ny fanasokajian'ny Fikambanana Eoropeana ho an'ny Fiarovana ny Zavaboahary  ???

Mpivoaka alina no ankamaroany, mpihanika mahavariana ny leôpara maramara izay nahazoan'izy ireo ny solon'anarana hoe “tigran'ny hazo”. Manana nify lavabe izy ireo raha oharina amin'ny lohany, ka misy ireo miantso azy ireo hoe saka manana nify sabatra amin'ny andro ankehitriny.

Nanome fiarovana manokana ho an'ny leopara maramara ny Lalànan'ny Valanjavaboarim-Pirenena sy ny Fitehirizana ny Fiainana tsy anaty fiompiana nivoaka tamin'ny taona 1973. Araka ilay lalàna, izay rehetra mamono na mandratra, mivarotra, mividy na mamindra na mahazo amin'ny fomba tsy ara-dalàna leôpara maramara dia hosaziana onitra 50 ka hatramin'ny 100.000 ropia na famonjana manomboka 5 ka hatramin'ny 15 taona na izy roa miaraka. Saingy tsy manakana ireo mpihaza tsy ara-dalàna izany – volon-deopara maramara miisa efatra no hitan'ny polisin'i Nepal tamin'ny taona 2018 tao anatin'ny roa volana.

Hazaina ireo leôpara maramara ireo noho ny hodiny mahafinaritra izay mahatonga ny varotra tsy ara-dalàna raha loza mitatao amin'ny hoavin'izy ireo ny fihenana sy ny fihasimban'ny tontolo fonenany. Fanampin'izany, tadindonin'ny fiakaran'ny maripàna ireo leôpara hita eny amin'ny toerana avo be izay manosika ireo karazam-biby an-tany avo hiakatra any amin'ny toerana avo kokoa. Any amin'ny faritra Himalaya atsinanana, tombanana hitombo 2,9 degre Celsius amin'ny ankapobeny ny maripàna mandra-pahatonga ny tapaky ny taonjato. Araka ny filazan'ireo mpikaroka, na ny fiakaran'ny maripàna manerantany aza dia voafetra ho 1,5 degre mandra-pahatapitry ny taonjato, mety hafàna kokoa ireo tendrombohitra avo.

Vakio: Marika hita maso amin'ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro amin'ny biby sy ny zavamaniry ao Nepal [mg]

Na izany aza, nahita ny fikarohana fa manana karazana haza marobe ny Valan-javaboarim-pirenena Langtang: tahaka ny diera mena, ny lambo, ny ombimangan'i Himalaya, ny karazan'osidian'i Himalaya, ny diera lavatandroka, ny gidro volombatolalak'i Népal, ny rajakon'i Assam ary ny trandraka Maleziana.

Manampy ireo mpahay siansa handinika ny fahavitrihana sy ny fitondran-tenan'ity karazam-biby ity ny teknolojia tahaka ny fakantsary-tsy-pihan'olona. Ankoatra izany, heverina hanamafy ny fiarovana ireo leopara ny teknika fampinonoana biby babo sy ny fanomezana taranaka voatrolombelona. Mitondra fanantenana ho fitehirizana ireo leôparan'ny tany avo dia avo ny fiarahamiasa eo amin'ny tafika Nepaley sy ny fitantanana ny vala mba hiarovana ny vala sy hanafoanana ny varotra bibidia amin'ny fomba tsy ara-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.