Ny tsy fanjariana ara-tsakafo 2010

Efa voaantoka ny foto-tsakafon'ny olona 2 miliara eo ho eo manerana izao tontolo izao. Olana sarotra izay mety hiteraka fiantraikany maro ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Avy amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny fivelaran'ny tanàndehibe, ny fitomboan'ny mponina ary ny fivoaran'ny vidin'ny solika no mahatonga ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Ireo no antony izay tsy voafehin'ny sisintanim-pirenena firy loatra. Nosafidian'ny Foibe Pulitzer Mitatitra ny Krizy ny tantaran'ny Global Voices tanisaina etsy ambany ary nosoratan'i Juhie Bhatia toniandahatsoratra momba ny fahasalamana. Maka tatitra avy amin'ny tatitry haino aman-jery marolafy izy ireo izay misongadina tao amin'ny Vavahadin-tserasera Pulitzer momba ny tsy Fahazoana antoka Ara-tsakafo ary nanasongadina ny rohin'ireo bilaogera miresaka momba io olana io manerantany.

Tantara mikasika ny tsy fanjariana ara-tsakafo ato amin'ny Global Voices

25 Aog – Somalia: Niparitaka ny hamehana tamin'ny fiarovana ara-tsakafo na dia teo aza ny fanampiana
18 May – Ethiopia: Moa ve mitondra làlana mankany amin'ny fiarovana ara-tsakafo ny “fangoronan-tany” ?
15 Apr  -Fanalahidy Hamongorana Ny Hanoanana Eran'Izao Tontolo Izao Ve Ny Fandrisihana ny Vehivavy? [mg]
8 Okt – Afaka mampihena amin'ny antsasany ny hanohanana manerantany ve isika amin'ny taona 2015 ?
13 Sep – Nizeria: Noana Foana Na Dia Mitobaka Aza Ny Solika [mg]
10 Sep – Rosia: Niteraka sahotaka manerantany ny fandrarana ny fanondranam-barimbazaha
18 Aog – Paragoay: Niteraka fifandonana ny fiakaran'ny famokarana saozaha
30 Jol  – Fandrahonana manerantany tamin'ny varimbazaha mahafaty
25 Jol – Mandrisika adihevitra momba ny Bioteknolojia ny fahasahiranana ateraky ny hanohanana eto Afrika

Vavahadin-tserasera Pulitzer

Toerana iray hamantarana momba ireo olana ara-tsakafo manerantany, izay tsy misy mpitatitra kanefa tena manan-danja ny Vavahadin-tserasera Pulitzer momba ny tsy Fahazoana antoka Ara-tsakafo . Ireto ambany ireto ny sasantsasany tamin'ireo tetikasa momba ny Tsy Fanjariana Ara-tsakafo izay notohanan'ny Foibe. Manasa anao hizara ny tantaranao manokana momba ity olana ity ny Foibe Pulitzer .

- Afaka mamonjy an'i Afrika ve ny bioteknolojia?
Paragoay: Ny adin'ny saozaha
Ny fihaonan-dàlana amin'ny tsy fanjariana ara-tsakafo any Nizeria, India ary Malawi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.