Mampifandray olona ny Global Voices, Dijana Djurickovic !

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2014)

Tamin'ny taona 2008, nanatona ahy i Siniša Boljanović, ilay lehilahy izay nanomboka ny Global Voices Serba taty aoriana, niaraka tamin'ny fangatahana hanampy azy amin'ny fanatsarana ny teny Anglisiny. Mazava ho azy, nanaiky izany aho satria nanana traikefa momba izany asa izany ary mbola sarotra kokoa aza izany satria araka ny efa mety ho fantatrareo dia jamba i Siniša ary nilaiko ny nampiasa fomba nahomby kokoa sy nahaliana kokoa tamin'ny fampianarana sahaza azy.

Dia nanomboka àry izahay ary “nifankahita” efa ho isan'andro ary tena nahomby tokoa tamin'ny asa fampianarako i Siniša raha azoko atao ny miteny izany. Vao volana vitsy taty aoriana, nanambara ny fikasany tamin'ny fanatsarana ny teny Anglisiny izy ary tamin'izay no nilazany momba ny Global Voices sy ny heviny hanombohana izany tamin'ny teny Serba ka nanasa ahy hiditra hiaraka aminy izy. Mazava ho azy fa nanaiky aho satria tsy nanana asa matotra aho, izany hoe nitsahatra tamin'ny asako noho ny lozam-pifamoivozana iray nahazo ahy tamin'ny taona 1998 raha niverina avy nanatantearaka asa aho. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny 5 andro aho taorian'izany ary rehefa nahatsiaro tena aho dia nahay teny Frantsay ary taty aoriana ny teny Anglisy (ireo fiteny nianarako tany amin'ny oniversite), ary taty aoriana ny teny Serba, ny fitenindrazako.

Nandika teny fotsiny no nataoko tany am-boalohany ary i Siniša no nanao ny asan'ny famoahan-dahatsoratra niaraka tamin'ny fandikan-teny, saingy nanomboka nanao ny asan'ny famoahan-dahatsoratra ihany koa aho taty aoriana. Nanomboka nandika teny tato amin'ny Global Voices aho satria tiako ny resaka tantara hitako tato amin'ity tranonkala ity dia ireo tantara ilaintsika ho fantarina .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.