Torohevitra isankerinandro mikasika ny Fanoratana: Mifandray amin'ny Mpamaky

(Lahatsoratra angisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2015)

Manangona ireo fanao tsara indrindra amin'ny fanoratana sy fanaovana tatitra ato amin'ny Global Voices ny Torohevitra Isankerinandro Momba ny Fanoratana. Omen'i Janine Mendes-Franco, mpanonta vaovaon'ny faritra Karaiba, ho anao ireo torohevitra ho an'ny volana Aogositra.

Famoahana faha #3 momba ny Torohevitra Isankerinandro Momba ny Fanoratana, volana Aogisitra, ity. Amin'ny fiainako tsy maha-GV ahy, manoratra amin'ny fomba feno famoronana ary miasa amin'ny zava-drehetra aho, avy any amin'ny lahatsoratra ho an'ny dokambarotra sy sarimihetsika fanadihadiana mankany amin'ny andianà horonantsary ho an'ny ankizy ao amin'ny fahitalavitra, sady mandalo amin'ny boky ho an'ny ankizy izay mbola tsy nivoaka ihany koa. Mba ho tomombana tsara ny fanoratako, tsy maintsy mifandray amin'ny mpamakiny izy – ary hitako fa ireo lahatsoratra GV miresaka amin'ny olona no manako indrindra. Hifantoka amin'ireo fomba mety hanampy antsika hifandray amin'ny mpamaky antsika manerana izao tontolo izao aho androany.

1. Miresaha amin'ny olona iray.

Torohevitra kely azo ampiharina izay matetika ampiasain'ireo matihanina amin'ny fakana sarimihetsika ity: Adinoy ny eritreritra hoe miresaka amin'ny olona marobe ianao; ataovy toy ny miresaka mivantana amin'ny olona iray. Hevero toy ny tsy mahafantatra ilay lohahevitra ilay olona, nefa aza ambaniana. Manorata amin'ny fomba azo takarina. Hazavao amin'ny fomba mazava sy fohy ireo olana manodidina ilay lohahevitra. Ataovy ny lisitry ny anarana feno an'ireo fikambanana mialohan'ny hiverenana amin'ny fanafohezana izany. Raha ohatra ka mifantoka amin'ny kolotsaina iray na tsy dia malaza loatra ny teny iray, manomeza fanazavana iray mikasika izany. Mialà amin'ny teny fampiasa amin'ny toe-javatra iray manokana – ny tanjona dia ny hitazonana ny fahalianan'ny mpamaky amin'ny tantaranao. Miezaha foana ny hanome fampahalalambaovao vaovao na ilaina, na ny milaza izany amin'ny endriny hafa.

2. Mamorona rafitra

Taminà lanonan-takariva iray, efa tafahitsoka niresaka tamin'ny olona iray izay mivezivezy fotsiny tsy nanao izay hahatakarana ny fomba fijeriny ve ianao? Aza mba izany olona izany. Voarafitra tsara ireo lahatsoratra izay miresaka amin'ny fomba mahomby. Matetika fanamby lehibe ny mamorona rafitra feo (matanjaka azo antoka), satria miezaka ny hamorona famoahana amin'ny alalana vaovao am-polony maro voarindra isika. Tena mitovy amin'ny famokarana horonantsary fanadihadiana izany raha ny marina – mamaritra ny tantara ho tantarainao ireo ampaham-peo ampiasainao (amin'ity tranga ity, loharano toy ny blaogy, Facebook, Twitter, sns.) Saingy eo anelanelan'ireo ampahana “lahatsary” mihetsiketsika ireo, mila mamorona rafitra ianao. Ny andalana voalohany, ohatra, dia tokony hamintina ny zava-misy – ny zava-mitranga ary ireo antony tokony hiraharahian'ilay olona iresahanao izany toe-javatra izany. Arakaraky ny handehanan'ilay tantara, tokony handamina ireo fampahalalambaovao amin'ny fomba lojika ny rafitra noforoninao. Afaka mampiasa ireo ampaham-peo avy amin'ireo haino aman-jerin'olontsotra mba hanolorana hevitra mifandraika na votoaty vaovao ianao. Tokony hamerina ilay fanontaniana, hametraka fanontaniana, na hamoaka famintinana mihitsy aza ny fiafaran'ilay lahatsoratra. Jereo ity lahatsoratra nosoratan'i Probir Bidhan ho toy ny ohatra.

3. Tsinjarao ny lahatsoratrao

Indraindray mora kokoa ny mamaky lahatsoratra rehefa notsinjaraina izany. Tena ilaina io ho an'ireo lahatsoratra lava be izany na ireo lahatsoratra izay manampy ny fanazavana bebe kokoa ny votoaty ny fanasokajiana ireo singa ao anatin'ny tantara.

4. Meteza hanana fahatsapàna ara-kolontsaina

Ambony lavitra noho ny fahamarinana ara-politika fotsiny ity. Miraharaha ny mpamakiny ireo mpanoratra manana fahatsapana ara-kolontsaina. Tokony hisoroka ny fiteny mpanavaka ny lahy na ny vavy isika (nanolo-kevitra ahy i Lauren indray andro mba hanovàko ny teny “mpanao hatsikana” (vavy) ho “mpanao hatsikana” fotsiny), ny hanajàna ny anaran'ireo firenena, ary hahatsikaritra ny dika ambadika mety hoentin'ireo fitenentsika – iray amin'ireo antony nisafidianan'ny GV ny tsy hanondro ny ISIS ho ny “Fanjakana Islamika”.

5. Manontania tena.

Rehefa miverina mamaky ireo lahatsoratra mialohan'ny hamoahana azy, ametraho ireto fanontaniana vitsivitsy ireto ny tenanao:

  • Manome ny zavatra nampanantenain'ny lohateny fa hatolony ve ilay lahatsoratra?
  • Mahaliana ve ny mamaky azy? Hahatonga ny mpamaky hanohy ny hamaky ve izany?
  • Manan-danja ho an'ilay tantara ve ireo sombiny amin'ny haino aman-jerin'olontsotra nosafidianao?
  • Mifindra tsimoramora avy any amin'ny hevitra iray mankany amin'ny iray hafa ve ilay lahatsoratra?

Manorata finaritra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.