26 Jona 2019

Tantara tamin'ny 26 Jona 2019

Gloval Voices: Tetezana mampifandray fomba fijery maro

Blaogim-Piarahamonina GV  26 Jona 2019

Efa zazalahy be ahiahy hatrany aho hatramin'izay. Mihamanjavona ny fahanginan'ireo tantara madinika nahafinaritra afaka nobanjiniko teo amin'ny fiainako andavanandro ary indrisy fa mijanona ho voafetra ao anatin'ny fahatsiarovan'ireo niaina azy na ao anatin'ny fanahin'ny fitantarana ataon'ireo manam-bitana izay afaka niditra tamin'izany antsoina loatra hoe fampahalalam-baovao izany, zava-mitranga matetika ao Afrika.

Avy tamin'ilay Fihaonambe: Vondrompiarahamonina tsy mbola fandre ary Fiatrehana ireo fanamby

Nandritra ilay fihaonana anatiny natao nandritra ny Fihaonamben'ny GV tany Cebu, nametraka fanontaniana lehibe ho an'ireo mpanatrika aho nandritra ny anjara famelabelarana Rising Voices nataoko. Nangatahako izy ireo hieritreritra mikasika ireo vondrompiarahamonina tsy dia voasongadina loatra anatin'ny Aterineto. Nanontaniantsika io satria izany no tadiavin'ny RV ho vahana

Translator Newsletter: Lisitra maro, fikatrohana amin'ny fandikan-teny sy ny maro hafa!

Blaogim-Piarahamonina GV  26 Jona 2019

Amin'ny taonina ireo hevi-diso momba ny indostrian'ny fandikan-teny miely any ho any -- sehatra efa ho faty io, fifanakalozan-kevitra fotsiny, ary maro lavitra noho izany. Nandray ny raharaha ry zalahy ao amin'ny Business 2 Community ary nanangana lisitra antsoina hoe "Zavatra 11 maha-tsy izy ny Fandikan-teny" mba hanesorana ireo anganongano faheno mahazatra amin'ny fandikanteny.