Torkia: Nosakanana ny Dailymotion

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2008)

Nosakanana tany Torkia tamin'ny 2 Aogositra 2008 ny fidirana ao amin'ny tranonkala fizarana lahatsary frantsay Dailymotion.com. Araka ny filazan'ny Erkan Saka, bilaogera monina any Istanbul, “tsy nisy fanazavana ny fanapahan-kevitra handràra ny tranonkala.”

Ity no tranga faharoa tamin'ny fanakanana tranonkala fizarana lahatsary malaza tany Torkia. Nosakanana matetika ny Youtube noho ny lahatsary heverina fa manevateva ny ray mpanorina ny firenena, Kemal Ataturk.

Nitranga tany Tonizia ihany koa ny tranga tahaka izany izay samy tsy azo nidirana ireo tranonkala roa fizarana lahatsary, Dailymotion sy Youtube.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.