Manaratsy ny Toerana misy ny Fitondran'i Azerbaijan ny Hetsipanoheran'ireo Reny any Nagorno Karabakh

Nitangorona tany amin'ny Lalankelin'ny Martiora tany Baku ireo reny, nangataka ny famotsorana an'i Togrul Gocayev, zanakà martiora iray, izay nosamborin'ny polisy sy notànana vonjimaika. Sary avy amin'ny Meydan TV. Nampiasaina teo ambany fahazoandàlana.
Ivon'ny fampielezankevitra ara-politikan'ny fitondrana jadona ao Azerbaijan ny alahelo sy ny fahaverezana mifamatotra amin'ny ady mangidy nampifanandrina an'i Azerbaijan tamin'i Armenia tany Nagorno Karabakh.
Nipoaka io fifandirana amin'ny ady tany io raha efa teo an-dàlam-paharavàna ny Firaisana Sovietika, ary mbola tsy tony foana izany ankehitriny. Teratany Azerbaijaney mihoatra ny iray tapitrisa no nafindra monina, ary nampanantena imbetsaka ny haka indray ny tany izay an'i Azerbaijan tamin'ny vanimpotoana Sovietika ny filoha Azerbaijaney, Ilham Aliyev.
Fa raha ny mikasika ny fanonerana kosa, toa nampanantena zavatra tsy vitan'ny fanjakany manankarena solitany hotazonina, na tsy tiany hotazonina mihitsy, ny Filoha Azerbaijaney, Ilham Aliyev.
Efa roa volana izao, teo amin'ny 100 teo ireo reninà miaramila mpiady namoy ny ainy nandritra ilay ady nandravarava tany Karabakh no nitety andrimpanjakana, itadiavan'izy ireo ilay fanonerana nampanantenain'i Aliyev azy ireo tany am-piandohan'ity taona ity. Nalaina baraka foana izy ireo, nolazaina mba hiandry, na hitady fanampiana any an-kafa.
Tamin'ny 18 Desambra, nampihatra tetika hafa izy ireo.
Tsy nijaridina teo anoloanà tranoben'ny governemanta iray izy ireo fa nandeha nitsidika ny Lalankelin'ny Martiora — fasana natokana ho an'ireo miaramila mpiady namoy ny ainy nandritra ny ady tany Karabakh — nanao sarontava mainty fanaon'ny mpitsabo misy ny teny hoe “sus”, na ”moramora” nisoratra teo amin'izany.
Mino ireo reny ireo fa manan-jo hahazo 11.000 AZN (manodidina ny Ar 22.929.750) izy ireo araka ny didim-panjakana nosoniavin'ny Filoha Ilham Aliyev tamin'ny 19 Aprily 2018. Mandidy ny fanonerana ho an'ny fianakavian'ireo martiora maty na tsy hita talohan'ny 2 Aogositra 1997 izany didim-panjakana izany.

Iray amin'ireo reny zato nangataka ny hahazo ilay fanampiana. Sary an'ny Meydan TV. Nampiasaina teo ambany fahazoandàlana.
Raha totaliana, olona eo amin'ny 3.000 eo no miandry ity fandoavam-bola ity. Nanomboka ny fikarakarana ireo taratasy ny Minisiteran'ny Asa sy ny Fiarovana Ara-tsosialy tamin'ny volana Oktobra.
Saingy mikatso ilay orinasam-panjakana fiantohana, Azersigorta, izay tompon'andraikitra amin'ny fandoavana ny vola.
Nilaza ny Azersigorta fa efa nahazo ilay vola tany amin'ny taonjato faha-90 tany ny sasany tamin'ireo fianakaviana, fotoana fohy taorian'ny fiafaran'ny ady.
Na mety ho marina aza izany — izay lavin'ireo reny — tsy hihoatra ny Ar 71.100 ny tetibola azon'ireo fianakaviana ireo tamin'izany fotoana izany, izay ampahany bitika kely amin'ilay tolotry ny filoha.
Nanomboka tamin'ny volana Oktobra ireo hetsipanoherana ireo, fotoana fohy taorian'ny nandàvana ireo fianakaviana sasany nangataka fanampiana.
Reny iray tao anatinà tafatafa niarahany tamin'ny Meydan TV no nitanisa taratasy fito nalefany tany amin'ny andrimpajankana isan-karazana ary taratasy 20 hafa nalefany tany amin'ireo mpikambana tao amin'ny parlemanta. Kanefa tsy nisy na iray aza namaly ireo fanontaniany, hoy izy.
Koa satria zava-dehibe ho an'ny tantaram-pirenena i Nagorno Karabakh, nametraka ireo manampahefana aminà toedraharaha sarotra ireo hetsipanoherana ireo.
Nilaza tamin'ireo fianakaviana ny solombavambahoaka Hadi Rajabli, mpanao lalàna mpomba ny governemanta izay niresaka tamin'ireo fianakaviana tamin'ny 24 Oktrobra, mba ”tsy handoto ny dingana noraisin'ny Filohantsika tanatin'ity raharaha goavana ity.”
Feno hatezerana ny valintenin'ny iray tamin'ireo mpikambana tanatin'ilay fianakaviana: ”Tsy mandoto na inona na inona izahay, ireo mpiasam-panjakana ireo no manao izany”, hoy izy notaterin'ny Meydan TV.
Nangataka ireo mpiasam-panjakana mba hampitsahatra ny laingany ny reny iray hafa niteny tanatinà tafatafa niarahana tamin'ny Hamam Times mifototra ao amin'ny Facebook.
Nahoana no mandainga izy ireo?! Manana fiara mitentina an-tapitrisany izy ireo, manana efitra lehibe fanaovana fanambadiana, mampidi-bola amin'ny fanamboarana sy famarotana tany, ahoana hoy ianareo no anaovan-dry zareo izany rehetra izany?! Amin'ny fangalarana ny volam-bahoaka. Tsy ho an'izy ireo ny volam-panjakana, natao ho an'ny vahoaka izany. Tokony afaka manala azy ireo amin'ny sezany ny vahoaka.
Niandany ireo fianakaviana ny solombavambahoaka iray hafa, Fazil Mustafa:
Nahazo valinteny fandavana avy amin'ny Azersigorta ny sasany tamin'ireo olona ireo. Nolazaina izy ireo fa efa naloa ny volany tamin'ny taonjato faha-90. Kanefa milaza ireo fianakaviana ireo fa tsy nahazo fanampiana toy izany mihitsy. Noho izany, mangataka porofo avy amin'ilay orinasa fiantohana izy ireo mampiseho fa efa tena nahazo izany fanampiana izany marina, raha toa kosa ka angatahan'ity orinasa ity ny fanomezan'ireo fianakaviana porofo mampiseho fa tsy mbola nahazo izany karazana fanampiana izany mihitsy izy ireo. Nahoana no mila mampiseho porofo toy izany ireto fianakaviana ireto? […] Satria tsy mahavita manatanteraka ny adidiny ireo andrimpanjakana, dia manantona ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta ny vahoaka.
Nanolo-kevitra ny hivarotana ireo tranon'i Jahangir Hajiyev ny mpanao lalàna iray fahatelo, Fazail Agamali, mba hanangonam-bola ho an'ireo fangatahana fanonerana.
Am-panefana sazy 15 taona an-trano maizina ny talen'ny Banky Iraisam-pirenena an'i Azerbaijan teo aloha, Hajiyev, noho ny fangalarany lavitrisa dolara maro tamin'ny fanjakana.
Niseho tamin'ny lohateny lehibe an'ireo gazety Britanika ny vadin'i Hajiyev, Zamira, tamin'ny volana Oktobra 2018 noho ny filazàna fa nandany vola nihoatra ny $21 tapitrisa tamin'ny kara-bola maro tao amin'ny toeram-pivarotana Harrods tao Londra izy.
Nanasonia baiko mba hamoronana kaomisiona hanadihady ny toedraharaha manodidina ilay fifanolanana mikasika ny fanonerana i Ogtay Asadov, mpandahateny ao amin'ny Antenimieram-pirenena. Nefa tamin'ny Oktobra izany ary mbola tsy nisy na inona na inona nivoaka avy tamin'izy io.
Hatreto aloha dia tsy nikitika ireo renim-pianakaviana nanao fangatahana ny mpitandro filaminana Azerbaijaney, fantatra amin'ny fandraisana fepetra mahery setra manoloana ireo mpanao hetsipanoherana.
Na izany aza, mbola mihatra foana ireo fepetran-dalao mahazatra ho an'ny lehilahy.
Ny 11 Desambra, nosamborin'ny polisy i Togrul Gocayev, zanakà martiora, noho ny fiampangana azy ho nanakorontana ny filaminam-bahoaka rehefa nangataka ny hiresaka tamin'ireo manampahefana izy, ary voaheloka hotànana vonjimaika an-tranomaizina mandritra ny 30 andro.
Nahena ho 15 andro izany sazy izany nandritra ny fakàna ambavany azy tamin'ny 14 Desambra.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...