(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2011)
Namarana ny fifandrafesany ireo antoko mpifandrafy Palestiniana Fatah sy Hamas androany, nandritra ny fifanarahana fampihavanam-pirenena natao tany Kairo, Ejipta.
Noraisina tamim-pankalazana tao Gaza ny vaovao momba ilay fifanarahana, izay hampiray an'i Gaza, teo ambany fifehezan'i Hamas, ary ny Morondrano Andrefana, izay teo ambany fifehezan'ny hetsika Fatah.
Ireto ny fanehoan-kevitra sasany tao amin'ny Twitter.
Omar Gaza nitatitra hoe:
Fire works in broad day light and till now sparkling in #Gaza sky celebrating the unity & #reconciliation
Afomanga amin'ny andro mazava ary mbola mamirapiratra ao amin'ny lanitry Gaza, mankalaza ny firaisana sy ny fampihavanana
Lina, avy ao amin'ny Live from Gaza nisioka hoe:
Gaza is living the reconciliation euphoria #Hamas #fatah #Palestine
Miaina ny hafaliam-po noho ny fampihavanana i Gaza
Mahmoud Al Kahlout, avy ao amin'ny Al Nasr City, Gaza, nanampy hoe:
Division should go to hell forever #Gaza #WestBank #Fateh #Hamas #Palestine #PalUnity
Tokony ho any amin'ny helo mandrakizay ny fizarazarana
Mpianatra momba ny fitsaboana ao Gaza, Fatma F.Q. nilaza hoe:
Congratulations to ALL PALESTINIAN for our UNITY 🙂 #Mosala7a
Arahabaina ny PALESTINIANA REHETRA noho ny FIRAISANTSIKA 🙂
ary nanontany [ar] hoe:
Asmaa Al Ghoul mampahatsiahy [ar] antsika hoe:
Notohizany hoe:
Saingy toa tsy ny rehetra no faly.
Tamin'ny Hamas, Sam Halaby nanamarika hoe:
#Hamas: you're a headache. Maybe if you stopped giving #Israel every excuse to blockade you, like firing rockets, maybe you'd have peace.
Hamas: aretina an-doha ianao. Angamba raha mitsahatra tsy manome ny fialan-tsiny rehetra ho an'i Israely ianao hanakanana anao, tahaka ny fitifirana balafomanga, dia angamba hanana filaminana.
Sarah, misioka ao amin'ny @Jnobiyeh, nanampy hoe:
Hamas didn't just sign a “unity” deal with collaborationist Fatah today, it signed the death certificate of its resistance to #Israel.
Tsy nanasonia fifanarahana “firaisankina” miaraka amin'ireo mpiara miasa Fatah fotsiny i Hamas androany, fa nanasonia ny taratasin'ny fahafatesana ho an'ny fanoherany an'i Israely