Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

18 Avrily 2019

Tantara tamin'ny 18 Avrily 2019

Samy manana ny tatitra ataony ny fampitam-baovao Frantsay sy Anglisy mikasika ny fihetsiketsehana ao Alzeria.

mampiasa fomba fiasa samihafa tanteraka ny fampitam-baovao amin'ny teny Anglisy sy amin'ny teny Frantsay, indrindra fa tamin'ny fampiasana teny lehibe manokana hita ao amin'ny Media Cloud, sehatra tovozona malalaka (open-source) ho an'ny fandalinana ny tontolon'ny fampitam-baovao.

Vaovao farany Lingua volana Martsa 2019

Blaogim-Piarahamonina GV

Manolotra antsika ny vaovao Lingua volana Martsa 2019 ny mpitantana ny Lingua

Fantaro i Rodrigo Pérez Ramírez, hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 15-21 avrily 2019

Rising Voices

Andao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Rodrigo Pérez Ramíewz, vahiny hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 15-21 avrily, 2019. Hozarainy amintsika ny asany miaraka amin'ny fiteny Zapotec ao amin'ny fanentanana amin'ny media sosialy mifantoka amin'ny fimaroana fiteny an-tserasera.

Mankalaza ny lahatsoratra faha-1000 ny Global Voices amin'ny teny Grika

Natomboka tamin'ny volana Martsa 2011, tamin'ny fotoana nitomboan'ny olana sy ny tsikera mamaivay manerantany ho an'i Gresy noho ny krizy ara-bola goavana mahavariana, nahatratra 1 500 ireo dikan-teny tao amin'ny Global Voices amin'ny teny Grika navoaka tamin'ny lahatsoratra Global Voices tamin'ny 8 Febroary 2012 - tao anatin'ny 10 volana monja .)

Palestina: Mankalaza ny famerenam-pihavanan'ny Hamas/Fatah i Gaza

Namarana ny fifandrafesan'izy ireo goavana ireo antoko mpifandrafy Palestiniana Fatah sy Hamas androany, nandritra ny fifanarahana fampihavanam-pirenena natao tany Kairo, Ejipta.

Venezoela: Niely ny resabe noho ny fanakanana tranonkala nataon'ny governemanta

GV Mpisolovava

Herinandro vitsy lasa izay, nitatitra ireo namana sasany mpisera Twitter Venezoeliana fa tsy azo nidirana tamin'ny alalan'ireo fifandraisana omen'ny Cantv (orinasa fifandraisan-davitra lehibe sady mpamatsy aterineto, an'ny governemanta Venezoeliana) ny quelacreo.com (NSFW).