Ejipta: Manohy mandraoka ireo fitaovana nomerika ny mpitandro filaminana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa  tamin'ny volana aogositra 2009)

Manamafy ny fanafihany amin'ireo mpikatroka an-tserasera, indrindra ireo bilaogera ny mpitandro filaminana. Ny 08 Aogositra 2009, nosakanana ilay Ejipsiana bilaogera Wael Abbas nandritra ny fiverenany avy any Beirut, ary nogiazana ny CD, ny flash ary ny karatra amin'ny fakan-tsariny. Tsara homarihina fa fanindroany izao i Abbas no nosakanan'ny mpitandro ny filaminana, efa ho iray volana izay raha notazonina tao amin'ny seranam-piaramanidina i Abbas ary nogiazana koa ny solosaina findainy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.