Tantara tamin'ny 20 Janoary 2019
Ny Governemanta Ejipsiana sy ny fanagadrana mpikatroka aterineto

Antony maro sy tranga maro no nanampy tamin'ny firongatry ny haino aman-jery elektronika tany Ejipta. Ohatra, fanakorontanana ireo fampahalalam-baovao isan-karazany, toy ny gazety, fahitalavitra sy onjam-peo, ireo dingana sarotra amin'ny fananganana orinasa fampitam-baovao, fanivànana votoaty amin'ny fampitam-baovao alohan'ny famoahana, ireo karazana endrika famaizana mikendry mpanao gazety, sy ny hakelin'ny fahalalahana ary antony maro hafa.
Tari-dia momba ny fibilaogiavana tsy mitonona anarana efa misy amin'ny teny Shinoa

Misaotra ny olona tsara fanahy iray izay indrisy fa tsy mety hitonona anarana velively, fa efa misy amin'ny teny Shinoa ankehitriny ny tari-dalana" "Anonymous Blogging with Wordpress and Tor"
Ejipta: Libaney iray any Ejipta – Avy amin'ny Fibodoana mankany amin'ny Fanafahana
Indray andro, nahatsiaro ho afa-baraka izy, ary ny andro taorian'izay, nahatsiaro ho afaka. Izany no tantaran'i Layal El Katib, bilaogera Libaney iray nipetraka tany Ejipta nandritra ny fotoana naharitra, nentin'i Tarek Amr ho antsika.
Ejipta: Manohy mandraoka ireo fitaovana nomerika ny mpitandro filaminana

Manamafy ny fanafihany amin'ireo mpikatroka an-tserasera sy ireo bilaogera manokana ny mpitandro filaminana.
Malayzia: Navotsotra ilay Bilaogera Raja Petra Kamarudin (RPK)

Nanapa-kevitra ny Fitsarana Avon'i Shah Alam, renivohitra Selangor any Malaizia fa tsy ara-dalàna ny fisamborana ilay bilaogera malaza, Raja Petra Kamarudin (RPK) ka ho avotsotra izy.
Ejipta: Noafahana i Monem ary nalaina am-bavany i Amr Gharbeia

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy) Niseho teo anatrehan'ny Mpampanoa lalàna izay nandidy ny hamotsorana azy taorian'ny 45 andro nigadrany ilay bilaogera Abdel-Monem Mahmoud. ”...
Mahatezitra ireo Malaoita ny Hevitry ny Bilaogera Iray momba ny “Nsima”
Niteraka adihevitra momba ny halehiben'ny fahafahana mety hananan'ny olona amin'ny fanehoany hevitra anaty bilaogy ny lahatsoratra iray momba ny "nsima", foto-tsakafon'i Malawi. Nasehon'ireo fanehoankevitra sasany fa ilaina ihany ny famerana ny tena, ny fandraisana andraikitra ary ny fahatsapan-tena, indrindra raha manoratra momba an-javatra iray raisin'ny hafa ho sarobidy aminy ianao.
Noafahana ilay mpikatroka Ejipsiana

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Noafahana ireo mpikatroka Ejipsiana roa, Esraa Abdel Fattah Ahmed, izay nanangana ny vondrona Facebook “6 April “ sy ilay...
Fisamborana an'ilay bilaogera niova fo ho Kristiana tao Arabia Saodita

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Araka ny voalazan'ny Tambajotra Arabo Misahana ny Vaovaon'ny Zon'olombelona (ANHR), nosamborin'ny manampahefana Saodiana i Hamoud Bin Saleh ilay bilaogera...
Tsy afaka nidirana ny Livejournal tany Kazakhstan

Tsy afa-niditra tamin'ny sehatra famahanana bilaogy malaza sady tambajotra sosialy Livejournal.com ireo mpisera aterineto Kazakh . Bilaogera Kazakh vitsivitsy avy ao amin'ny Livejournal ihany no afaka miditra amin'ny alalan'ireo mpanome tolotra aterineto madinika na amin'ny alalan'ny fampiasana ny proxy. Azo nidirana anefa ny Livejournal.ru .



