Bilaogera Ejipsiana nosamborina sy tsy navela hitantara ny fitokonan'ny mpamily taksy

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Mahmoud Chachtawi, bilaogera Ejipsiana sady mpanangom-baovaon'ny tranonkala abna2masr.com no nosamborina nandritra ny fitokonan'ny mpamily fiarakaretsaka nanaovany fanangonam-baovao. Taorian'ny nitazonana azy nandritra ny adiny efatra, navotsotry ny polisy izy ary nalain'izy ireo ny fakantsariny, ny findainy ary ny kara-panondrony. Araka ny hafatra tamin'ny twitter tavela tao amin'ny bilaogy, dia toa efa naverina tany aminy ihany ny fitaovany saingy tsy tao intsony ny karatra fahatsiarovana amin'ny fakantsary izay misy ny sarin'ny fitokonana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.