Sary avy ao India: Fiantsonana ao Churchgate, Mumbai

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Churchgate Station BombaySary nalain'i Jackson Lee. Nalaina tao anatin'ny Fiantsonana ao Churchgate, ao Bombay (Mumbai) ity sary ity. Toerana fanombohan'ny Zotran-dàlamby Andrefana ao amin'ny Zotran-dàlambin'ny Tanàna Itatr'i Mumbai izy io, ary maresaka noho ny fivezivezen'ireo mpiasa hamonjy ny toerampiasany any amin'ny faritra atsimon'ny tanànan'i Bombay. Manampy izany ny vahoaka ho any amin'ny anjerimanontolo, ireo mpizahatany ary ireo mpandeha tsindraindray. Tarafin'ireo fiantsonan'ny fitanterana an-dàlamby tsara ny hazakazaky ny tanàna. Mitondra olona maherin'ny 6 tapitrisa isanandro ny Rafitra Fitanterana An-dàlamby ao Mumbai.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.