(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2010)
Ho an'ny Holandey, nanomboka tamin'ny fifaninanana tena lehibe ny Lalao Olaimpika Ririnina 2010 tany Vancouver: fikorisana an-dranomandry 5000 metatra haingam-pandeha. Nanantena ny firenena iray manontolo (sy ny hafa eo amin'ny tontolon'ny fikorisana andranomandry haingam-pandeha) fa ilay Holandey Sven Kramer no hahazo ny volamena, saingy ny fanontaniana dia hoe: mety ho afaka hiatrika io tsindry goavana io ve i Kramer?
Nisioka taloha, nandritra sy taorian'ny fifaninanana ireo olo-malaza Holandey sy ny namana mpikorisa an-dranomandry (Olaimpika).
Natoky tena ilay mpikorisa Holandey Erben Wennemars, naman'i Sven sady namana ao amin'ny ekipa:
Vandaag wordt het GOUD!!
Ary nanome toky ny tsirairay izy fa vonona i Sven:
met sven ontbeten. hij is er helemaal klaar voor.
Na ilay mpikorisa Amerikana Shani Davis, mpifanandrina amin'i Kramer amin'ity fifaninanana ity aza nanam-potoana nandefasana sioka:
Just finished pre-race warmup. I feel really good…crowd is totally energized…this is going to be some FUN (even if Sven kicks my butt).
Vao avy nahavita fanazaran-tena alohan'ny fifaninanana. Mahatsiaro faly aho … mientanentana tanteraka ny vahoaka … ho MAHAFINARITRA ity (na dia mandaka ahy aza i Sven).
Mpilalao sarimihetsika Holandey Antonie Kamerling nizara ny fientanentanany momba ny fifaninanana, manome vaovao farany ho an'ny vahoaka. Alohan'ny fifaninanana, nisioka izy hoe:
wat een druk voor Kramer. favoriet en als 1e rijden van de favorieten. word toch een beetje zenuwachtig. gelukkig vallen bijna nooit bij 5 k
Nanontany izay tao an-tsain'i Sven izy:
kon je nu maar in de hoofden kijken van Kramer, Fabris en de Jong. over een paar jaar kan dat gewoon
Taorian'ny hazakazak'i Sven, nanoratra izy hoe:
djeezus wat spannend…. hij ging echt wel kapot leek het.
Nanomboka avy eo ny fiandrasana. Voalohany, nifaninana tamin'ilay mpikorisa Holandey De Jong ilay mpikorisa Koreana, Lee:
shit dacht nog heel even dat die Koreaan eroverheen sprintte. eikel. dat kunnen we niet hebben
Mety afaka handresy azy ve ilay Italiana Fabris:
shit ik word gek, die Fabris zal toch niet…????
Ary farany, sento:
ja hoor het is gelukt!!!!!!!!!
Mpilalao sarimihetsika Holandey Halina Reijn tsy maintsy nilalao tantara an-tsehatra nandritra ny hariva ary nifanerasera avy eo mba hiezaka hamantatra izay zava-niseho:
Wie heeft er gewonnen met schaatsen?
Ary nandefa fahitalavitra haingana rehefa nahita fa mbola tsy tapitra ny fifaninanana:
Ok sorry voor mijn domme vraag…zit voor de tv nu! Sven…
Vao avy tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina ao New York ilay mpanao gazety ara-panatanjahantena Holandey Wilfried de Jong ary tsy maintsy niditra aterineto:
hier in aankomsthal luisteren naar radio 1. Nederlanders met oren bij mijn laptop.
Raha nahazo volamena ihany i Sven Kramer, marobe ireo fiderana. Erben Wennemars nanoratra hoe:
ben intens blij voor Sven Kramer… gefeliciteerd!
Ny mpifanandrina taminy, Shani Davis, nanoratra hoe:
I'm really happy for Sven. That crowd, it's still going thru me…very exciting feeling. Time to switch gears, get ready for the sprint.
Tena faly noho i Sven aho. Mbola ato anatiko ireo vahoaka … fahatsapana mientanentana tanteraka. Fotoana hanovana hafainganam-pandeha, vonona amin'ny hazakazaka haingana.
Mpikorisa Amerikana Chad Hedrick, izay tsy nahomby niaro ny voninahiny Olaimpika tamin'ny 5k tamin'ny fifaninanana farany, nanoratra hoe:
Congrats to Sven today- great race! You are very deserving!
Arahabaina i Sven- fifaninanana mahafinaritra! Tena mendrika ianao!
Mpikorisa Holandey sy ny ekipa namany Mark Tuitert, izay handray anjara amin'ny 1000 et 1500 metatra lehilahy, nanoratra hoe:
Repect voor Sven, hij flikt het en dat is absoluut niet altijd vanzelfsprekend!
Ekipa namana Ronald Mulder [nl], izay handray anjara amin'ny 500 metatra lehilahy nanoratra hoe:
Supermooie 5km gezien! Sven met 16miljoen NL'ers op zijn rug de dikverdiende gouden plak! Respect
Ekipa namana Annette Gerritsen [nl], izay handray anjara amin'ny 500, 1000 sy 1500 metatra vehivavy nanoratra hoe:
Wat een prachtige 1e dag. Wat onzettend knap van Sven.
Mpanazatra Holandey Ingrid Paul [nl] izay mpanazatra ny ekipa mpikorisa Kanadiana ankehitriny, nanipika fa tena tsy mampino ny zava-bitan'i Sven:
Ik zei net verdiende winnaar,maar dit is meer dan verdiend,de superfavoriet en super hard geknokt en gereden,niets laten liggen! Super Sven!
Mpikorisa Norveziana Øystein Grødum nahafantatra ireo Holandey niarahaba an'i Sven ary naneho ny fahadisoam-panantenany tamin'ny namana mpiray tanindrazana Håvard Bøkko laharana faha-4:
felicitaties SVEN…. GOUD.. sorry with 4th for @havardbokko
Mbola tsy hita tao amin'ny Twitter i Sven Kramer. Tsara kokoa izy raha mifantoka amin'ny fikorisana haingam-pandeha, satria mbola manam-bintana hahazo medaily vitsivitsy.
Sary sy hajiatsary nalaina tao amin'ny tranonkalan'i Sven Kramer