
Sary an'ny ev tao amin'ny Unsplash. Nampiasaina ny lisansa Unsplash
Tamin'ny 29 Novambra 2023, ny LGBT World Beside, fikambanana Eoropeana iray manohana ireo LGBTQ+ mpitady fialokalofana sy mpitsoa-ponenana avy any amin'ny firenena Sovietika teo aloha dia namoaka vaovao nahavaky fo teo amin'ny Instagram-ny hoe :
Ao anatin'ny alahelo lehibe tokoa no hilazanay ny fahafatesan'ny mpikambana iray hafa ato anatin'ny vondrom-piarahamonina misy anay, Mikhail, mpitady fialokalofana avy any Rosia. Io no fahafatesana fahatelo tamin'ity taona ity ary izahay dia maneho ny fiarahamiory amin'ny fianakaviana sy naman'i Mikhail. . Tsy trangan-javatra fotsiny izao fa antso vonjy ihany koa. Tokony averin'ny governemanta sy ny COA [Masoivoho foibe mpandray ireo mpangataka fialokalofana] dinihana ny mikasika ny politika fametrahana ireo mpitsoa-ponenana avy amin'ireo vondrona marefo.
24 taona i Mikhail. Tonga tany Hôlandy izy ary nangataka fialokalofana efa ho 12 na 14 volana lasa izay. Araka ny voalazan'ny LGBT World Beside dia nalefa tany amin'ny ivon-toerana ho an'ny mpangataka fialokalofana tany an-tanànan'i Echt izy. Tao anatin'io lahatsoratra io, ny LGBT World Beside dia nangataka tamin'ireo tra-pahasahirànana “mba tsy hiahotra ny hangataka fanampiana amin'ny fianakaviany, namany sy amin'ireo olom-pantatra”. “Tsy irery akory ianareo !” hoy ireo mpikatroka nanome toky.
Mpampiasa X (Twitter teo aloha) iray nanoratra hoe :
1. Пол года назад в лагере для беженцев в 🇳🇱 покончила с собой Хина Захарова из РФ, и вот сейчас пишут ещё русский парень.
Люди сидят там годами, я сам провёл 14 мес даже БЕЗ интервью(С МОИМ КЕЙСОМ!) забрали загранник, внутр паспорт, военник, которые до сих пор вернуть не могу pic.twitter.com/GSd0VdfOvt— Роман Трегубов (@r_tregubov) November 28, 2023
Enimbolana teo izay, namono tena tao anatin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana [tany Hôlandy] i Hina Zakharova avy any Rosia, ary ankehitriny dia misy vaovao indray mikasika lehilahy Rosiana iray hafa. Efa an-taona maro no nipetraka tao ny olona, izaho ihany koa dia nandany 14 volana TSY NISY fanadihadiana ( MOMBA NY RAHARAHAKO!), nalain'[izy ireo] ny pasipaoro[ko] iraisam-pirenena, ny pasipaoro nasiônaliko, ny karapanondroko ara-miaramila, izay tsy mbola naverin'izy ireo foana.
Vakio bebe kokoa: Ankizivavy “Trans” avy any Rosia namono tena tao amin'ny toby fialokalofana
Raha nitanisa ny mpisolovava mpanampy an'i Mikhail, mpitondrateny iray avy amin'ny LGBT World Beside no nilaza tamin'ny Global Voices fa natsahatry ny Sampan-draharaha misahana ny fifindramonina sy ny fanomezana zom-pirenena ny dingana nataon'i Mikhail noho ny “famonoantena iray tany ivelan'ny toby”.
Fikambanana iray tsy mitady tombontsoa ara-bola ao Hôlandy ny LGBT World Beside, mifantoka amin'ny fanomezana fanohanana momba ny lalàna sy ara-tsaina ho an'ireo mpitsoa-ponenana LGBTQ+ sy ny fianakaviany ary koa ireo LGBTQ+ izay mbola monina any amin'ny firenena niaviany. Tamin'ny taona 2018 no naorina izy io. Ilay fikambanana tsy miankina dia manao hetsika sôsialy sy miasa amin'ny fanaparitahana an'ireo vaovao any Hôlandy sy any amin'ireo firenena niavian'ireo mpitsoa-ponenana. Ezahany ny mamorona toerana azo antoka ho an'ireo mpikambana avy amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, manamora kokoa ny fidiranan'izy ireny ao anaty fiarahamonina vaovao sy manohana azy ireo amin'ny asany amin'ny traikefany mampalahelo sy ny ady ataony amin'ny fanilikilahana. Nitafatafa tamin'ny solontenan'ilay ONG ny Global Voices, tamin'ny alàlan'ny Telegram.
Global Voices (GV): Fantatrao ve hoe firy no isan'ireo LGBTQ+ mpitsoa-ponenana avy any Rosia hita any amin'ireo toby Hôlandey ?
LGBT World Beside (LWB): Tsy fantatray tsara ny tena isan'ireo LGBT avy any Rosia mangataka fialokalofana amin'izao fotoana izao, saingy fantatray fa hatramin'ny taona 2022 dia efa mety nihoatra ny 500 izy ireo. Amin'ny ankamaroan'ny tranga misy, rehefa tapitra ny faha-12 volana dia efa mahazo antsafa ireo kandidà. Saingy fantatray ihany koa ny fisian'ireo tranga izay tsy nahazoan'ireo mpangataka fialokalofana antsafa fanindroany, na efa tapitra aza ireo 15 volana ofisialy. Manao fivoriana tsy tapaka izahay mba hampahazo aina araka izay azo atao ireo mpangataka fialokalofana vaovao vao tonga. Olona 80 ka hatramin'ny 100 mahery no tonga manatrika ny fivorianay. Saingy takatray fa tsy manana ny fahefana rhetra izahay ary tsy ny fivoriana tsotsotra fotsiny no hanampy amin'ny famahana ilay olana izay ilàna fotoana fiandrasana maharitra.
GV: Raha manana olana ny mpitsoa-ponenana iray, toy ny hoe fifandirana ao anaty toby, na sahiran-tsaina tsotra izao fotsiny izy, amin'iza izy ireo no tokony hitodika hitady fanampiana?
LWB: Rehefa tafalatsaka anaty olana ilàna fanampiana ny LGBT iray mpangataka fialokalofana dia afaka manatona avy hatrany any amin'ny mpitantana raharaha ao amin'ny Central Agency for Reception of Asylum Seekers (COA) – masoivoho foibe fandraisana ireo mpangataka fialokalofana – na amin'izay mpiasan'ny COA amperinasa eo, raha toa misy zavatra mitranga ivelan'ny ora fiasana. Avy eo ilay mpangataka fialokalofana dia afaka ihany koa mametraka fitarainana ofisialy ao amin'ilay toby fampiantranoana vonjy maika ary tsy maintsy mikarakara izany ireo tompon'andraikitry ny toby. Mazava ho azy fa mety mbola hanana olana izy amin'ilay fanampiana vonjy maika, saingy raha tena loza mandindona ilay olana dia hahazo fanampiana izy. Manampy tsara ireo mpiasan'ny COA, mikarakara ary mitantana ireo disadisa, indrindra ny ao anatin'ny toby. Manao fihaonana marobe anatin'ny toby ny mpiasan'ny COA mba ho tsara araka ny tokony ho izy ny fijanonan'ireo mpangataka fialokalofana ao. Raha toa ka tsy voavahan'ny mpangataka fialofana ny olana iray dia afaka miantso anay izy ireo, ary izahay no mifandray amin'ny COA ary hanampy azy ny mpiasa. Ohatra amin'izany, raha toa ny mpangataka fialokalofana iray any anatin'ny iray amin'ireo toby lavitra ny toeram-pitsaboana lehibe ka mahatsiaro ho tsy salama amin'ny alina, dia misy angindimby ara-pahasalamana iray tonga. Araka ny fahatakaranay azy, ny mpiasan'ny COA sy ny GZA (mpiara-miombon'antoka iray amin'ny resaka ara-pahasalamana ho an'ireo mpangataka fialokalofana) dia tsy mandà ny fitsaboana ary manampy raha misy olana mitranga. Fa marina ny hoe mety hiandry volana maromaro ireo mpangataka fialokalofana vao hahazo fihaonana amin'ny mpitsabo.
GV: Ahoana no fomba hahazoan'ireo mpitsoa-ponenana fanampiana ara-tsaina ?
LWB: Raha mila fanohanana ara-tsaina ny mpangataka fialokalofana iray dia manao fangatahana amin'ny fomba ofisialy any amin'ny GZA ao anatin'ilay toby izy ireo. Fantatray fa ny fiandrasana amin'ny fomba ofisialy ny fihaonana amin'ny psikôlôgy dia mety haharitra iray volana mahery, indraindray roa volana. Ary izany no zavatra voalohany tianay hitaomana ankehitriny. Eo amin'ny tambajotra sosialinay, dia mamoaka tsy tapaka ireo torohay mikasika ny vonjy taitra sy ny fanampiana ara-tsaina voafaritra izahay, psikôlôgy miasa an-tsitrapo izy ireo. Saingy mila ny fanohanan'ireo matihanina manokana ireo olona LGBT, mila fiarovana tsy tapaka izy ireo. Ny maha-ao Hôlandy an'ireo mpangataka fialokalofana dia tsy midika velively fa mahatsapa fitoniana avy hatrany izy ireo, indrindra indrindra manoloana ny vaovao tsy mitsahatra miharihary amin'ny fankahalana pelaka avy any Rosia. Raha mitombo ny fotoana fiandrasana ho an'ny dinidinika dia heverinay fa tsy maintsy hovàna ihany koa ny rafitra fanohanana ao anatin'ireo toby satria toby fampiantranoana vonjimaika an'ireo mpialokaloka ireny. Vonjimaika fotsiny, fa tsy maharitra. Alaivo sary an-tsaina ny fahatsapan'ny olona iray tsy mahazo antoka ny ho tafajanona, nefa mandritra ny 15 volana izy miandry dinidinika.
GV: Taorian'ny nilazan'ny Fitsarana Tampony Rosiana fa ny “hetsika iraisam-pirenena LGBTQ+” dia “fikambanana iray mahery fihetsika”, heverinareo ve ny ho fitomboana be amin'ny fifindramonina avy any Rosia ?
Efa miomana hanampy eny an-toerana izahay. Isanandro dia miha-sarotra hatrany ny miampita ny sisintany. Ho sarotra ny handao an'i Rosia ary tsy mora ny fahazoana taratasy fivahiniana (visa) ankehitriny.