09 Septambra 2018

Tantara tamin'ny 09 Septambra 2018

Madagasikara – Frantsa: Miteraka Ahiahy Amin'ny Jadon'ny Governemanta Ny Fandroahana Ireo Teratany Frantsay Anankiroa

  09 Septambra 2018

Teratany frantsay anankiroa, Christian Chadefaux sy mompera Urfer, nipetraka teto Madagasikara efa am-polo taona maro no namoahan'ny governemanta malagasy didy tamin'iny volana lasa iny (may 2007) fa olona tsy iriana honina eto Madagasikara. Andro vitsy monja taorian'ny nahalany an'i Nicolas Sarkozy ho filohan'i Frantsa izay nanao ho laharam-pahamehana ny fandroahana ireo mpifindramonina tsy ara-dalàna io fanapahankevitra io. Fifanandrifian-javatra ve ? Manome ny heviny ireo malagasy mpitoraka bilaogy .

Bangladesh: Firenena latsaka an-katerena, loharanom-baovao ny bilaogera

  09 Septambra 2018

Nahita fiovana lehibe i Bangladesy vao haingana. Ny alakamisy alina, nanambara firenena latsaka an-katerena ny filoha Iajuddin Ahmed ary nametra-pialàna amin'ny maha-lehiben'ny governemanta vonjimaika azy, izay fitakiana voalohany nataon'ny firaisamben'ny mpanohitra. Nahemony ihany koa ny fifidianana amin'ny 22 janoary, izay voalaza fa efa vita ny dingana amin'izany.