
Alika iray nofonosina tanatin'ny sainan'ny vondrona pôlitika iray ary notifirina. Pikasary avy amin'ilay lahatsary navoakan'ny Innocent Pets Shelter Welfare Society teo amin'ny Facebook.
Nampijaly biby ireo mpikatroka ao Pakistana nandritra ary taorian'ny fifidianana tamin'ny 25 Jolay 2018 mba hiezahana handefa hafatra pôlitika, nozaraina tety amin'ny aterineto ny sary tami'ireo seho.
Hita amin'ny sary ireo nandoko, nikapoka ary namono biby izay nampiakanjoina mba hisolo tena an'ireo mpifanandrina pôlitika ao anaty fampielezankevitra izay efa voasimban'ny herisetra. Nisy fanafihana tamin'ny baomba samy hafa nikendrena ireo famoriambahoaka ara-pôlitika izay namoizana ain‘olona mihoatra ny 150 talohan'ny fifidianana ny 25 Jolay.
Mpanao cricket taloha nivadika ho pôlitisiana Imran Khna no mety ho lasa praiminisitr'i Pakistana manaraka rehefa vitan'ny antokony Pakistan Tehreek-i-Insaf (“Hetsika Pakistana Ho An'ny Rariny”, fantatra amin'ny hoe PTI) ny niantoka ny fahazoana ny ankamaroan'ny seza tamin'ny fitsapankevitra, nandresy an'ireo mpitondra taloha avy amin'ny Ligin'ny Silamo ao Pakistana Nawaz (PML-N).
Ao anatinà horonantsary iray (Tandremo: sary mahery setra mampiseho fampijaliana biby) izay niely be tamin'ny 27 Jolay, alika iray nosaronana tamin'ny saina PTI no hita in-telo notifirin'ny lehilahy mitondra ny sainan'ny vondrona Watan Qaumi (QWP), no sady toy ny voahodidin'ireo azo lazaina hoe mpanohana an'ilay kandidà resy.
Taorian'ireo fanehoankevitra tao amin'ny tambajotra sosialy, nisambotra olona roa noahiahiana tao amin'ny tanànan'i Bannu, izay toerana nandraiketana an'ilay horonantsary, ny polisin'ny distrikàn'ny Khyber Pakhtunkhwa ary avy eo namoaka fiaikenkelok'ireo lehilahy roa.
Responding within 12 hours, #Bannu Police worked throughout the night to arrest 2 culprits at 6:45am involved in torturing, killing the animal and making video of it. #KPPolice thanks Social Media users for raising the issue. pic.twitter.com/0SDSYEgAu9
— KP Police (@KP_Police1) July 28, 2018
Namaly tao anatin'ny 12 ora, niasa nandritra ny alina tontolo ny Polisin'ny #Bannu mba hisamborana tamin'ny 6:45 maraina an'ireo 2 voarohirohy tamin'ilay fampijaliana, famonoana biby ary fandraketana lahatsary momba izany. Misaotra an'ireo mpampiasa Tambajotra sosialy ny #KPPolisy tamin'ny fandraisana andraikitra.
Ny Lalàna Mandràra ny Fampijaliana Biby, navoaka tamin'ny 1890, dia nasiana fanitsiana tamin'ny voalohan'ity taona ity mba hampidirana lamandy mavesatra kokoa ary famonjàna tonga hatramin'ny telo volana an-tranomaizina. Izao no voalohany nampiharana ireo sazy vaovao ireo.
Ilay mpifaninana resy, izay ny sariny no hita teny amin'ny saina nentin'ireo mpitifitra, no namoaka horonantsary (amin'ny Pashto, fiteny iresahan'ny 15 isan-jaton'ny mponina ao Pakistana) manameloka an'ilay fihetsika ary miteny fa tsy nanana fifandraisana tamin'ireo olona tao anatin'ilay horonantsary izy.
Namoaka hevitra ihany koa izy hoe mety nataon'ireo mpifaninana aminy ilay lahatsary mba hanalàna baraka azy, ary nangatahany ny hisian'ny fanadihadiana.
QWP candidate from Bannu in his video message said that the forceful change in the elections result and rigging hasn't made him as upset as that video by unknown cruel person shooting a dog with PTI flag pretending yo me his supporter. https://t.co/lSYiowwniF
— ارشد آفریدی (@Arshad_Afridi) July 27, 2018
Ny kandidà QWP avy ao amin'ny Bannu tao anatin'ny hafany anaty lahatsary no niteny fa tsy nahatezitra azy ny vokatrin'ny fifidiana ary ny fangalarana vato, raha ampitahaina amin'ny nahitana an'ity lahatsary nataon'ny olona tsy misy antra mitifitra alika miaraka amin'ny saina PTI ity, tamin'ny filazana fa mpanohana azy.
Amin'ny sary iray hafa izay nalaza teo amin'ny Twitter koa, lehilahy iray mitana goaika amin'ny tongony raha etsy ankilany misy andian'olona mankalaza ny fandresen'ny PPP teo an-toerana:
The anti PPP politician Arbab Rahim, is called “black crow” by PPP supporters due to his dark complexion.
In these photo PPP supporters are celebrating PPP's win by killing/torturing the crow. @imtiazchandyo pic.twitter.com/FFhA8QKB7T— Qadeer Sarki (@QadeerSarki1) July 27, 2018
Ny mpanao pôlitika tsy tia PPP Arbab Rahim, nantsoin'ny mpanohana PPP ho “goaika mainty” noho ny volonkodiny matroka.
Ao amin'ireo sary ireo, mankalaza ny fandresen'ny PPP amin'ny famonoana/fampijaliana an'ilay goaika ireo mpanohana ny PPP.
Ao Karachi, nosoratan'ny olona teo an-damosin'ny ampondra iray ny anaran'ny kandidà mpifaninana ary nokapohina ilay biby. Taorian'ireo fihetsehampo nivaivay tao amin'ny tambajotra sosialy, nalain'ny ekipan'ny Orina Ho Famonjena ny Biby ho any amin'ny fialofany ilay ampondra (boriky), ary tao no nanomezana azy ny anarana ‘Hero’
With the upcoming elections looming upon us, no one is spared from the wrath of this time…not even the most helpless of animals. This is a hate crime. A #donkey beaten to pulp, punched in the face and abdomen several times, nose broken, kicked all ove.. https://t.co/OIKM2oRSuu pic.twitter.com/it2Fgct9DT
— ACF Animal Rescue (@ACFAnimalRescue) July 16, 2018
Miaraka amin'ireo fifidianana hoavy manantona antsika, tsy misy afaka mandositra ny hatezerana amin'ity fotoana ity…na ny biby tsy afaka miaro tena aza. Heloka bevava feno fankahalana ito. #Boriky iray voakapoka nivoa-drà, im-betsaka nomena totohondry teny amin'ny lohany ary kibony, rotika ny orona, voadakadaka teny amin'ny tenany manontolo mandra-pidarabony
Indrisy, tsy tafavoaka velona tamin'ilay fidarodarohana ilay boriky.
Our Hero just passed away.
He was doing a lot better until yesterday, he managed to stand up on his own, eat powdered food although he had a broken jaw, and drink water on his own. He had been on IV drips, multivitamins and antibiotics. His external wo.. https://t.co/phhh7DKwiR pic.twitter.com/6MEI0Xitvy— ACF Animal Rescue (@ACFAnimalRescue) July 23, 2018
Maty teo ilay “Hero”-nay.
Efa nihatsara izy hatramin'ny omaly, nahavita nitsangana samirery, nihinana sakafo namainina na dia tapaka aza ny valanoranony, ary nisotro rano irery. Notsindronina an-tsosonkoditra izy, nampidirana vitaminina maro sy antibiotika. Efa sitrana ny ratra ivelany..
Betsaka ny olona nampiseho ny hatezerany teo amin'ny tambajotra sosialy momba ny fampijaliana biby. Nibitsika ilay mpisolovava, Yasser Latif Hamdani:
I would be incredibly proud of this country if the Chief Justice of Pakistan for once did the right thing and took Suo motu notice of the cruel inhumane killings of animals during and after this election campaign.
— Yasser Latif Hamdani (@theRealYLH) July 28, 2018.
Afaka nirehareha tamin'ito firenena ito aho raha mba nanao ny tokony nataony ny Lehiben'ny Fitsarana eto Pakistana tamin'ity ary naka ny fanapahankeviny azy manokana momba ny famonoana biby amin'ny fomba feno habibiana nandritra ary taorian'ity fampielezankevitra ho an'ny fifidianana ity.
Tamin'ny fifidianana natao teo aloha teto amin'ny firenena, tamin'ny 2013, tigra fotsy iray no nentina nandehandeha tamin'ny famoriambahoakan'i Mariam Nawaz — ny zanaka vavin'i Nawaz Sharif, mpitarikan'ny PML-N — matin'ny havizanana tao ambanin'ny hafanana.
Tamin'ny fitsapankevitra tamin'ity taona ity koa, nitondra liona tao amin'ny faripiadidiny ny kandidàn'ny PML-N, niteraka fanakianana ihany koa.
Tao anaty resadresaka tamin'ny Global Voices, nisaintsaina momba izay antony tsy mahavoasazy ireo mpampijaly biby i Naeem Abbas, tomponandraikitry ny fisoloana vava avy amin'ny Brookes Pakistan :
Nampijaliana foana ireo biby, fa voalohany izao ny polisy no niditra an-tsehatra tanatinà tranganà fampijaliana biby. Ary manana kolontsaina isika hoe raha misy olona tratra dia ho tafavoaka amin'ny fandoavana tsolotra izy.